Ny fisaraham-panambadiana ilàko ny hevitrao !

1. Taniko ( 11/09/2007 09:11)
Ny Autorisation de séparation de corps ve = Acceptation de concubinage :?:? :arrow:Tsy mety azoko ny anton'ny handavana izany. Manao ahoana ny fonctionnement an'ny tribonaly (ireo mpitsara)raha nanapaka hevitra toy itony izy ? Ny tena tsy maina fa lena ary dia mba misy filàna ihany koa. Matoa tsy miara-mipetraka intsony efa tsy hety ary matoa misy fisarahana efa misy (? ? ?) hatao hasolo nefa tsy azo hiaraha-mipetraka akory ! Tsy mampalahelo ve izany ?:?
2. notron ( 11/09/2007 10:02)
Salut!
Somary misy fifangaroana kely ihany aloha izany resaka izany raha ny fahazoako azy e!
Ny lalàna Malagasy aloha no mba misy fantatro kely an!
Ny concubinage dia olona roa miara-mipetraka ka miaina toy ny mpivady, mety hisy zanaka, sns...
Izany hoe olona roa mifankatia ary miara-mihary.
Voafehy ary arovan'ny lalàna izy ireo na dia tsy voasoratra ara-panjakana aza satria eken'ny fiaraha-monina ny fiarahany ao.
Ny séparation de corps indray kosa dia olona roa mpivady mitady fisarahana, na avy amin'iza na avy amin'niza no fototry ny fisarahana dia tsy maintsy mandinika aloha ny Fitsarana. tsapaina ireo olona roa ireo hoe tena vitany tokoa ve ny misaraka, izany hoe ala-nenina no atao mialoha ny hamafana tanteraka ny soratra.
Tsy maintsy misy fehin-teny apetraka amin'ny fitsarana anefa amin'izany ka rehefa hita fa tsy mety intsony dia fafana amin'izay.
Raha voafafa tenteraka moa ny soratra dia afaka manao concubinage indray izy roa.
Ny anton'izany rehetra izany dia ny mba ampitandremana ny olona rehetra mba handinika sy hamakafaka tsara aloha vao miroso @ fanambadiana fa tsy vitan'ny hoe tiako izy de zay! na ny hoe bevokany aho ka tsy amelako izy raha tsy maka vady ahy, sns...
Izay no kely mba fantatro fa mahazoa ny rariny raha sendra izany ianao.
3. fijo ( 11/09/2007 22:00)
raha aoko ilay tianalazaina dia izao.
rehefa misy ve ny fisarahantoerana amin'y X sy Y ,tsy midika ve izany fa efa hafaka manao concubinage ny iray amin'ireo? hitsio aho raha diso.

ny fisarahantoerana aloha tsy midika hoe fisarahana.raha ny lalana io.noho izany raha manao concubinage i X na i Y dia tsy mbola atao ofisialy aloha io,sao lasa divorce pour faute ka ratsy kokoa ny vokany .
4. ikaretsaka ( 11/09/2007 22:36)
ary raha teraka ao?
5. Taniko ( 12/09/2007 19:49)
notron:

Manahirana be ihany koa izany ! Tsy tena mampihaiky ahy loatra ny tsy haneken'ny lalàna fa rehefa nisy ny ordonnance de non conciliation manaiky ny fisarahan-toeran'ny mpivady ! Dia ohatran'ny hoe voasazy izany izy ireo mandritry ny fotoana maro tsy voafetra mandra-pamohan'ny tribonaly ary anekeny sy hamoahany ny grosse ? Haharitra hafiriana ? Nefa anie dia fantatra izao fa tsy hiaraka intsony ilay mpisaraka é ! Henjana be ny lalàna raha ohatr'izany satria ohatran'ny hoe hoentina hamaizana ny olona fa tsy mba hoentina hanatsarana ny fiaimpiainan'ny olona ! Tsara fantatra daholo izany ary misaotra tamin'ny valin-teny.

