vadin'ny pasitera

1. petakorona ( 15/09/2007 15:16)
mba te-hahalala hoe: inona ny tena anjaran'ny vadina pasitera manolona ny fiangonana, tsy mifidy na finoana inona fa rehefa azonareo omena hevitra fotsiny dia efa mifaly?
Afaka miasa manao asa hafa ve izy toy ny vehivavy manana asa aman'andraikitra rehetra ireny?
novalian'i fijo ny 18/09/2007 21:17
2. kalina80 ( 15/09/2007 15:37)
Raha mijery ny vadina pasitera hitako h@izay aho dia izy ireo dia manana andraikitra maro eo anivon'ny fiangonana.Toa mihoatra noho ny an'ny pasitera mihitsy ary indraindray.
Ankoatra ny fitondrana am-bavaka ny fiangonana sy ny fampaherezana ny vadiny isan'andro @ asan'Atra dia misahana fikambanana maro ao am-piangonana izy ireo.Toy ny fikambanam-behivavy sns......
Tsy voatery anefaizany fa samy manana ny fisainany sy ny fahazotoana manao ny asan'Atra io.
Ny zvt tiako ambara fotsiny dia ilaina raha tena aram-panahy ny vadina pasitera satria araka ny maha mpivady azy ireo dia mifameno izy.
3. niryna ( 15/09/2007 16:13)
kalina80:

Raha mijery ny vadina pasitera hitako h@izay aho dia izy ireo dia manana andraikitra maro eo anivon'ny fiangonana.Toa mihoatra noho ny an'ny pasitera mihitsy ary indraindray.
Ankoatra ny fitondrana am-bavaka ny fiangonana sy ny fampaherezana ny vadiny isan'andro @ asan'Atra dia misahana fikambanana maro ao am-piangonana izy ireo.Toy ny fikambanam-behivavy sns......
Tsy voatery anefaizany fa samy manana ny fisainany sy ny fahazotoana manao ny asan'Atra io.
Ny zvt tiako ambara fotsiny dia ilaina raha tena aram-panahy ny vadina pasitera satria araka ny maha mpivady azy ireo dia mifameno izy.

miombpkevitra.
Misy izy mianatra eny ankatso maka izay fahaizana noratoviny,mila mitandrina izy fa izy no arahin'ny olona maso toy ny vadiny izay mitondra olona.Mora potraka sy mora ho an'ireo ampiasan'ny satana mantsy ny mamotraka sy manome fahakivina ny olon'Atra.Saingy tsy fantany fa izy manenjika ihany no hianteheran'Atra ny fahatezerany.
Mitovy ny olon-drehetra izy fa mampahery raha diso fanantenana ny vadiny fa tsy nahomby sy nisy naka ny tenin'Atra ka nampiditra azy any amin'ny lalakanfa,mampiarina raha mianjera na potraka ny vadiny,ary amin'ny maha hoe tsara ny roa no iray,mahery ny satana satria tsy tiany hanaraka azy ny ondrin'i kristy dia ny miara-mivavaka,mangataka hery sy fampaherezana avy amin'Atra izy mivady.
Toa izany ihany koa isika rehetra,mifampahery sy mifampivavaka fa tsy hifankahala sy hifanome soketa.

4. ikaretsaka ( 15/09/2007 17:25)
toa ohatran'ny anjaran'ny masera eo anivon'ny fiangonana ihany io ko..

fa ny maha samihafa azy, izy mbola mamalifaly ny vadiny sy mikarakara ny tokantranony
5. petakorona ( 15/09/2007 18:32)
misaotra anareo 3 dahy nizara hevitra
raha ny fahazoako azy izany dia natao hiasa ho an'ny fiangonana ihany izy ireny fa tsy hanao asa ivelany satria mety tsy hanam-potoana @izany.

