Raharaha Bahamas: tokony hitory daholo

1. hery ( 19/09/2007 14:42)
Ataoko ato amin'ny resaka toekarena izy ity rehefa mitady azy ianareo amin'ny manaraka.

Momba ilay hoe hay resaka fopla ilay Bahamas dia mino aho fa betsaka ny gasy no voa tamin'io. Mety misy tsy mahasahy miteny satria efa nanao veloma tetsy sy teroa kay tsy mandeha any an-dafy tampoka. Sady hoe haverin'ilay mpisoloky gaigilahy iny ny vola lany.

Kanefa hoy aho hoe AZA MANGINA fotsiny amin'izany.

Be dia be ny fahavoazana nanjo anareo izay namaly an'iny antso iny fa tsy ara-bola fotsiny. Ary na ny ara-bola aza dia tsy iny sarany iny fotsiny no naloa fa teo ny vola lany tamin'ny fikarakarana passeport, hatreny amin'ny fokontany ka hatrany amin'ny firaisana ka hatrany @ atitany. Ny frais nivezivezena tamin'izany. Ny fotoana lany koa vola daholo. Koa tsy io vola ampanantenainy io mihitsy dia ho ampy amin'izany.

Eo koa ny fahavoazana ara-moraly sy psikolojika. Misy aminareo efa nivonona tamin'izany ny saina sy ny fo kanefa tratran'izao indray. Azo honerana koa izany ary tsy vita moramora.

Eo koa ireo izay efa niala tamin'ny asany fa hoe ho any Bahamas. Aza mieritreritra hoe adalanareo ny niala fa vokatrany fampanantenana, notambezam-bola, no nialanareo tamin'ny asanareo ka rariny raha mitory ianareo.

Ka hoy aho hoe manaova fitoriana. Ireo hevitra ambony ireo dia efa ampy hitorianareo an'io olona io. Fa raha tsy mitory ianareo dia averiny fotsiny ny volanareo (raha hamerina izy) dia samy miala.

novalian'i Jeankely ny 11/10/2007 09:17
2. lemenakely ( 19/09/2007 15:26)
Manaporofo izany izao zavatra izao fa olona mora fitahina ny ankabeazan'ny gasy tsy mahalàla ny tena zony tokoa ary mbola manonofy mitsangana...Matoa mbola mitohy foana ny famitahana toy izao .Tsy vao izao anie no nisy raharaha toy ity e tao ohatra ilay resaka plate-forme pétroliére! tao koa ilay resaka miasa eny ambony bateau de croisiére ,tao ny resaka visa Canada sns...nefa dia famitaham-bahoaka fotsiny ihany !! mendrika ny ho saziana mafy dia mafy tokoa ny olona mpamitak'olona toy itony raha ny hevitro manokana!!
3. Samoana ( 19/09/2007 15:29)
Ny tena tsara dia mitambatra anaty fikambanana iray ireo voasoloky ary maka mpisolovava mihintsy raha azo atao
4. Fiffi ( 19/09/2007 15:39)
de ozy hono hoe "

Moi, Steeve Turmel, présente mes sincères excuses pour avoir induit en erreur bon nombre de gens à Madagascar pour travailler aux Bahamas. Dans cette affaire, hélas, je suis aussi une victime. Malgré tout, je m’engage à travers mon banquier à rembourser les cautions à tous ceux et à toutes celles qui les ont dûment payées. Je tiens aussi à préciser que ce chapitre " recrutement aux Bahamas " est clos et ce n’est plus à l’ordre du jour. Le calendrier pour le remboursement sera publié dans les journaux de la semaine prochaine à partir de mardi 25 septembre 2007.

http://forum.serasera.org/?rub=dinika/message&msgid=m46efa12ed7bdf

fa tsy tokony hanaiky an'zany ny Malagasy....hatao tsinontsinona tahak'zao ! :evil:
5. Kwasi ( 19/09/2007 16:47)
Bahamas saison 2
6. agoago ( 20/09/2007 07:49)
Koa raha hitory anie ry zareo mbola misy vola ho lany sy fotoana ho lany indray avy eo, ireo anefa efa voadona mafy.Ny any azo atao sy lazaina amindry zareo dia ataovy anatra ho amin'ny sisa iny, fakafakaina tsara ny zavatra vao miroboka.Tsy possible mihintsy izany hoe olona 3000 izany dia aondrana hiasa any ivelany, tsy hoe etsy Comores ka mety handeha botry.
7. Jeankely ( 11/10/2007 09:17)
Izay ilay hoe voa roa sahala ny akoho sady voatsaingoka no voahitsaka=))=))=))
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.274