Fifidianana solom-bavam-bahoaka

1. simplex ( 23/09/2007 21:49)

D ahoana ry zalah a?

tairo atao ato ny valiny sy izay resabe mety atao @ zany e.

Ny ao Tana ve zao tsy efa fantatra, sa ahoana? :P
novalian'i Jeankely ny 25/09/2007 13:18
2. wooda ( 23/09/2007 23:37)
Aty @ province fa efa fantatra sahady ny ahazo anle izy kle....

Sady tsy voasoratra tao @ lisitra ny anarako no tsy nahazo karam-pifidianana, ny manao ordonence @zay gaigy be fa mitarazoka de navela.

pfff, na de tsy nifidy aza de tsy hitako very zo ihany za satria izay tonga eo dia mitovy daholo, tia-tena.
@ manaraka indray eh.
3. Jeankely ( 24/09/2007 01:37)
Mendrika ho anao izany. Efa lasan'ny saka ny hena vao miorakoraka=))=))=))
4. menalamba ( 24/09/2007 08:17)
:-/:roll::roll:???
5. andry44 ( 24/09/2007 08:52)
ny zavatra azo lazaina sy azo tsapahitananana aloha izao de ny fahavitsian'ny mpifidy!Asa inona no antony??:roll:
Ny teto Tanà zao de manodidina ny 32% eo;io no ambony indrindra fa ny any @ faritra sasany de latsaka be daholo!!
6. Jeankely ( 24/09/2007 09:32)
Mahazo tsy mifidy izy rehefa tsy misy tiany. Dia izy ihany koa no ho sasatra hiara-hiasa @ tsisy tiany eo. Safidy ny tsy mifidy.=))=))=))
7. wooda ( 24/09/2007 15:27)
Nifidy ve aloha Jeankely zany? :°)
8. simplex ( 24/09/2007 16:17)
kay
tsy lany i Rakotobe Hery nefa mba tsara ihany le resak'lery tao @ tvmada. Hita mintsy hoe ekonomista tsy mahay politika :?:lol:
ary i Ranjivason kou aza wain kle :roll::)
9. Jeankely ( 25/09/2007 01:44)
Tsy afa-mifidy aho satria tany tsisy masoivoho Madagasikara no hiodikodinako. Izay miseho mahay politika dia tsarain'ny karatra eo daholo. Na iza na iza samy misy farany ka asakasak'izay midohiaka amin'ny zavatra tsy mety. Ny androany, ny lasa sy ny hoavy tsy mety hitovy koa tsy misy afatsy ny fanaovana ny tsara ho an'ny Firenena. Izay manao ny tsy mety samy miandry anjara. Ny vizana moa efa hiaraha-mahita. WANTED be. Zahavo indray ny fomba hafa raha tena mahay. Lazaina kely aina nefa tia hanao ny sasany nefa avy eo tsy hita akory ny andresena ilay kely aina. DA VASOKA - WANTED.
10. ronaldo09 ( 25/09/2007 12:38)
Fnga razankely tsa any dago?
11. Jeankely ( 25/09/2007 13:18)
Efa hoe tsa any aho. Fa manara-baovao foana aho ary ity serasera ity no mba fialako sasatra sady maniraka ahy hijery gazety any @ tanana. Na izany aza Malagasy tsisy fangarony mihintsy ary tsy mihevitra ny ho vahiny na oviana na oviana. Malahelo izahay rehefa voadona ny tanana saingy misy ny faly sy mitsinjaka rehefa vizana io Madagasikara io.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6825