Marina o

1. kalina80 ( 19/09/2007 06:47)
Nisy mpanompon'Atra iray izay niteny tamiko indray andro hoe : Miadry ny sonian'Atra anie isika vao afaka mifoha sy miaina isan'andro e !!! izany hoe manao sonia eo ambany ny Tompo fa ho velona indray i kalina80 androany.
Izany no tokony hiravoravoantsika isan'andro nohon'ny tombon'andro mbola hahafahantsika miaina.Omeny chance mandrakariva isika hiaiky ny fahotantsika sy hanaraka Azy.
(Fanoharana io ary tena tiako ny fomba nilazan'ilay mpanompon'Atra Azy)
Anjarantsika ny manararaotra izany fitiavan'Atra sy ny fahasoavany izany satria ho avy ny adro mety tsy hanao sonia intsony Izy satria tapitra hatreo.

Ka tsy aleo ve na tapitra hatreo aza ny ety an-tany dia mbola hitohy ho tsara be eo anilan'ilay Nahary toy izay zvt hafa ?

Ny Tompo hombatsika mandrakariva
(l)(l)(l)(l)(l)
novalian'i fijo ny 21/09/2007 20:47
2. Jeankely ( 19/09/2007 06:53)
Ekany ry tonaka
3. mbaliana ( 19/09/2007 07:06)
izy ity tonaka.. zany anie wa ry kalina80
4. diamondra27 ( 19/09/2007 07:06)
asa na misy ifandraisany na tsia fa izany no ilaina ny REVEIL

raha hifoha maraina ianao dia mila fifohazana
fifohazana ara-nofo
fifohazana ara-panahy.

Efa fatantsika daholo ny ilaina ara-nofo rehefa hifoha isika( mandro, sakafo , miova akanjo, miasa sns)
ny adino anefa matetika de ny fifohazana ara-panahy.
Mba omenao sakafo koa ve io fanahinao io rehefa maraina ny andro? mahazo akanjo madio ve izy?

Taminao voalohany nifoha ara-panahy dia nazoto be ery, nafana fo, ary ankehitriny aiza ho aiza izy io izao?

Samia mandinika ny toerana misy azy avy.
AIZa ho aiza tokoa zao ny zava-bitako mihoatra t@iny fotoana nifohazako ara-panahy iny.

Na za izao manoratra izao aza dia mandinintena tokoa.

Aza avela ho faty ny afo-mpanahintsika fa areheto
5. 3grace ( 19/09/2007 09:29)
tena marina zany,tena mila misakafo isan'andro mintsy ny fanahitsika.
Hono oa,taiza kay i Kalina80 no naeno an'zany tenin Atra zany.
Mazotoa @ fitoriana eto e!
6. kalina80 ( 19/09/2007 09:52)
3grace:

tena marina zany,tena mila misakafo isan'andro mintsy ny fanahitsika.
Hono oa,taiza kay i Kalina80 no naeno an'zany tenin Atra zany.
Mazotoa @ fitoriana eto e!

tsy d hoe taiza loatra fa sendra nifampiresaka t@na pasteur iray aho dia izay no nolazainy ahy.Tonga saina aho t@izay hoe zany marina moa.Tena ny Tompo no mandidy ny zvt rehetra eo amintsika;Raha miteny Izy hoe stop ny aina d zay zany kouuuuuu. Tena mila mila mino azy sy manaraka ny lalany izany .

7. boubounezy ( 19/09/2007 10:05)
za alou d misôtra Azy isanandro no ny zava db zay omenAndriamanitra anah ny rivotra ny masoandro ny aina sy z zavaboary retra manodidina anah.
mety tsy d mpandé ampiangonana ngamba fa mavita misôtra Azy lalandava satry ra tsy no Izy tsisy boubounezy.^:^^:^^:^^:^^:^^:^
8. aloalo ( 19/09/2007 10:28)
ne dry akia ny marina ry bounounezy ! manjary tsy mahita sary mahafinaritra zay (feno ireny jiro mitsipipika reny)):°)
9. fijo ( 19/09/2007 19:29)
za tsy mahita sonia izany isanandro ka asa ,fa tsy miandry izany koa aloha fa mikaly de velona e
10. ikaretsaka ( 19/09/2007 20:37)
hafa indray iny.. ny ahy koa manko hoe tombo kase sy hore rehefa tonga ny convocation dia na 1 segondra aza tsy azo kafiriana
11. fijo ( 19/09/2007 20:40)
ka tandremo letsyfa misy sonia isanandro kay hono an
12. ikaretsaka ( 19/09/2007 21:08)
reradreraka ihany andriamanitra @ izany.. neveriko hoe rehefa tonga ny fotoana dia soniaviny ny decret ana convocation dia iny ialahy no lasa..
araka ny nolazainy hoe "aza manahy ny ampitso"
13. fijo ( 19/09/2007 21:22)
izay ngamba mba mety ho vitany fa raha isanandro ve ltsy tsy izy indray no mil ahivavahana sao harary?
14. niryna ( 20/09/2007 05:29)
Toy ny mamboly voninkazo ihany io,maninona ny voninkazo rehefa tsy tondrahana?Malazo,ary mety maty.
Toy izany ihany koa ny finoana raha tsy mivavaka,(midera azy,misaotra azy ary mamaky ny teniny )dia alain'ny satana amintsika izay kely fantantsika.
Izay manambe dia mbola omeny maro ary ampitomboany avo 10,20,100 izany (ny tenin'Atra io,ny fahasoavana nomeny antsika io ka zaraina amin'ny olona toy ny fizarana ny tenin'Atra,ny fanampiana ny olona mitady vonjy ara-batana na fanahy) sns.Fa misy indray izay kely ananay no alaina aminy raha tsy ampiasainao na mamaky ny teniny hianao dia alain'ny satana iny.
Ampiharo amin'ny fiainana:Raha nianatra piano isika dia misosa tsara ny tanana rehefa hitendry,raha tsy nandray intsony fa navela teo,nisy fotoana hitendrena fa mba manimanina.Inona no mitranga fa tsy maisatra ny tanana?
15. Rasiligaoma ( 20/09/2007 05:34)
resaka fiainana (androany rahampitso ary ny afaka segondra 1 manaraka) ny ato niryna fa aza maimaika ny hitory teny aloha
16. Rasiligaoma ( 20/09/2007 05:37)
tsy voatery ho maisatra ny tanana fa mikaviavia kely fotsiny ka.
fa ny talenta ao foana.
raha 10 taona aho tsy nitondra Fiaramanidina dia marina hoe mizatra aloha mandra paha tadidiko ny hoe ity mankaiza sy mankaiza.. fa avy eo tonga dia vonona ny hanidina ..
17. fijo ( 20/09/2007 20:56)
niryna an,raha raketa no tondrahana isan'nadro dia maty .
18. mbaliana ( 20/09/2007 21:35)
nivoaka ny raketa tsy azo tondrahana dite intsony.. hihihi i fijo...:-D:-D:-D:-D
19. fijo ( 21/09/2007 20:47)
ka mila ohatra ko
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4255