6. Taniko ( 12/09/2007 19:55)
fijo:

raha aoko ilay tianalazaina dia izao.
rehefa misy ve ny fisarahantoerana amin'y X sy Y ,tsy midika ve izany fa efa hafaka manao concubinage ny iray amin'ireo? hitsio aho raha diso.

ny fisarahantoerana aloha tsy midika hoe fisarahana.raha ny lalana io.noho izany raha manao concubinage i X na i Y dia tsy mbola atao ofisialy aloha io,sao lasa divorce pour faute ka ratsy kokoa ny vokany .

Ka izany anie no mampanahirana azy é ! Ny lalàna milaza fa mahazo misara-toerana i X sy i Y nefa samy tsy misy anjely izy ireo ka haharitra ny mena miraviravy ! (fomba fiteny gasy io an !) Izaho kosa angamba no diso hoe réaliste loatra ary tsy mahita ny literatioran'ny mpahay lalàna izay mifehy ny fiaraha-monina !

7. Taniko ( 12/09/2007 20:03)
ikaretsaka:

ary raha teraka ao?

Raha ny hevitro dia azon'izy roa atao tsara ny manoratra ny zaza aminy. Zon'ny ankizy ny mana-dray aman-dreny ary heveriko fa tsy hisy olana eo anatrehan'ny fanjakana satria isan'ny fananam-pirenena tsy maintsy harovany ny olona tsirairay hatreo am-pahaterahana mandra-pahafatiny. Ireo ho mpandova no hanisy olana satria ao ny tsy te hifampizara amin'itsy na iroa sns... Nefa ny mpahay lalàna tsy maintsy mahita hamaliana izany indray izao !
8. andry08 ( 12/09/2007 21:04)
Koa rehefa misaraka mainona no tsy manao divorce dia "sain" kokoa ny fiarahana @ olona hafa no ndeha hanao concubinage? Ny pension sy ny forongony dia very raha vao miaraka @ olon-kafa nefa tsy divorcé .
Ka inona ny antony hitazonana ilay efa ho lasa rehefa be filana???
9. Taniko ( 12/09/2007 21:17)
andry08:

Koa rehefa misaraka mainona no tsy manao divorce dia "sain" kokoa ny fiarahana @ olona hafa no ndeha hanao concubinage? Ny pension sy ny forongony dia very raha vao miaraka @ olon-kafa nefa tsy divorcé .
Ka inona ny antony hitazonana ilay efa ho lasa rehefa be filana???

Andry08 à !

Ka mandra-piandry ny prononciation ny divorce indrindra anie no mahatonga ny fanontaniana é ! Ny vy tsy mikitrana irery, hoy ny gasy, ary matoa tonga @ hoe divorce "provisoire" satria séparation de corps accéptée ! Fa ny tsy fandrosoan'ny machine administrative manafay ny fahamendrehana misy eo @ ireo séparés tsy azo na tsy tiana haverina no olana é ! Raha resaka filàna fotsiny, firifiry ny manao izany ambadika @ famitahana ny olon-tiany indrindra ? Na tsy misaraka aza izy ireo. Tsy resaka filàna fa fitadiavana ilay "sainteté" teninao indrindra !

10. fijo ( 12/09/2007 21:24)
raha teraka ao??"principe de l'enfant endormi io"izany hoe ny zaza dia kilasiana ho zanak ilay ray araka ny lalana.
zavtra miantra amina akama gasy eto mihintsy io izao.
"tsy manana taratasy izy de nanao sipa vazaha taratasy,defa noteneniko hoe aza maika hiteraka raha tsy vita divorce fa mbola tantara.nefa moa ny vanja sy ny afo no niaraka tao ka dia nipoaka ny raharaha.de lery te hanoratra ilay zaza aminy,fa ny tany amin'ny mairie avy dia izay ray tao anaty livret de F no natao rainy.
ny torohevitro dia hoe ndana manao reconnaissance ,fa lery tsy sahy fa sao dia voaraoka any.de eo aloha hatramin'izao
11. Taniko ( 12/09/2007 21:33)

