tabataba

1. apache ( 21/09/2007 06:04)
Inona no ataonao raha ianao no eo @ toerako?
misy fianakaviana iray izay miara-monina aminay. Mankaleo be ny zavatra ataon-dry zareo ireo fa be tabataba loatra izy mianakavy. Efa nampiakatra pôlisy sy tribonaly izahay noho ny tabataban'ireo olona ireo saingy afaka madiodio foana ry zareo satria tapitra fantany daholo na ny commissaire de police na ny mpitsara eto @ tanana. Ary @izao dia vao mainka ôtran'ny ataon-drizareo fanahiniana ny mikotaba handrangitana anay. Tsy hitako intsony izay atao ka mba mangataka ny toro hevitra avy aminareo.
novalian'i xxx ny 01/10/2007 13:41
2. diamondra27 ( 21/09/2007 07:19)
antsoy daholo ny tribus apache rehetra e!:oops::oops:

tena tsy hitako ze atao @izany fa tsy azo atao
efa nivoaka zany ny didy de afaka madio foana ry zareo.
Fa tabataba @ firy ka hatr@ firy?
Misy preuve ve?
Misy témoins ve?

3. xxx ( 21/09/2007 07:44)
andraso rehefa vizaky ny mikorontana iny izy de le andeha hatory iny dia manomana disque mp3 maharitra 12 heures, halefa @ home video midobodoboka tsara, hira mitsinjatsinjaka ratsy be tsy hay henoina be reny le tena mankarary sofina fidina ,ataovy miverimberina de alefaso dia ataovy a fond ny volume de mandehana nareo mamonjy soirée any ivelany de mody miverina ny apitso mody fanina be hihihi
ps: hidio tsara ny trano ah hihihi
4. mbaliana ( 21/09/2007 08:09)
hihihihihi.. ny azy ihany zany no hanajana azy? ...
tena mbola tsy hay aloha zao ny valiny.. ra raha mahita aho dia lazaiko eto ihany ...:wink:
5. apache ( 21/09/2007 08:44)
diamondra27:

antsoy daholo ny tribus apache rehetra e!:oops::oops:

tena tsy hitako ze atao @izany fa tsy azo atao
efa nivoaka zany ny didy de afaka madio foana ry zareo.
Fa tabataba @ firy ka hatr@ firy?
Misy preuve ve?
Misy témoins ve?



Marihiko aloha fa cité no ipetrahanay ary ry zareo no ao ambony ka izay no mahasarotra an-le izy. Tsy manao tapage nocturne ry zareo fa rehefa fantany fotsiny hoe ao an-trano aho dia fanahiniany akarapodrapoka daholo ny entana ao an-tranony (tena mafy izany an!!!) mi-provoquer ahy ry zareo ireo satria te hamaly faty ahy hono noho ny nitoriako azy ireo. Indraindray aza misy pôlisy mihintsy miara-mitabataba amin'izy ireo ao ambony ao. Farany teo izao tena nogoahin-dry zareo ny plafond itambaranay dia nandrarahany rano maloto ny efitranoko. Gravy zany reto an!!!!


6. mbaliana ( 21/09/2007 08:50)
anga ianao tsy mba mahalala juge na ohatran'izany satria raha vao polisy dia tsy afaka hanoatra ianao tsinona ....
7. bozyboleta ( 21/09/2007 09:02)
Fa nareo irery nga no mitaraina? Raha misy mpiara-monina hafa mantsy de mba manao fanangonan-tsonia, de manao fitarainana itambarambe de misy lanjany kokoa io na eo anivon'ny fokontany, polisy, tribonaly.
Zao aloha zany fahalalana olona zany afaka toherina fa mila anao sahy manatsikafona an'io any @ BIANCO.

