Sary

1. gasynamana ( 17/09/2007 13:14)
Mahagaga ahy fa izaho no mijery sy mibanjina ny Sarin'i Jesoa, dia ny hafa no mandon-tratra milaza mangata-pifonana amin'i Jesoa sy ny Rainy fa hoe: manompo sampy aho.

Fantatrao ve anefa izay ao am-poko no manao izany ianao? Moa fantatrao koa izay lazain'i Jesoa amiko? Mahagaga ahy fa ianao milaza amiko fa tsy mety ny ataoko, ary mitanisana tenin'Andriamanitra maro amiko manambara izany. Nefa i Jesoa miresaka amiko mbola tsy nandrara ahy mihitsy hoe rehefa mivavaka amiko ianao dia aza mijery ny sariko, na hoe ario sy dory ireo sary ireo fa ratsy. Izy aza nilaza tamiko hoe: ny trano izay misy ny sariko dia hohasoavina (ao amin'ny boky: resaka amin'ny fo masin'i Jesoa). Mbola namafisin'i nyrina koa izany indray andro tamin'ilay fanoharana nataony hoe: izay mandray ny zanako no ho tompon'ny rehetra. Ilay zanany anefa tsy teo intsony fa ny sariny no notondroiny tamin'izay. Misaotra anao.

Tiako i Jesoa sy izay momba azy rehetra: ny Reniny, ny anabaviny, ny rahalahiny, ny endriny, ny sariny.
novalian'i fijo ny 18/09/2007 20:44
2. sitlo ( 17/09/2007 13:19)
3. Fiffi ( 17/09/2007 13:24)
"gasynamana":
Tiako i Jesoa sy izay momba azy rehetra: ny Reniny, ny anabaviny, ny rahalahiny, ny endriny, ny sariny.
sitlo: de zay hono koh !
4. ikaretsaka ( 17/09/2007 13:48)
sitl> de... inona no mba eritreritr'ela momba izay fiheveran'i gasynamana izay hono ko?

Gasyn> marina mihitsy izany, Tsy natokana ho an'ny mahay mamaky teny irery Andriamanitra,
Raha tsy mahay mamaky teny aho nefa voatantara an-tsary sy amin'ny sary no mahatonga ahy ho inspired kokoa.. inona no olana?

tsy azo atao izany ny nataon'i salomona ao @ Boky voalohan'ny Mpanjaka 6:22-29
sy ny hafatr'Andriamanitra ao @ Exod(os)y(Ex. 31:1-6 sy ny tohiny)
5. ikaretsaka ( 17/09/2007 13:50)
aza izay tiana ihany wa rehefa miresaka finoana fa izy rehetra!
6. sitlo ( 17/09/2007 14:13)
Hay ve, ohatra ny hoe kabary tsy valiana ilay izy koa.

1- dia niresaka taminao tokoa ve Jesoa sa ianao no nandinika sy mitsara ny eritreritrao. Ka raha tsara aminao ilay eritreritra dia hoe Jesoa izay.

2- Izy kosa ary izany mba mivavaka ho anao (miteha-tratra) dia ianao indray no landy mohaka.

Amiko aloha ny filirony manaraka eny foana eh. Fa Samaritanina tsara fanahy no tena fototra eh.
7. pissoa ( 17/09/2007 14:25)
raha vitan'ny nivavaka moa ka maninn ry Sitlo ! Ooops, hay moa samy manana ny mivavaka tiany resahina koa io koa :oops::oops::oops:
8. tsaramaso ( 17/09/2007 14:26)
sitl> de... inona no mba eritreritr'ela momba izay fiheveran'i gasynamana izay hono ko?
de ... kiano izy !!!!! hahahaaahaha ah!!!
9. Fiffi ( 17/09/2007 15:11)
fa nahoana no ho kianina izy ? ady hevitra ny eto....
10. ikaretsaka ( 17/09/2007 15:23)
nga tsy hoe jerena ny mampitombina na tsia ny fiheviny dia omena fihevitra hafa izy hodinihiny sy halalininy rehefa misy tsy mazava sy hevitra heverinao fa diso momba ny lazainy ko, :roll:
nga moa tsy izany no hoe miady hevitra?
11. Kwasi ( 17/09/2007 18:01)
Fa fanontaniana ve no apetraky gasynamana sa torapo masina?
Raha fanontaniana dia inona ilay izy? Toa hoatry ny mamaly daholo ny rehetra nefa tsisy question akory.
12. ikaretsaka ( 17/09/2007 23:14)
kwasi: fanontaniana ka! fantatrao sa tsy fantatrao hono!

Fantatrao ve anefa izay ao am-poko no manao izany ianao? Moa fantatrao koa izay lazain'i Jesoa amiko? Mahagaga ahy fa ianao milaza amiko fa tsy mety ny ataoko, ary mitanisana tenin'Andriamanitra maro amiko manambara izany. Nefa i Jesoa miresaka amiko mbola tsy nandrara ahy mihitsy hoe rehefa mivavaka amiko ianao dia aza mijery ny sariko, na hoe ario sy dory ireo sary ireo fa ratsy. Izy aza nilaza tamiko hoe: ny trano izay misy ny sariko dia hohasoavina (ao amin'ny boky: resaka amin'ny fo masin'i Jesoa). Mbola namafisin'i nyrina koa izany indray andro tamin'ilay fanoharana nataony hoe: izay mandray ny zanako no ho tompon'ny rehetra. Ilay zanany anefa tsy teo intsony fa ny sariny no notondroiny tamin'izay. Misaotra anao.
13. fijo ( 18/09/2007 20:44)
stilo an,ny fivavahana anie ka kabary tsy valiana efa hatry ny ela e.fa tsy vao izao.

gasy akama an,le fitsarana aloha ,iny resaka "forme" no mahatonga ny olona hitsara.
aza hadino fa rehefa manao zavatra iray dia misy foana ny "forme" sy ny "fond"
ny ety ivelany dia ny forma no hita.de eo aloha izay te hitsara mamely ny azy eo.iny ny mpino koa mampiasa io fitsarana forme io mazana.io le fitsarana ivelany;

ny fond,ao no tena izy.nefa io an'ise irery.ary io,tsy handairan'ny fitsarana ka dia ise no mahita azy;asiana forme ve le fond sa ajanoko ho fond fotsiny de ahy irery????
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3981