Betsaka ary fomba fiady tokoa izany eto ankehitriny. Tsy hijery afa-tsy ny avantages-ny isika @ resaka taratasy, avantages sociaux sns... Tsara rehefa manaiky hanao reconnaissancede l'enfant izy roa ! Ary mirary fahombiazana izay tojo ny sehon-javatra toy izao.
12. andry08 ( 12/09/2007 22:04)
Ka rehefa te hiteraka nefa mbola tsy nisaraka ara-dalana dia eo no ho raisina fa tsy ny sainteté na tsia. Fomba fijeriko io fa raha ny lalàna dia eo no ho raisina na fomba fijery ankehitriny na antitra e!!
Na taratasy na tsia dia eo no ho raéisina e! Mahereza ary fa ny zaza sy ny fanambadiana dia mbola fehezin'ny lalàna foana fa tsy hoe hanambady, dia hiteraka dia ahoana ny tohiny?:roll:, misaraka, dia hanao zavatra hafa atsy ambadika nefa mitady ny metimety fa tsy ho zaka?:roll:
Raha izany dia mamenoa ny tany e!:°)
13. fefy ( 14/09/2007 18:39)
Mba hanzava aho:
ny concubinage dia tsy mitovy @ hoe union libre aloha satria ny concubinage dia mifampitondra toy ny mpivady ao an-tokantrano (resaka didy,dépenses sns...) fa saingy tsy vita sora-panambadiana, ny union libre kosa dia hoe miara-mitoetra fa samy manana ny azy...
Ny hoe autorisation de séparation de corps indray: étape provisoire ao anatin'ny procédure de divorce io , izany hoe misy ny procédure voalohany izay atao hoe conciliation, hiantsoan'ny fitsaràna ny Mpivady , ka raha misy ny marimaritra iraisan'ny mpivady na koa hitan'ny fitsaràna fa tsy misy porofo mitombina na koa hoe entim-po amin'ny ady madinika any an-trano no antony angatahana fisaram-panambadiana dia mamoaka ordonnace d'ajournement ny fitaràna ary mandidy ny mpivady hiverina hiara-mitoetra indray, afaka manome fe-potoana hieritreretan'ny mpivady koa anefa ny fitsaràna raha toa ka ny anankiray tsy manaiky ny divorce ary ny anankiray mangataka , io fe-potoana io raha tsy diso aho dia tsy mihoatra ny 06 mois, raha mahita fa tsy mety mihitsy ny fiarah-mitoetra dia afaka miverina mangataka ny hanohizana ny procédure ilay nangataka fisarahana
Raha toa kosa anefa ka hitan'ny fitsaràna ary misy ny porofo ara-taratasy fa efa tsy misy intsony ny fiaraha-mitoetra sy ny marimaritra iraisana dia manome ny atao hoe ordonnance de non -conciliation ny fitsaràna :ary ao anatin'io no ilazan'ny fitsaràna fa afaka misara-toerana "provisoirement" ny mpivady mandram-piandry ny tena didim-pitsarana ary hamerany ihany koa mbola provisoirement ny fizaram-pananana, sy ny mikasika ny hoe aiza ny ankizy no mipetraka.
manome daty ny fitsaràna hanohizana ny procedure de divorce dia izay vao mandeha any @ tranoben'ny fitsaràna ny tohiny raha mbola tany @ biraon'ny Mpitsara fotsiny ny teo aloha, amin'io ami'izay no misy ny échanges-na fehin-teny , samy mitondra ny porofo ny mpivady hiampangana ny anakiray.

