Fandika-teny

1. xxx ( 19/09/2007 01:45)
Mba adikao @ teny gasy kely ty ze mahalala:
"Invest in women. Improve the world"
novalian'i booboo ny 20/09/2007 13:33
2. soanja ( 19/09/2007 02:29)
Raha zah ny mandika azy dia hoe:
" Tsy hoe midera vady mahay mandihy fa ao ny sandriny hilaza azy!"
" Toroy ny vehivavy ny lalana mankany amin'ny alan-jozoro fa ho tsihy tsara voatra/rary no androsoany ny sakafonao." Soanja.:):)
3. meva2 ( 19/09/2007 09:20)

Raha tianao handroso ny tontolo dia sahano ny fampandrosoana ny olombelona. Eto dia hoe ny "vehivavy" nefa mino aho fa "olombelona".

Misy teny izay manao hoe:

- Si tu veux récolter dans un an, sème une graine
- Si tu veux récolter dans 10 ans, plante un arbre
- Si tu veux récolter toute la vie, développe les Hommes.



4. sakaizakely ( 19/09/2007 09:37)
Soanja> hainao tsara mihitsy ary ampy tsara ilay fanazavana =D=D=D

asa raha azo mbola fenoina fa ny fandraisako azy dia hoe kolokoloy ny vehivavy raha te hampandroso ny fiainana, izany hoe ny vhv no tena fototry ny fiainana e ! Raha tsisy vhv tsisy taranaka fa fongana ny olombelona. Mendrika hajaina sy kolokoloina tsara ny vhv
5. xxx ( 19/09/2007 11:08)
misaotra ry soanja a
ny an'i soanja no alaiko de anampiana fanazavana azy ny an'i sakaizakely .
merci koa meva
6. soanja ( 19/09/2007 15:51)
xxx> Tsy misy fisaorana. Mazotoa hatrany manandratra ny antsika. :-*:-*:-*:-*
7. booboo ( 19/09/2007 16:21)
" Toroy ny vehivavy ny lalana mankany amin'ny alan-jozoro fa ho tsihy tsara voatra/rary no androsoany ny sakafonao."


mahafinaritra ahy ilay sarin-teny
8. Fiffi ( 19/09/2007 17:14)
booboo: zah njay aia de tena tsy nahazo an !
9. mbaliana ( 19/09/2007 18:31)
ity nisy zavatra henoko e...


- ny lahy hono no lohan'ny vavy (eo amin'ny resaka fanambadiana io)
ary ny vavy zany no inona ?

ny vhv no vozony fototry ny loha mampitodika azy atsy sy aroa :-D:-D:-D
10. booboo ( 20/09/2007 13:33)
:-D:-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.188