Miha-maditra

1. xxx ( 18/09/2007 13:30)
Ohatra ny hitako miha-maditra isan'andro isan'andro izany aho. Lasa ohatra ny tsy mino an'Andriamanitra izany. Nefa tamin'izaho niala tany Madagasikara tena mba olon-kendry kely ery. Tamin'ity taona ity izao aho tsy nahavita rozery na 1 aza. Ilay finoana mihitsy no ohatra ny tsy ananako toy ny taloha izany intsony.
novalian'i fijo ny 21/09/2007 20:55
2. Jeankely ( 18/09/2007 13:38)
Na ny nampiseho ny solon'anarana tsy fantatra aza tsy vita fa natao xxx. Efa tsy tompon'ny tenanao intsony ianao ve sa ahoana? Ianao ihany no mitondra an'io fa aza manaiky ny hoe notaritin'ny Devoly na demony izany. Raha mahatsapa fa tsy olon-kedry intsony dia atao ahoana fa ny sasany aza mitady hevitra hanaporofoana fa izany no tsara. Soa fa ianao ihany dia efa nahay nitsara ny tenanao fa tsy ny hafa. Noho izany ianao ihany no afaka manintsy na manaohy ny lalanao tsy misy mpitarika. Sa mila anjely sa mitady demony?=))=))=))
3. Fiffi ( 18/09/2007 13:38)
tsara rehefa miaky sy maha-tsapa tena enao ....
"xxx":
Ilay finoana mihitsy no ohatra ny tsy ananako toy ny taloha izany intsony.
satria ve tsy mitovy am fivavahanao tany dago ?

heu...nisy fotoana nahazo anaha koh io.....(tam fahoriana nihatra) de tena najanoko io...saingy tonga saina tampoka zah hoe "fa inn ity manjoa ahy" ? teo vao tonga saina hoe "io tsy hanatrehako fotoam-pivavahana io no nahatonga ny fiainako tahak'zao ? de nanomé hery mafy ho ahy ny fivavahana nataoko ary tsy nijanona intsony hatram-zao....

xxx: mahereza mivavaka fa tsy misy afats'io no hanampy anao.....:-*:-*:-*:-*
4. Fiffi ( 18/09/2007 13:40)
Jeankely:

Na ny nampiseho ny solon'anarana tsy fantatra aza tsy vita fa natao xxx. Efa tsy tompon'ny tenanao intsony ianao ve sa ahoana? Ianao ihany no mitondra an'io fa aza manaiky ny hoe notaritin'ny Devoly na demony izany. Raha mahatsapa fa tsy olon-kedry intsony dia atao ahoana fa ny sasany aza mitady hevitra hanaporofoana fa izany no tsara. Soa fa ianao ihany dia efa nahay nitsara ny tenanao fa tsy ny hafa. Noho izany ianao ihany no afaka manintsy na manaohy ny lalanao tsy misy mpitarika. Sa mila anjely sa mitady demony?=))=))=))
aza manao an'zany kosa eh ! isaorana Andriamanitra fa mba tonga saina am zavatra mahazo azy xxx.....


5. ikaretsaka ( 18/09/2007 14:37)
ilay fahatsapana tena aloha dia efa zava-dehibe!
ilay nahatonga saina tampoka anao hoe hoe inona ny manjo anao, tsy nila n'iza n'iza

dia itadiavo fomba hafa ilay fivavahana raha ohatra heo mahakamo anao ny mankany @ vazaha>
ohatra hoe ny raozery anie afaka atao any anaty bus sy metro ohatra e...
tsy voatery hanana fotoana koa ianao hamelatra baiboly(eritrereto heo any @ tany manenjika kristianisme ohatra) fa jereo @ internet hoe inona ny theme androany dia iny dinihina lalina. Afaka jerenao ao @ katolika .org ohatra raha katolika ianao na jereo any @ top chretiens rehetra any..izay tianao e
dia mazotoa dia mifampivavake eo
6. inhbrab ( 18/09/2007 14:51)
xxx:

Ohatra ny hitako miha-maditra isan'andro isan'andro izany aho. Lasa ohatra ny tsy mino an'Andriamanitra izany. Nefa tamin'izaho niala tany Madagasikara tena mba olon-kendry kely ery. Tamin'ity taona ity izao aho tsy nahavita rozery na 1 aza. Ilay finoana mihitsy no ohatra ny tsy ananako toy ny taloha izany intsony.



De hiha-hendry ve sa mbola te hankafy le ditra? Raha te ho hendry de mivavaha amin'Andriamanitra fa izy hanafaka anao, raha te haditra kosa :wink: mivavaha amin'Andriamanitra ihany de lazao azy hoe tena itako matsiro le ditra de miala tsiny fa ho tohizako izy ty ka asa na misy TIANAO HATAO?
7. pissoa ( 18/09/2007 18:05)
xxx:

Ohatra ny hitako miha-maditra isan'andro isan'andro izany aho. Lasa ohatra ny tsy mino an'Andriamanitra izany. Nefa tamin'izaho niala tany Madagasikara tena mba olon-kendry kely ery. Tamin'ity taona ity izao aho tsy nahavita rozery na 1 aza. Ilay finoana mihitsy no ohatra ny tsy ananako toy ny taloha izany intsony.

