Taona 2000 Etiopia

1. ikaretsaka ( 14/09/2007 16:22)
(efa resaka atsy ihany moa ity fa aleo hataoko sujet hafa ato)
mankalaza ny taona 2000 ny Fiangonana Orthodoksa Ethopien izao:

Fa asa raha fantatrareo
ny Kristianina any Etiopia (karazana orthodoksa= Ethiopian Orthodox) dia ity taona ity koa no taona 2000 any @ ndry zareo

Izy ireo dia mampiasa ny Kalendrier Julian (narindran'i Jules Cesar t@ andron'ny Romanina ) fa tsy ny kalendrier Gregorian (noforonin'i masindahy Gregoire sy Md Justin ) araka izao ampiasaintsika izao.

Ny azy misy 13 eme mois (izay dimy andro io volana faha 13 io) fa tsy misy ilay 30 sy 31 miverimberina be iny. lasa i andro io rehefa anee bissextile
dia misy fahatarany kely 7 taona vokatr'izay!

fa kristianina ireo satria mino an'i Kristy!

Izy aby izany!

Dia tratran'ny Taona ho an-dry zareo koa e
(Efa mivelatra ivelan'ny borne ho'zy i hery ka tsara ihany ny ahalalana izany)
2. Kwasi ( 14/09/2007 17:59)
Ka afak'omaly mihitsy ry zareo no nankalaza ny taombaovao miditra ny taona 2000.
Ka dia samy ho tratry ny ho avy hono e
3. ikaretsaka ( 14/09/2007 18:00)
dia ny Rastafari, na mifanohitra tanteraka @ orthodoxe aza, dia nindrana io fomba fanisana andro io koa!
4. fijo ( 14/09/2007 19:39)
ekeko fa manana ny fanisany izy,ny jiosy koa vao hafak'omaly no niarahaba tratry ny taona vaovao.
fa inona no dikany raha toa ianao ka miaina amin'izao tontolo izao.ny taratasy ampiasaina dia ilay daty hoan'ny rehetra no ampiasaina.
izay le lazaiko hoe io finoana io indraindray ratsy noho ny toaka
5. menalamba ( 14/09/2007 21:54)
:^):-D 'zany an...:-D
6. fijo ( 14/09/2007 22:03)
kozy e,izao vehianao vao ho 2000 ,de maninona koa raha atao daty 2000 daholo ny taratsy momba ny varotra sy ny karazany???de ho hita eo ny vokany
7. rabilabila ( 14/09/2007 22:41)
Ary izaho tsy nahita antsika nifampiarahaba tamin'ny Alahamadybe sa izaho no diso ?
8. fijo ( 14/09/2007 22:46)
aleo letsy hoany iny aloha,fa soa fotsiny rehefa mbola hay fa misy izany an
9. ikaretsaka ( 14/09/2007 22:53)
ka na ny taokany aza manana ny karazany koa. ohatra hoe itony wisky de intony ambodivoara dia itony jama dia intony divay sy labiera.
raha any ethiopie ialahy dia misy datin'andro 2 ny taratasy ka.

Ny gasy taloha koa jereo..fa misy datin'andro 2
ny sinoa koa!
ny eo @ tsangambato eo antaninarenina ohatra... misy eo hoe vava asorontany sns.. sy ny daty vazaha
10. fijo ( 14/09/2007 22:59)
izay angaha,raha izay indray aloha de tiako e
11. Bita ( 15/09/2007 00:43)
efa t@ 11 Septembre sa 12 anie no nahatsiarovana io 200 io fa ny any Eropa ny volana Septembre iray manontolo no hankalazana ny fitsingerenana ireo firenena nahazo ny fahaleovantenany koa. Teny atsipy fotsiny io. oh: 01.09, 06.09, 22.09, 30.09 ireo daty fahaleovan-tenan'ireo firenena any Afrika ka miaraha faly @ izy ireo raha mety e!.
12. fijo ( 15/09/2007 00:56)
hiodina le tantara izany
13. mbaliana ( 15/09/2007 09:13)
ka tsy ny taloha ihany no ankehitriny fa misy fiovana koa...heureusement
14. xxx ( 15/09/2007 10:02)
Fijo a mba vakio ihany ny baiboly e! fa ity faminaniana ity efa tanteraka ankehitriy Daniela 7/ 25 ary hiteny hanohitra ny Avo Indrindra izy sy hampahory ny olomasin'ny Avo Indrindra ary hitady hanova fotoana sy lalana ... tsy fanisana andro jiosy na izay voasoratra tao anaty baiboly intsony ankehitriny e! fa lasa Eropeana
15. Rasiligaoma ( 20/09/2007 05:52)
fa avy aiza kay ilay europeanina no nianatra nanisa andro?
mino aho fa tsy vokatry ny magie kosa e!
hoe tampota teo dia iny fa nisy calendrier koa!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2162