Ny tsara sy ny ratsy

1. xxx ( 17/09/2007 09:49)
Sady mamaly an'ilay fanontanian'i fijo ihany ity no eritreritra mandalo dia ataoko size vaovao.

Mazava kosa angamba aloha fa tsy voatery misy baiboly na pasitera vao afaka hahalala ny tsara sy ny ratsy ny olona. Na mino na tsy mino. Rehefa misy baiboly indray, dia hita confirmé ao fa ilay voankazo no nahatonga an'izany.

Fa rehefa eritreretina toa aleo ihany marina tsy mahalala ny tsara sy ny ratsy an ! Eritrereto hoe miboridana daholo ny sipa kanefa tsisy an'izany hoe ratsy ny mijangajanga na mangala-badin'olona ... :)
Afaka mamonjy Salon any Frankfurt ohatra dia entina mody ilay lamborghini milay be iny, fa tsisy an'izany hoe ratsy ny mangalatra :)

... aoka fa sao dia misy manao mody tsy mahalala ny ratsy eo :wink:
novalian'i Fiffi ny 17/09/2007 15:28
2. Fiffi ( 17/09/2007 09:57)
xxx:

Fa rehefa eritreretina toa aleo ihany marina tsy mahalala ny tsara sy ny ratsy an !
de manana sosokevitra ve xxx am io ? :roll:


3. xxx ( 17/09/2007 10:11)
Fiffi koa angaha tia an'ireny lamborghini ireny ? :D
Raha mba azo natao manko hoe averina aloa ilay voankazo an ... :wink:
4. xxx ( 17/09/2007 10:12)
xxx2 aho,

Fiffi> fa angaha tsy maintsy maneho soso-kevitra rehefa mampiditra hevitra? azo atao koa ange ny manoratra hevitra hampieritreretana ny tsirairay fotsiny e!Ilay mampiditra sizé rahateo tsy mametraka fanontaniana.

azafady fa HS kely fa hafa kely ilay fanohizan'i Fiffi ilay dinika.
5. hery ( 17/09/2007 10:45)
:-)

Misy fotoana izay tsy hahalalana ny ratsy sy ny tsara kah. Rehefa zazakely ohatra. Fa aleoko ihany lehibe :-)

Indrisy fa misy ny lalàna izay hiteny hoe "Nul n'est censé ignorer la loi" (ahitsio raha diso). Mety tsy ho diso ianao raha tsy mahalala ny lalàna (izay mamehy hoe izao no tsara ary izao no ratsy) kanefa dia ho "meloka"

6. ikaretsaka ( 17/09/2007 11:42)
dia tandremo tratra ara: fa misy tsy naninona tratra ihany, misy tena nanao zavatra ratsy be fa tsy tratra mihitsy..
ohatran'ny arbitre @ baolina e, tsy naninona tsy naninona ianao omeny faute, misy fotoana koa namely be ianao nefa tsy nomeny! :-D
hafahafa, fa izany anefa!
7. xxx ( 17/09/2007 11:45)
i Hery miteny amin'ilay contexte hoe efa voahinana ilay voankazo, dia efa mahalala ny tsara sy ny ratsy ko :)

Raha ohatra nge tsy nahalala ny tsara sy ny ratsy, na ireo mpanao lalàna aza ho tsy nahay izay lalàna hatao akory e! ho tsy fantany akory tsinona izay tsara sy ratsy :)

Ny zazakely izao mbola tsy mahay izay tsara sy ratsy, jereo fa sambatra ery :) Saingy indrisy fa efa voaheloka koa izy hahalala rehefa tonga saina :^)
8. Fiffi ( 17/09/2007 15:28)
xxx:

Fiffi> fa angaha tsy maintsy maneho soso-kevitra rehefa mampiditra hevitra? azo atao koa ange ny manoratra hevitra hampieritreretana ny tsirairay fotsiny e!Ilay mampiditra sizé rahateo tsy mametraka fanontaniana.
heu...ka raha ohatra ka misy ny sosokevitra de haroso koh ! vao maika tsara sa.....?


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 2.6888