Fa inona no tsy mazava aminao no mbola silamo foana ??!!!

1. tsaramaso ( 15/09/2007 03:39)
Andriamanitra i Kristy !!!!

mipitsiha tany @ silamo tany de ento daoly ze zaka e !!!!!!!!
novalian'i pissoa ny 15/09/2007 16:57
2. Rasiligaoma ( 15/09/2007 03:46)
Ankoatran'ny maha Andriamanitra azy: fitiavana koa i kristy ary izany no notoriany ..tiavo ny olona rehetra fa aza ankahalaina.. izany ny oha-piainana nasehony!
"fa izy hatrizay no tia.."

ka lasa ihany ny saiko hoe ahoana i tsaramaso milaza azy ho kristianina ity nefa ny toetranao feno fankahalana?

soa ihany aho fa efa nahalala an'i kristy talohan'ny nitorianao teny tamiko

fa raha ny fomba fitorianao, ka lasa any amin'ny tany ataontsika hoe tsy mahalala n'iza na iza ianao sy silamo ka miara mitory, dia ho betsaka ihany no hiala an-daharana tsy ho kristianina fa hivadika silamo. fa ny torianao hafa, ny ataonao hafa:roll:
3. tsaramaso ( 15/09/2007 03:55)
Mitsaratsara foana !!!!
Sady mivoan-dresaka => tsy idirana lalina !!!!!! Sa hasiana topic tsaramaso indray ??!!!
4. Rasiligaoma ( 15/09/2007 04:22)
mitsaratsara foana sa milaza ny marina manindrona?
5. Jeankely ( 15/09/2007 05:32)
Topic tsaramaso topic mitady ady ary mitady ny tsy hisian'ny fandriampahalemana. Aza maika fa ho avy tokoa ny fiketrehana tsaramaso.
6. mbaliana ( 15/09/2007 07:36)
adalana koa anie ry zareo ny mamaly an'itony olona tsy mahalala ny zavatra teneniny itony e...raha vao valiana itony dia vao maika izy hanitatra any amin'ny lalany diso vao maika pire.. efa noteneninareo izy tany amin'ny dinika hafa tany... dia avelao eo amin'izay ... ho tonga saina izy tsara.. rehefa midoika amin'ny heviny irery any izy aleo izy any fa mbola tsy tonga angamba ny fotoana hahatongavany sainy..miverina ho azy eo ihany izy rehefa hitany ny lalana ...
7. rakaroka ( 15/09/2007 07:55)
tsaramaso:

Andriamanitra i Kristy !!!!

mipitsiha tany @ silamo tany de ento daoly ze zaka e !!!!!!!!


Tahaka itony ve no antsoina hoe "kristiana"?:roll::?:
Marina ny tenin'ny namana etsy ambony hoe "ipitsiho any"
8. gasynamana ( 15/09/2007 08:18)
Raiso i Krsity dia ivelomy ny teniny, raha Kristiana marina ianao.
9. Fiffi ( 15/09/2007 08:51)
tsaramaso:

mipitsiha tany @ silamo tany de ento daoly ze zaka e !!!!!!!!
samy manana ny azy io kah ! raha ny silamo no tiany de hajaina am-safidiny izy.....
heu...mino zah fa olondehibe tonga saina ireny ka nisafidy an'io....izay mahatsara ny anao atao....ny azy manko nataony io .....


10. pissoa ( 15/09/2007 16:57)
tsaramaso:

Andriamanitra i Kristy !!!!

mipitsiha tany @ silamo tany de ento daoly ze zaka e !!!!!!!!

Angaha kosa rehefa mazava daholo moa dia tsy maitsy inoana e ? :-D:-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3438