Avy @'IZA no mahatonga ny vahoka tsy mifidy?

1. Jeankely ( 25/09/2007 06:04)
Avy amin'ny Mpanao Politika ihany. Tsy liana ary tsy rototra amin'izay mitranga na resaka fifidianana ny vahoaka fa variana @ fiainany. Efa hitany hatramin'izay fa fiarovana sezan'olona ary fiarovana tombontsoan'olona nefa tsy misy makany aminy akory ny vokatra. Izany no lova napetraky ny Mpanao Politika Malagasy na milaza Mpanohatra izy na iza. Nefa fampandrosoana inona izany hoe tsisy fandraisan'ny vahoaka anjara izany? Ny vahoaka ihany koa no mijinja azy rehefa miseho ho mpitazampotsiny izay mitranga izy.
Ankoatr'izay dia hiazakazaka tokoa ve ny fampandrosoana amin'izany mifampitazana izany. Koa avy aminao ihany ry Mpanao Politika Mivilana no nanimba ny rehetra. Sarotra ny manarina an'io.
novalian'i Jeankely ny 15/11/2007 14:56
2. ravatorano ( 25/09/2007 10:16)
marina ny voalazan i ra jeankely saingy zao koa aza hadino fa betsaka ny olona no tsy tia an ireo mpirotsaka ho fidiana ho député ka sahirana amin'izany.Izany hoe izao ilay olona milatsaka mihitsy no tsy azoazon'ny vahoaka hifidy hany ka ny mpikatroka amin ilay antoko na fikambanana sisa no mifidy ka izay be an'isa no mahazo vato bobaka.
Izao mantsy mety tsy Ingahy Ravalomanana no tsy tian ilay mpifidy fa ilay mpilatsaka tim izay hitany fa tsy hahatondra ny hevi bahoaka mihitsy ary raha ny fijeriko azy dia izao ny antony nadravan'ny filoham-pirenena io Solombavambahoaka io dia nohon'ny adilahy politika izay niseho lany hatrany amin'ny tim ka izao hitany hiavak tsara ny tena izy sy tsy izy.
Na izany aza anefa dia kely loatra ary tena maro ny olona no tsy nifidy .
Izao indray koa anefa raha ny mpanohitra ny fitondrana amin'izao fotoana izao no be mpifidy (nefa izay tsy hisy aloha hatramin'izao) dia mety anao ahona re e ?
3. tywa68 ( 25/09/2007 11:05)
ka rehefa leo ny olona dia tsy miereitreritra an'izay hifidy, nefa eo indrindra no anararaotan'ny olona azy ! mampalahelo. Izay tsy mifidy tsy tokony himenomenona.:lol: Mifidy aza enao tsy misy mihaino koa maika tsy mifidy (ohatran'ny tsy misy).
4. hery ( 25/09/2007 12:26)
ie,

Nomena occasion hanovana izay tokony hovaina daholo ny tsirairay kanefa tsy nifidy indray. Dia aleo samy ho hitan'ny havany e.

