dada sy neny

1. tslem ( 27/09/2007 07:03)
Jean NARIVONY ve sa iza moa no nanoratra an'ity tsianjery ity izay mahalala na mahatadidy?

Dada sy neny malalako izay
dia fola-damosina ery taminay
neny nitaiza, nibaby nanasa
dada isan'andro torovana miasa.
..............................

dia ilay hoe:

Mba ankatoavy ry tanora
izany ana-dray sy reny
aza avela ho fotsy rora
raha sendra mba miteny.
.......................

Dia misaotra mialoha ô!
novalian'i myst ny 11/08/2013 10:03
2. pissoa ( 27/09/2007 20:10)
tsy tadidiko koa !

Ilay tononkalo faharoa aza tsy haiko mihitsy :oops::-D:-D:-D
3. mandrindra ( 28/09/2007 14:34)
nisy tohiny ve ireo tsianjery ireo sa hatreo fotsiny ihany
4. tslem ( 29/09/2007 06:31)
misy tohiny fa tsy mbola tadidiko daholo fa vao eitreretina.



5. tywa68 ( 29/09/2007 07:33)
tslem : efa very tadidy @ fahanterana e :-D:-D moa tsy fantatro koa ilay faha-2.:lol:
6. lanto ( 29/09/2007 07:44)
tadidiko daholo fa tsy haiko tsony le faharoa "aza avela ho fotsy rora" ?

mandrindra> valibabena

Dada sy neny malalako izay
dia fola-damosina ery taminay
neny nitaiza, nibaby nanasa
dada isan'andro torovana miasa

izaho no tomady sy tena salama
I dada no vizana be nikarama
izaho no olom-banona sady hendry tsara
I neny no sasatra nikarakara

Mba inona kosa no havaliko ireny
fitiavan-tsy ritran'i dada sy neny ?
manaraka tsara izay anatra omeny;
mivavaka ho azy no valibabany.
7. tywa68 ( 29/09/2007 07:49)
lanto =D=D valimbabena no izy sa ?
8. mandrindra ( 29/09/2007 08:08)
lanto, misaotra eee
9. lanto ( 29/09/2007 10:07)
tywa> ie valimbabena fa diso kitika ;-)
mandrindra tsisy fisaorana e

Ilay faharoa io izay toa misy hoe
"fa tsy olona tsy akory
raha tsy nisy azy ireny."
raha tsy afangaroko am hafa :-p

10. tslem ( 29/09/2007 11:01)
tywa68:

tslem : efa very tadidy @ fahanterana e :-D:-D moa tsy fantatro koa ilay faha-2.:lol:


ngah hita fa lal mitsy ty fahaterana ty :cry:

lanto >>> ny nanoratra azy ngah tsy hainao?
11. lanto ( 29/09/2007 11:16)
tslem> tsy haiko :-)
12. mandrindra ( 29/09/2007 12:37)
lanto, ho asaiko mianika lampihazo hanao tsianjery fa kay mahay beee an
13. lanto ( 29/09/2007 12:40)
mandrindra> hovaliako any am hafatra io resakao io fa njaso lony :-D nahampimé kely ahy manko :-p
14. mandrindra ( 29/09/2007 13:18)
lanto, kely fotsiny ve?:wink: kaaay mangoritsina beee aho fa ahazo hafatra avy any amin'i lanto hono:-D:-D:-D
15. fahamarinana ( 04/10/2007 11:07)
lanto:

tadidiko daholo fa tsy haiko tsony le faharoa "aza avela ho fotsy rora" ?

mandrindra> valibabena

Dada sy neny malalako izay
dia fola-damosina ery taminay
neny nitaiza, nibaby nanasa
dada isan'andro torovana miasa

izaho no tomady sy tena salama
I dada no vizana be nikarama
izaho no olom-banona sady hendry tsara
I neny no sasatra nikarakara

Mba inona kosa no havaliko ireny
fitiavan-tsy ritran'i dada sy neny ?
manaraka tsara izay anatra omeny;
mivavaka ho azy no valibabany.


:arrow:Ntso!!!efa ela hany zany,misaotra betsaka e,misy hampianarina ny kilongako ato.(l)
16. sarobidy ( 29/10/2007 13:18)
tslem: tsy efa izy ve reo, ôtran'ny efa complet sa mbola tsy ampy reo namen'ny namana mafatrapo reo :):oops:
17. rova30 ( 28/11/2007 01:58)
:)Ary ianareo mahatadidy a!
Mampahatsiahy ny fahiny izy izany.

:arrow:Ity koa misy sombiny:

Raiso mora, ry tanora:
Izay tsara, mba ho zara...


...ankafiazo mba hiafy,
irony saina, be taraina...

:-P

...Fa ny hendry no voatendry,
ho mpanjaka ka ...


8O:?:dia tsy haiko intsony ny tohiny fa efa mahatsiaro antitra be zah!
Tsy dada sy neny no lohateniny, fa nahatsiarovako azy ireo fotsiny!
18. kabatritra ( 03/12/2007 22:29)
Fantatry rova30 ve ny nanoratra an'io ?
I Toetra Raja koa manao ohatran'io. http://www.freewebs.com/toetraraja/rovavoadoro.htm
19. rova30 ( 05/12/2007 00:45)
Misy diso kely fa ahitsiho izay mahatadidy:ankafiazo? mafy, mba hiafy...

Kintana angamba no nanoratra azy izay ? raha tsy diso aho.

___________________________________________________

Voadoro ? Niantso ireo Olo-manga .


Toko tapaka,
Vilany mitongilana:
Izay tsy mety harenina.

:-w
Tsy foiko
Fa rovako
Harenako,
Koloiko
Arovako,
Ambenako!
20. myst ( 11/08/2013 10:03)
Ankatoavy ry ranora
Izany ana-dray sy reny
Aza avela ho fotsy rora
Raha sendra mba miteny

Mba hajao sy hatahory
Aza atao kivazivazy
Fa tsy olona tsy akory
Raha toa tsy nisy azy

Toy ny tsipak'ombalahy anie
Ny anatra omeny
Ka mahavoa izay sahy
Mamotsifotsy azy ireny
rova30:

Misy diso kely fa ahitsiho izay mahatadidy:ankafiazo? mafy, mba hiafy...

Kintana angamba no nanoratra azy izay ? raha tsy diso aho.

___________________________________________________

Voadoro ? Niantso ireo Olo-manga .


Toko tapaka,
Vilany mitongilana:
Izay tsy mety harenina.

:-w
Tsy foiko
Fa rovako
Harenako,
Koloiko
Arovako,
Ambenako!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8416