Firenena hafa mivaingana be ny vita na nisy RISORISO aza

1. Jeankely ( 18/09/2007 08:53)
Sanatria tsy filazana ny Risoriso ho tsara. Ratsy ary faran'izay mampihisatra ny fandrosoana ny Risoriso. Voaenjika ny mpanao izany amin'ny tany hafa. Raha jerenao anefa ny zavatra vita na mitsangana lovan'ny taranaka dia tena mivaingana tokoa. Raha tsy nisy Risoriso izany angamba lasa alavitrabe. Tsy sahala izany kosa ny an'ny Malagasy fa sahala ny lanin'ny Risoriso no betsaka hoy ireo mahita sy mihinana azy. Matetika moa ny samy mpihinana sy mpanao risoriso no tena mamoaka ny resaka.
novalian'i Jeankely ny 20/09/2007 07:25
2. sonwin ( 18/09/2007 09:05)
gaigy be io
3. sitlo ( 18/09/2007 13:13)
Omeo ilay ohatra fa mandiso fanantenana. Lasa wala wala fotsiny :-@
4. Jeankely ( 18/09/2007 13:15)
Tena gaigy satria ny fitadiavana hevitra hifampiarovana no mody hidradrana ny ataon'ny hafa. Ny tsy manao sy voadona noho izany indray no mangiana sy mitanaka.
5. sitlo ( 18/09/2007 13:33)
Ilay ohatra ohhhhh, mba mila porofo kely ilay teninao fa izahay ange liana eh.
6. Jeankely ( 18/09/2007 14:03)
Ohatra raha resaka fanamboaran-dalana, fisian'ny herin'aratra na angovo, ny fitaterana hivezivezen'ny olona dia anisany tsy mahavita ary tsy maharaka ny isan'ny mponina ny zava-misy amin'ny tany be risoriso toy i Indonesia.
Raha oharina amin'i Madagasikara kosa anefa dia tena very lavitra be fa na fampitomboina ny isan'ny fiara-manidina aza ahitana olana. Sahala ny ahoana ny isan'ny fiara-manidina miainga sy miditra, ny halehibe sy ny isan'ny serana-piara-manidina sns. Kanefa dia tena hifanenjehina mihintsy ny mpitondra teo aloha satria nanao risoriso be.
7. Kwasi ( 19/09/2007 13:32)
Misy tokoa ohatra Korea du sud, Chine zao be risoriso nefa dia anisan'ny mahavita azy.

Ny aty Afrika atsimon'i Sahara koa be risoriso saingy...
8. nanas ( 19/09/2007 20:30)
Ity indray Jeankely, hm hm
9. Jeankely ( 20/09/2007 07:15)
Izay indrindra no tiako havoaka. Mpanao risoriso ny Indian, Sinoa, Thai nefa mbola mahavita zavatra lavitrabe. I nanas moa vao mahita JK dia io indray hoy izy. Efa tokony ho faty ve JK ry nanas?
10. Jeankely ( 20/09/2007 07:25)
Izay indrindra no tiako havoaka. Mpanao risoriso ny Indian, Sinoa, Thai nefa mbola mahavita zavatra lavitrabe. I nanas moa vao mahita JK dia io indray hoy izy. Efa tokony ho faty ve JK ry nanas?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0404