Be dia be ny zavatra mety mitarika antsika handositra an'Andriamanitra eny amin'ny fiainana andavan'andro eny. Mbola anananao ilay finoana matoa ianao mbola manontany tena amin'ny mahazo anao. Rehefa hitanao fa "miha-maditra" ianao, ary mbola te ho "hendry" dia fantaro ny antony mampatoritory an'ilay finoana. Sao nisy fahoriana, na fisarahan-toerana amin'ny fianankaviana sns aza mety mampalaina antsika ka mampatory ny finoana. Sao nahita fahombiazana be koa, ie - afaka mitarika antsika hiery an'Andriamanitra izany. Sao varivariana loatra, tsy mahay mandamina ny fotoana ... Betsaka e, ianao no tokony mahafantatra ny fiainanao kokoa !

Azo atao koa ny mangataka tsotra izao an'Andriamanitra hoe inona ny problem-ko dia mba omeo sopapa amile solution-ko :-P:-D:-D:-D
8. dadie ( 18/09/2007 18:47)
ny aty an dafy mihintsy no nampiova ny ol maro ,tsy ny rehetra oy aho an ,tany dago hafa mihintsy zany oe mivavaka zany ny aty alefa mail ny fotoampivavahana ,d avy eo alefa sms nefa bola vitsy iany ny mpivavaka ,nisy pastera zay taty aminay niteny oe ny gasy noeveriny fa niampita ranomasina izy d noeverina fa akaiky ny fanjakan'ny lanitra:oops:
9. fijo ( 18/09/2007 20:08)
XXX an,diso be ianao ,fa efa tena miha hendry.
voalohany aloha ,dia tsy mahatsapa tena izany raha maditra.
faharoa,efa mety miditra be amin'ny fiainana ,matoa tsy manampotoana,efa lehibe ireo.
10. majesty ( 19/09/2007 04:40)
fijo::D
11. kalina80 ( 19/09/2007 05:52)
xxx:

Ohatra ny hitako miha-maditra isan'andro isan'andro izany aho. Lasa ohatra ny tsy mino an'Andriamanitra izany. Nefa tamin'izaho niala tany Madagasikara tena mba olon-kendry kely ery. Tamin'ity taona ity izao aho tsy nahavita rozery na 1 aza. Ilay finoana mihitsy no ohatra ny tsy ananako toy ny taloha izany intsony.


marina ny an'ny namana sasany eto.Matoa mbola mahatsapa tena ianao dia mbola misy finoana an'Atra ao fa nihena fotsiny.Aza matahotra na manamelon-tena ianao fa mpahazo ny olombelona izany.Atra dia fitiavana ary mbola te handray anao Izy.Tao anatin'izay fotoana nahatsapanao fa nihena izay ny finoanao dia teo foana Izy anie.Matoa mbola velon'aina ianao dia nohon'ny fahasoavany.Matoa mbola afaka manoratra toy izao ianao dia Izy daholo ny anton'izany.
Tsy voatery tonga dia miditra am-piangonana ianao fa ataovy tsikelikely aloha. Mivavaha, mitadiava an'Atra dia ho itanao Izy;hamaly anao Izy
ho an'ny xxx Tia anao Atra
:-*:-*:-*:-*(l)(l)(l)
12. ikaretsaka ( 19/09/2007 13:29)
fa nisy homelies voavakiko izay..
hoe indraindray hono tena ao anatin'ny ditra no ahitana kokoa an'Andriamanitra
(t@ alahady moa ny fiangonana dia n zaza-pandany no novelabelarina sy natao hahatonga saina)0
13. mbaliana ( 19/09/2007 19:09)
fa i saoly tonga Paoly ve moa tsy ohatrohatry zay?
14. fijo ( 19/09/2007 19:38)
indraindray koa anie le ditra tsy sitrapo fa mba manaraka ny namana fotsiny e.
za ohatra tia toaka,fa mankahala le mamo be ireny
15. ikaretsaka ( 19/09/2007 21:29)
mbaliana> izay ohatra, ry Ragista (Augustin) koa ohatra.

fijo> izay koa ray.. tonga saina any @ le ahoana ny akamako mamo be fa za tsy mamo dia tonga saina eo hoe sao de
16. mbaliana ( 20/09/2007 08:57)
Ika fa naninona koa i ragista? mba tantarao hoe.. s'il te plait
17. fijo ( 20/09/2007 21:03)
ka izay,fa rehefa tonga saina aloha defa tsara izay,ay efa fahendrena lehibe
18. mbaliana ( 20/09/2007 21:40)
efa tonga sain' i lery amin'io dite io e.. mody gisa fotsiny izy io .. hihihi rafijo eee... nitovy aminay ihany ity ianao ny farany...tonga soa e...:-D:-D:-D
19. fijo ( 21/09/2007 20:55)
ka za wa tia na tsy misotro firy aza
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0999