Tononkira: Raozy vao maraina

1. Kwasi ( 20/09/2007 16:28)
Inty ny tonon'ilay hira Raozy vao maraina nangatahin'ny namana iray teto:


Vao omaly aho nitaraina, nitomany
Reraky ny adin-tsaina, lany hery
Toy ny raozy maty masoandro, na lasa nalazo
Ny maraina kosa mampiseho hery vao.

O! ianao izay namoha indray ny fitiavako
Ianao no rivo-bao nitondra aina
Namelona ny hodi-tavako
Niaiky ianao ny hanadino ny lasako
Niaiky ianao ny hiara-dia iray fo amiko

Toy ny raozy vao maraina, falifaly
Mivelatra mampiseho ny vony sambatra
Averimberiko ato an-tsaiko, raha alina aho
Fa andro vao mitondra tsiky ho an'ny tontolo

La la lla la
Eny, mafy ny fiainana eto an-tany
Feno hafaliana sy hakiviana
Nefa mahaiza mionona fa izany no anjara
Fa inty re ny foko feno fitiavana
Atolotro anao, eny atolotro anao
Avia isika hiara-dia re ry tiako.

Niaiky ianao ny hanadino ny lasako
Niaiky ianao ny hiara-dia iray fo amiko

--Feon'Ala--
novalian'i ikalamako ny 20/09/2007 21:26
2. ikalamako ( 20/09/2007 21:26)
Feon'ala marina fa tsy Ventson'Androy. Mifangaro daholo ...
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2508