5. Jeankely ( 25/09/2007 13:13)
Io arakarakin'ny tsy hifidiana vao maika voa. Inona no zavatra atao nefa tsy ao ny sain'ny olona ka mety handeha? Ohatra mpiasam-panjakana nefa tsy mifanaraka @ hevitry ny fanjakana ny sainy sy ny tiany atao dia ahoana izany mandeha mankaiza? Samy mifampi-tsikerakera eo nefa ny andro mandeha ihany. Mpianatra variana mitokona iza no voa? Sady efa zara raha ampy ny fitaovana hianarana, no mbola dorana ny kely ananana, no vitsy ny fotoana hianarana. Avy eo ny namana avy andafy haingana be dia mahavita fianarana ianao variana aton'ny mpanao politika tohatra. Simba mihintsy izany ny tanana ka tokony ho samy ho tonga saina fa tsy faly mijery tombontsoa manokana. Dia hifampijerijery eto ihany fa ho reraka sy vizana tokoa fa aza mirotsaka ihany.
6. bozyboleta ( 25/09/2007 13:28)
- @ lafiny 1 le rafitra misy solombavambahoaka mitsy no efa tsy tian’ny olona satria tsy hitan’ny olona ny asa mivaingana ataon’ireo. Mivorivory foana hoe mandany lalàna, ary omena an’izao karazana tombontsoa isankarazany zao nefa tsy hita ze vita fa @ fotoam-pivoriana aza olona ampolony no manangan-tanana mandany le lalàna.
Variana mi-bizn sy manao asa ratsy mialokaloka @ immunité parlementaire ny ankamaroany (ohatra ry Voninahitsy sy ry Haja rahalahin’I Pety…) ary fanta-bahoaka, ka izay no mampidongy ny vahoaka tsy hifidy.
- @ lafiny 1 koa de eo le tsy fandraisana andraikitra ataon’ny tsi-1-1 fa miandry fanjakana hanova ny fiainany. Efa omena okaz tokoa hanovàna tantara raha tsy tiany ny zava-misy fa eeeee... avy eo mimenomenon-dava otran'ny lazain'ny namana hafa tokoa
7. Jeankely ( 25/09/2007 13:40)
Rehefa tonga koa ny fifidiana Filohampirenena manaraka dia mbola hihena ihany koa ny mpifidy. Efa niteny an'io aho tany aloha tany fa tokony hitadiavana vahaolana mihintsy io miseho mitazam-potsiny avy eo mitaraina sy mimenomenona io. Sarotra dia sarotra ny fivoarana raha ny maro an'isa variana manontany tena. Rehefa voadona anefa miazakazaka mitady fanjakana. Samy ho hitan'ny havany marina eto. Tena nanimba zavatra betsaka ilay mpanao politika sy miseho mpitaritarika hany ka miantra amin'ny sain'ny olona mafy mihintsy ny tsy fitiavana politika. Gaigy be.
8. xxx ( 26/09/2007 23:33)
Politikan'ny mpitondra io, amin'izay miha mafy ny sezany. Atao leo politika ny vahoaka, tsy avela mijery ipotiny ny zava-misy marina fa asaina miondrika ao amin'ny fitadiavana izay hohaniny anio fotsiny, amin'izay fotoana izay dia izay voky ihany no mifidy, dia izy ihany no ho lany.
9. wooda ( 27/09/2007 00:34)
Manaiky ny hevitry xxx,

Satria raha tadidinareo tamin'ny adron'ny 1991 sy 2002 ireny(iriako mba tsy ho hiverina), dia mora tamin'ireo mpanao politika ireo ny nampiasa ilay fahakivian'ny Malagasy ahazahoana ny tadiaviny.
Ka ny mba hitako fotsiny dia tokony ny toetran'ny tsirairay no tokony hivoatra sy miray hina mba tsy ho mora hambakaina, nefa ohatran'ny miteny amin'ny rivotra izany. Mihatra amiko koa izany.

Momba ilay fifidianana indray na ilay occasion, dia tena sarotra satria ahoana no hanoheranao ny fangalarana ny vato sy ny fanembatsembanana raha tsy afaka aminao ilay fahatahorana? Ireo manodidina aza tsy ihetsika akory na dia tanana iray sao dia hivadika aminy ny valin'izany. Zarany ianao mikofokofoka ery, ka raha vao hitany fa ho todisoa ilay notanterahinao zay ry zareo vao mba manarakefa sao dia very toerana ihinana eo.