miala tsiny fa be fanontaniana e!
ny pasitera moa izany dia manana école ho azy ireo.
Eto anefa dia voalaza fa manana andraikitra mihoatra lavitra noho ny pasitera ny vadiny, ka moa ve manana école koa izany ry zareo vadina pasitera sa dia fiofanana fotsiny?
6. ikaretsaka ( 15/09/2007 18:51)
euh.. raha ny marina dia tsy manana...
ilay fiofanana koa dia tsy haiko...
:oops:
dia raha tena ny marina koa
ataoko fa misy tsy niofana koa ilay vadina pasitera any ambanivohitra lavitra ireny.
ohatra hoe efa pasitera i pasitera vao nahita an-dramatoa tany @ faritra niasany tany ohatra.
fijery ivelan'ny "vadin'i pasitera" anefa ireo fijeriko ireo
saingy kosa fijery mifandraika @ zava misy
7. ravakamalala ( 15/09/2007 21:18)
ikaretsaka:
a ny maha samihafa azy, izy mbola mamalifaly ny vadiny


:-D:-D:-D
8. ikaretsaka ( 16/09/2007 00:41)
izay dia faly erry.. izay aloha no mazava sy mahotsy kosa ko
9. Bita ( 16/09/2007 03:06)
Misy ny fianarana toy ny FJKM ohatra mila mpampianatra. Matetika ny vadina Pasitora mba mahazo mampianatra ao koa. Fa betsaka koa ny vadina Pasitera toa afaka miasa mpanjakana na mpanjaitra fa na mpivaro-boky toy ireny soratra masina rehetra ireny izany hoe mety ekena ihany ny hananan'ny vadina Pasitera asa ankoatry ny fanohanany ny vadiny @ lafiny rehetra. Ka raha te ho vadina Pasitera ianao dia aza mihevitra hoe ao an-tokatrano fotsiny fa mafaka manao zavatra maro be ianao. Mahereza
10. mirana5 ( 16/09/2007 07:07)
Dia mahazo karama ve izy manao an'izany sa dia :roll: fotsiny eo , marina fa tsy vola foana ny fiainana, fa na dia zany kosa aza, mba mila mampihakatra nyfari-piainana ihany ndraindray!
11. petakorona ( 16/09/2007 07:18)
tena raharaha be tokoa izy izany an!
ny vady vonjena, ny ankizy vonjena, ny tena vonjena, ny fiangonana vonjena , ny asa vonjena
tena mila olona matotra be izy izany an!

de ireny vadina pasitera any ambanivohitra araka ny filazan'i ika io izany izao dia ahoana ny fomba ataony sa mety le vadiny no mampianatra azy aloha vao manao pratique izy.
mirana5: marina tokoa aloha izany satria raha hoe: pasitera aza ny vadin'ny tena dia indraindray toa misy fotoana tsy mahazo vola akory io pasitera io dia mba madama no mampidi-bola @zay fotoana zay.
Nefa koa toa misy mamaly hoe:e e e fanompoana ny Tompo io ka dia mionona @izay misy eo.




12. patrick2002 ( 16/09/2007 11:13)
hanambady pasitera ngaha raha petakorona ?
13. andry08 ( 16/09/2007 12:10)
Be asa be ny vadin'ny pasitera fa tsy hoe mijanona ao an-trano fotsiny. Asa be fa tsy maintsy eo foana rehefa alahady, ny asbotsy rehefa misy fivorianan na répétition n'kôraly sns... Miaraka @ diakona, manao famangianan'ny marary, ny misy voina. Izy aza no miasa noho ny pasitera an! Miampy ny ao an-trano sy ny ankizy!
14. fijo ( 18/09/2007 21:17)
nahoana izy no tsy hoafaka hiasa ivelan'ny fiangonana????tsy izy nanie no pasitera fa ny vadiny e.ny tena asany ngamba dia ny fanampiana ny vadiny ahavita tsara ny asany.nefa tsy manakana azy hiasa ivelany io raha misy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4055