Tany Meksika

1. sitlo ( 13/09/2007 14:19)
Sao dia misy mahay ny tonon'ilay hoe:

Tany Meksika
tany antsimon'i Amerika
nisy jiolahy masika

Ary tena sahisahy
tsy mivavaka ry lahy
ratsy saina sy fanahy

Na alika na kisoa
Na ny vorona na ny akoho
Nangalariny avokoa

o o o oooo

Dia tsy haiko ny tohiny
novalian'i sitlo ny 26/01/2013 09:00
2. Samoana ( 13/09/2007 15:09)
izao no kely tadidiko:wink:;

" Fa tany meksik'izay
nisy olona mahay
kanjo tena gaigilahy...

( misy trou ny disque dur-ko fa miverina eto za rehefa restauré ny systeme....nerveux:-D . Tena hira noreveko koa anefa ity rainivoanjo mexikana ity)

3. ratonga ( 13/09/2007 16:16)
Tany Meksika
tany antsimon'i Amerika
nisy jiolahy masika

Tena bandy gaigy lahy
Tsy mivavaka ry lahy
Ratsy saina sy fanahy

Nangalariny avokoa
Na alika na akoho
Na ny gisa na kisoa

El bandido....

Indray andro anefa izy
Ra nanao ambozizy
Tamy volan’ny eglizy

De nalain’ilay mopera
Ny polisy komisera
Basy sy revolivera

.
.
.
.
4. Samoana ( 13/09/2007 16:44)
.... Fa izy kinga sy mahay
ka tsy azo intsony hatr@ izay...
5. lanto ( 13/09/2007 17:26)
Tany Meksika
any atsimon'ni Amerika
nisy jolahy masiaka

tena bandy gaigilahy
ratsy saina sy fanahy
tsy mivavaka ry lahy

nangalariny avokoa
na ny gisa na ny akoho
omby na kisoa

el bandito...

tiana koa ny manambara
fa ny zavatra hainy tsara
dia ny hira sy gitara

ny kalony mambabo fo
fa manga feo tokoa tokoa

Indray andro anefa izy
raha nanao ambozizy
tamin'ny volan'ny eglizy

dia nalain'ilay mopera
ny polisy komisera
basy sy revolvera

dia voasambotra zareo
ity mpihira tsara feo
tsy nilàna mpitoreo

dia natao ny fitsarana
ka voaheloka avy hatrany
hovonoina ilay mafana

rehefa samy vonona
hitifitra azy ny olona

Dia nangataka hiteny
ilay mpangalatra fahiny
ka iza no nolazainy

raha ho vita ny tantarako
azafady mba hany hafarako
azafady ny gitarako

dia nihira teo ilay izy
ka variana izay y izy
na lehibe na ny ankizy

la la la la

Tsisy basy iray nipoaka
fa variana ny vahoaka
d'izy lasana nitsoaka

Nanenjika azy ihany re
ireo vahoaka marobe

Fa izy kinga sy mahay
ka tsy azo intsony hatramin'izay!

Io no fitadidiako azy fa asa raha marina, dia mazotoa mihira ary :-) Fa iza moa no mpihira azy teo ?
6. lanto ( 13/09/2007 17:27)
Nangalariny avokoa
Na alika na akoho
Na ny gisa na kisoa


ohatrany io marina no izy :-)
7. sitlo ( 13/09/2007 18:46)
misaotra an-dRatonga sy samoina sy lanto eh. Tapaka mihitsy ny tsinaiko =))=)) kay mampihomehy iny hira iny eh :-D :-D :-D
8. ikalamako ( 13/09/2007 19:58)
=D=D=D=D=D daholo izay nameno ny tonony fa tena mba haiko io hira taloha fa tena tsy ny disque dur no misy trou fa tena ny mémoire mihitsy kle. Miverina tsikelikely izy izany. Tsisy toa izany ny fitatatatan'ny radio taloha rehefa mandeha i El bandito.
9. sitlo ( 26/01/2013 09:00)
Hitako tao amoin'ny youtube

[center][/center]
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5051