Ary tsy mety nga raha mifindra trano?
8. Jeankely ( 21/09/2007 09:51)
Angaha tsy ny APACHE marina no tena mitabataba. Fianakaviana manahirana ary izay ilay hoe tsy hiaraha-monina. Fa ahoana no iray cité ny fianakaviana? Efa samy fianakaviana APACHE samy mahay mikiakiaka fa ny anao anarana sisa fa ny azy mbola tena mitangintsoavaly. Fianakaviana io.=))=))
9. apache ( 21/09/2007 11:00)
Ny mifindra trano aloha tsy possible e! fa aleo angamba anandràmana indray ireo soso-kevitra natolotrareo ireo dia ho hita eo indray ny tohiny.
10. xxx ( 21/09/2007 11:53)
zany ve ry apache ho azo iainana intsony a, tena tsy possible ve ilay mifindra ? Aleo manaja tena fa hiady @ adala ???
11. Kwasi ( 21/09/2007 12:13)
Tena mandagy marina izany ry apache.
Enao moa izany efa mba nanandrana ny nitory, izany hoe niady nefa tsy naharesy, dia avy eo ry zareo mamaly faty.
Ka maninona raha mba ilay fika mbola tsy natao indray atao ohatra hoe mba somary milefitra kely mamitra-pihavanana.
12. tsaramaso ( 21/09/2007 12:39)
hahahahahaahaha!!!! itadiavo mpividy ny taniny e !!!!!
13. boubounezy ( 21/09/2007 17:12)
apache, anaovy revin'apache zareo é! zany wé lé tiko tenenn d ny apache reny tô anisany l'homme sage d omeo sagesse kely izy ho fantany fa ny apache d tsy mora kivy @zany ary miarina fona izy na sômary vou aza, d nangalany apache caméscope ataovy akaiky2 any apache fona lé izy d vô misy zavatra d tonga dé filmé d aléo atao azo tsara ny feo an! d refa mivôka d miaraka @ dictaphone fona d ra mila ady d enregistréo kou ny feony d eo izy vô tratra ambody omby eo.d avereno ny plainte miaraka @ preuve d tanjemo tsy mazava tsara ny feo sy ny sary an!
14. apache ( 22/09/2007 06:02)
Merci boubounezy. Ianao kosa mahay mampiakatra ny morale-ko an! Mampanantena anao aho fa d\'ici 2 semaines dia any Antanimora indray no hanohy ny fetiny ireo. Ankinina amin\'ny fahendren\'ny fitsarana.
15. xxx ( 22/09/2007 08:44)
marina daholo izany ry boubounezy fa aza hadino fa any Madagasikara no resahina : ny fitsaràna dia tsy marina.

raha izaho aloha ho aho dia mitady no mety e, na mbola ho elaela aza vao mahita, izany tokoa no tena hoe miady @ adala tsinona
16. tsaramaso ( 22/09/2007 08:53)
xxx:

aza hadino fa any Madagasikara no resahina : ny fitsaràna dia tsy marina.

Fa aiza no misy fitsarana marina le ???!!!!!
Zay an, aza hadino !!!!! Aza hadino hoa an !!!! Aza hadino !!!!!
17. Fiffi ( 23/09/2007 18:01)
tsaramaso:

Fa aiza no misy fitsarana marina le ???!!!!!
Zay an, aza hadino !!!!! Aza hadino hoa an !!!! Aza hadino !!!!!
fa ahoana ? :roll:


18. ambibao ( 25/09/2007 04:36)
tsy mande zany preuve @ film zany fa mankà témoins, na huissiers hi constater azy.
raha film mantsy, afaka milaza ireo hoe montage io
19. soanja ( 25/09/2007 13:26)
apache:

Inona no ataonao raha ianao no eo @ toerako?
misy fianakaviana iray izay miara-monina aminay. Mankaleo be ny zavatra ataon-dry zareo ireo fa be tabataba loatra izy mianakavy. Efa nampiakatra pôlisy sy tribonaly izahay noho ny tabataban'ireo olona ireo saingy afaka madiodio foana ry zareo satria tapitra fantany daholo na ny commissaire de police na ny mpitsara eto @ tanana. Ary @izao dia vao mainka ôtran'ny ataon-drizareo fanahiniana ny mikotaba handrangitana anay. Tsy hitako intsony izay atao ka mba mangataka ny toro hevitra avy aminareo.


Ny miala manaja tena ihany no vahaolana amin'zany. Marina fa sarotra mahita trano ifindrana sns fa refa dinihina dia ny fahasalaman'ny saina hiodinan'ny tena ain-dehibe no tokony arovana. Ka raha handanjalanja dia aleo io aza no toa ahitana fanantenana noho izay fitoriana sy adilava handreran-tsaina.
Azo atao tsara koa anefa mnadritra ny fitadiavana toerana fifindrana ny maka sary ireo olom-panjakana mivezivezy sy manao adalana miaraka ao. Rehafa azo ireo ka mafonja dia alefa any amin'i Bianco. Mandaitra ny Bianco amin'izao fotoana ary efa betsaka no midoboka noho ny fanaovana asa toy izany.


20. Herimiafina ( 26/09/2007 20:34)
Avelao izy hanao eo fa ho reraka eo ihany izy e! tsy misy olona tsy ho reraka izany. Mividiana fotsiny earplugs dia matory tsara! :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1715