Lavitra akaiky ny any aminao Ray ô

1. Ragora ( 22/09/2007 10:52)
Tsy haiko no mihira azy fa hiram-pivavahana fotsiny
novalian'i cutie ny 22/09/2007 18:30
2. sipagasy ( 22/09/2007 15:39)
lavitra akaiky, ny any aminao Ray ô
vavahady midàna, mankao an-tanàna
no tazako eto,
ny lalana anefa
toa ety, dia ety.
.........
faly e!!
ravo
mikopa- mosoara ireo olom-boavonjy,
.....

tena mba omeo ny tonony hoe izya mahatadidy e!!!:-o

misaotra mialoha!
3. cutie ( 22/09/2007 17:27)
tsy misy ao anaty fihirana nga io ?
4. sipagasy ( 22/09/2007 17:56)
ka tsy manana fihirana e!!!:cry:
5. xxx ( 22/09/2007 18:03)
Lavitra akaiky ny eny aminao Ray
Vavahady midana, mankao an-tanana
no tazako eto
Ny lalana anefa toa ety dia ety
Kizokizo mifefy alan-tsilo mirenty
tsy maintsy hombana.

Faly, ravo,
Mikopa-mosara ireo olom-boavonjy
Manainga ny foko
‘zay feno toloko
Hiara-mifaly ao an-tranon’ny Ray
Miredareda ny faniriako
Ka te hitroatra hiezaka aho
Koa tafio hery aho fa te ho eny aminao.

Lavitra akaiky ny eny aminao Ray
Mibaliaka hazavana ny ao an-tanana
Ka mambabo fo tokoa
Ny manodidina ahy anefa toa kitroka
Haizina be mitatao no ombana mankao
Ka kivy sy ketraka.
6. sipagasy ( 22/09/2007 18:23)
wééééééééé misaotra sy mankasitra an'i xxx e!!! ary naninona nefa no niafina tao mmhhh ;-)
7. cutie ( 22/09/2007 18:30)
misaotra an'i xxx:)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1927