Hilaza ve hianao sa avelanao amin'izao?

21. la ( 27/09/2007 11:40)
niryna> tsy azoko aky ny mahatonga ilay lohahevitra hoe:"hay ary ampiharina sa fe hay....." io aty fa inona no tindry lazaina? fa tsisy fisorana ka :):D fifalina fona ny maneho hevitra eto:D:D
22. niryna ( 27/09/2007 16:22)
hery:

Tsy mitovy ny milaza indray mandeha sy manao dridrangilo.

Na mety mahasoa aza ny zavatra lazainao rehefa averimberinao foana dia leo ny olona dia tsy mihaino intsony.

Mifandray amin'ilay hoe mila mianatra sy miofana koa ny mpitory. Anisan'ny ianarana izany "Fomba fitoriana" izany fa tsy izao entanim-po rehetra izao dia hidradradradra hitory daholo.

Mila eritreretina tsara hoe ahoana no fomba sy stratejika hatao mba handraisan'ireto olona ireto ny fitoriana ataoko. Sao dia ianao indray no ifoteran'ny fitsarana any aoriana any... ary ny fanontaniana amin'izay dia tsy hoe "Nolazainao taminy ve ny Teniko" fa hoe "NOLAZAINAO TAMINY TSARA VE TENIKO" sy hoe "VOARAINY VE NY TENY NAMPITONDRAIKO ANAO"





koa raha izany ve no izy tsy ho reraka rehefa tonga any an-danitra ?
23. niryna ( 27/09/2007 16:48)
la:

niryna> tsy azoko aky ny mahatonga ilay lohahevitra hoe:"hay ary ampiharina sa fe hay....." io aty fa inona no tindry lazaina? fa tsisy fisorana ka :):D fifalina fona ny maneho hevitra eto:D:D

Raha ohatra hoe mangetaheta isika ka te-hisotro rano,ary tonga eo anbon'ny latabatra ny rano,ianao no mandray ny rano ho sotroina,mba ho afaka ny hetahetanao.
Misy olona manana olana fa te-hiala amin'ny ratsy ataony miaraka amin'ilay olona izy ka tsy hitany izay atao. Hilaza ny marina izy fa tsy te-hiaraka aminy satria te-hiova,te-hiteny amin'ny izy saingy matahotra ny tsy ho namy intsony.
Ny devoly tsy te aheno ny tenin'Atra, ary tsy tiany ho henoina ny marina,tsy ny olona no tsy tia fa izay ao aoriany ary io ilay fitiavana ara-nofy(ny nofy no manjaka fa tsy ny fanahy)
24. niryna ( 27/09/2007 16:52)
Kristy efa nampihomany antsika fa amin'ny andro tsy fantatra no ahatongavany.
Alaivo antsaina ireny nahazo ny olona tra-boina,vokatry ny rivo-doza,potika daholo ny entana rehetra,tsy afaka hitondra na inona na inona,ny eny ivelany lasan'ny rika,ny ao anatiny tsy afa-mivoaka.Ny dikany tsy afaka ny hanao izany aho hoe aleo aho aloha tsy hidera an'Atra androany fa mbola reraka nanao toy izao.Ataovy ao ambavanao mandrakariva ny teniko hoy ny Tompo
Midera ny anaranao amin'ny androko rehetra aho(maraina,atoandro,hariva)ao anaty fahoriana,fifaliana,fijaliana.Tsy misy fetrany.Toy isika mihinan-kanina
25. ikaretsaka ( 27/09/2007 17:28)
ataoko angamba fa efa io voalazan'i hery io ny tena vain-dohan-draharaha
26. fijo ( 27/09/2007 20:25)
mazava mihintsy io tenin'i hery io
27. niryna ( 28/09/2007 06:18)
fijo:

mazava mihintsy io tenin'i hery io



:D
28. fijo ( 28/09/2007 20:40)
marina io ka,mila pedagozia ny fampitana hafatra
29. Rasiligaoma ( 29/09/2007 05:19)
donc mitombona ilay tenin'i patrika ary hoe: tsy izay nahazo inspiraka dia lasa izao, fa mba mianatra aloha vao lasa izao
30. niryna ( 01/10/2007 04:02)
Rasiligaoma:

donc mitombona ilay tenin'i patrika ary hoe: tsy izay nahazo inspiraka dia lasa izao, fa mba mianatra aloha vao lasa izao


Mitombona izany raha hampianatra any an-tsekoly isika,fa raha ny fitoriana ny tenin'Atra dia izay omeny hery ihany no afaka hifandahatra sy hilaza ny fahamarinana amin'ny olona.Afaka mamaly izay zava-misy isika fa raha tsy ny FM no mitari-dalana hanazava sy hampihiratra ny fanahintsika dia tsy ahazo ny teniny mihitsy isika.Raha tsy ny FM ihany koa no manoro sy mitarika ny olona hitory ny teniny dia tsy ho tonga amin'izany izy.
Izay no mahatonga ny teniny ao amin'ny korintiana hoe ny adalan'izao tontolo izao no nomen'Atra fahefana hitory ny teniny mba hampahiratra ny mahay amin'izao tontolo izao.
31. niryna ( 06/10/2007 03:11)
fijo:

marina io ka,mila pedagozia ny fampitana hafatra

ny adalan'izao tontolo izao no nomen'Atra hitory teny ny manampahalalan'izao tontolo izao.Satria ireo mihevitra ny fahaizany kanjo tsy afaka manao na inona na inona raha tsy miaraka amin'Atra ary tsy ahazo ny tenin'Atra mihitsy koa fa tsy nomeny ny FM satria tsy mino Azy.:oops:

IKORINTIANA 1


25 Fa ny fahadalan'Andriamanitra dia hendry noho ny olona; ary ny fahalemen'Andriamanitra mahery noho ny olona.

26 Fa hevero ny fiantsoana anareo, ry rahalahy, fa tsy firy no olon-kendry araka ny nofo, tsy firy no olona mahery, tsy firy no avo razana;

27 fa ny adala amin'izao tontolo izao no nofidin'Andriamanitra hampahamenatra ny hendry; ary ny malemy amin'izao tontolo izao no nofidin'Andriamanitra hampahamenatra ny mahery;

28 ary ny iva razana amin'izao tontolo izao sy izay fanevateva no nofidin'Andriamanitra, dia ny atao ho tsy misy aza, mba hahafoana ny misy,

30 Fa avy aminy no nanaovana anareo ho ao amin'i Kristy Jesosy, Izay nataon'Andriamanitra fahendrena sy fahamarinana sy fahamasinana ary fanavotana ho antsika,
32. ikaretsaka ( 06/10/2007 17:52)
na an-tsekoly na tsy an-tsekoly na fanahy masina na tsia.
mila mianatra pedagodie ka..
mety ianao idiran'ny FM fa ilay olona ampianarina tsy idirany mihitsy raha tsy amin'ny approche hafa.. thologique, pedagogique>
Izay no mahatonga ilay hoe soi disant hoe entin'ny FM fa tsy hay ny trinitology, mariology sns.. dia vao mainka mampisalasala hoe fanahy inona no mitondra azy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.3981