Tsotra ilay izy eh, "Qui ne tente rien ...."
(za mbola tanora, tsy te ho faty mialoha)
10. Jeankely ( 27/09/2007 06:49)
Ny ahy dia tsy misy afatsy ny ni hoe tomory akaiky ary aza misolelaka fa hitanao ny hamelezana izay ratsy fitantanana raha akaiky ianao. Raha mpitazandavitra moa dia hijanona ho mpitazana toko hany izany. Rehefa tomorin'ny vahoaka io mipoaka. Tsy mila olona mitarika mihintsy izany fa samy liana dia lasa io. Iza no misy lanjany vato fotsy 50% sa tsy nifidy 50%. Tsy mitovy ireo amiko.
11. fijo ( 27/09/2007 21:33)
manaiky ny voalzan'i hery.
efa nomena safidy hanova ny vahoaka nefa nanda ,ka avela aloha,fa izay no safidiny
12. ds ( 27/09/2007 22:17)
- Raha tsy mbola bileta tokana no ampiasaina
- Raha tsy fikambana mahaleo tena (tsy miankina) no manara-maso ny raharaham-pifidianana...
dia tsy mahagaga raha TSY mandany andro mifidy ny olona. Tsy azon'ny vakoaka antoka fa ho voahaja ny safidiny.
Raha fifidianana aty Afrika no resahina, dia tokony any Benin isika no haka ohatra fa tsy any Sonagaly velively.
13. Jeankely ( 28/09/2007 05:24)
Toerana dia any Afrika i Madagasikara fa tsy afrikanina mihintsy noho izany tsy misy hidirana ny fomban'Afrikanina. Raha mijery ny fombafomba rehetra fanaon'ny Malagasy ary hita na amin'ny fitenenana dia voaporofo fa Asiatika ny Malagasy. Samy manana ny fomba fangalarany vato daholo ny firenena rehetra na avy aiza na avy aiza. Ny mampalahelo ny vahoaka ary tsy hifidianany dia satria na hifidy ny mbola eo antoerana izay lazaina tsisy ilana azy, na hifidy ny avy nihinana niaraka tao ary Ministra niala aza ny sasany lasa mibaradaka manaratsy, na mifidy ny sisa tavela @'ireo lasa taloha izay avy nanimba sy nagorona ary nahapotika ny firenena. Tsy misy tian'ny vahoaka izany ny mpilatsaka fa tsy hoe misy tiany nefa matahotra izy dia aleo ny mijanona.
14. xxx ( 15/11/2007 11:19)
Ny ahy aloha dia tsotra eh, na mifidy aza ny olona ny hala-bato tsy misy fiafarany izay ilay atao hoe ny ratsy tsy kely lalana,ka anjaran'ny olona tsirairay no misaina hoe marina ve no nolazaiko tetsy ambony sa mba te hanoratra fotsiny ka miwawawa eo, na ny mpanohitra no be mpifidy na ny fanjakana amin'izao izy no eo , dikany azy ny tanana dia izay tiany atao ihany io, rehefa feno ny paosiny dia miala izy dia hitsoka any Asia , ianao io ve ry jeankely tsy fianakaviany mipetraka any Indonezia any, ary ny malagasy aloha dia lazaiko aminao fa ny ankambeazan'ny razamben'ny malagasy aloha dia Afrikanina sa malahelo mafy ianao raha toa ka tsy ny race Asiatique no betsaka?
15. Jeankely ( 15/11/2007 14:56)
Asakasakao mitomany ho Afrikanina aloha fa ny hitako dia na misy mainty fihodirana aza ny Malagasy dia tsy midika avy Afrika. Ny tena tompon-tany Indonezian, Malaysian tsy fotsy fihodirana ary samy mahalala izany ry zareo. Olona efa niodikodona taona maro ny fotsy fihodirana fa ny tena vrai anontanioa ny Malaysian ohatra hoe inona izany Orang Ashli izany fa io Atandroy io. Ireo no tena tompontany ary sahala izay koa ny Indonezian. Asa tsy haiko na Afrikanina lasa tany koa angaha dia anjaranao ny mikaroka izay. Ny resaka moa tsy izany fa ny hoe avy amin'ny nataonareo sy ny fianakavianareo nitondra teo aloha no namotika ny sain'olona tsy hitia politika intsony.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 2.8566