Rehefa tapitra tsy misy mifanakalo fehin-teny intsony dia manome daty ny fitsaràna hamoahana ny didy.
Matetika dia manamafy izay voalazan'ny ordonnance de non-conciliation ny jugement de divorce fa saingy miampy hoe an'iza ny tsiny sy ny fondro, indraindray moa dia samy diso.

Tandremo anefa fa ny ordonnance de non -conciliation izay mamela ny mpivady hisara-toerana dia tsy manome alalana velively ny Mpivady hiara-mitoetra @ sakaiza hafa satria mbola heverina ho toy ny Mpivady izy ireo mandram-piandry ny fitsaràna handidy sy hanapaka.Ka raha sendra amin'iny no miara-mitoetra amin'olon-kafa dia tratran'ny état d'adultère izy ary mampigadra azy izany raha hitory ady heloka bevava ilay ankilany vadiny.
tandremo koa fa ny fitsaràna ndraindray afaka manao hoe manome ordonnance de non-conciliation fa rehefa hamoaka didy izy dia manao hoe "rehefa nandinika ny fitsaràna dia tsy ampy sady tsy misy ny porofo ahafahana mandidy ny fisaraham-panambadiana, noho izany dia didina ny hiverenan'i ranona sy ranona mivady"

Miàla tsiny fa lava be fa izay no izy.Ataoko angamba fa mazava daholo izy izay
14. fijo ( 14/09/2007 23:10)
io dia fitsarana any mada.procedure any madagasikara io eto ambony io.fa aty efa malefaka ny fampihantra azy.
fa ny valin'ny fanontanian aeto no mitovy.ny tena tian'ny mpanoratra hanontanian amantsy dia hoe raha misaratoerana ve,hafaka miaraka amina olona hafa izy.valiny "miaraha fa aza miray trano ary aza miteraka."
15. Rasiligaoma ( 15/09/2007 05:00)
fijo:

fa ny valin'ny fanontaniana eto no mitovy.ny tena tian'ny mpanoratra hanontania na mantsy dia hoe raha misaratoerana ve,hafaka miaraka amina olona hafa izy.valiny "miaraha fa aza miray trano ary aza miteraka."

dia inona ny iarahana amin'izany le?
sa sipa revy fotsiny? ohatran'ny tamin'ny mbola kely?

16. fefy ( 15/09/2007 06:59)
fijo:

io dia fitsarana any mada.procedure any madagasikara io eto ambony io.fa aty efa malefaka ny fampihantra azy.
fa ny valin'ny fanontanian aeto no mitovy.ny tena tian'ny mpanoratra hanontanian amantsy dia hoe raha misaratoerana ve,hafaka miaraka amina olona hafa izy.valiny "miaraha fa aza miray trano ary aza miteraka."

Marina izany, eto Madagasikara aho no mipetraka ary gasy ilay manontany tsara ihany anefa ny ahalalàna ny lalàna Malagasy.
Saingy averiko fa tsy azo atao ny miara-mitoetra amin'olon-kafa na dia efa en cours aza ny divorce. Any aminareo efa misy ny hoe mifanaraka ny roa tonta fa hanao divorce, ny lalàna gasy mbola tsy manaiky an'izany mihitsy satria raha ny fanazavana dia hoe mba iarovana foana ny zon'ny ankizy, ka raha tsy misy ny tokony antony isarahana dia tsy mamela hisaraka ny fitsaràna Malagasy

17. notron ( 15/09/2007 13:31)
Raha tenenina tsotra (Araka ny fahalalako azy an!) ny separation de corps dia divorce en crayon ary miankina @ lay fitarainana apetraky ny iray no hisiany na ny tsy hisiany.
Ny antony ihany koa dia noho ny divorce mbola tsy prononcé ka mety ho adika ho abandon ny fialana @ trano fonenana. Ary theorique be an,ge io fa mety hiara-mipetraka ihany ry zareo e!
Ny olombelona anefa maina fa tsy lena ary manana ny filany ihany koa, indrindra ara-batana. Ka eo no ahitana fa samy tsy mifampiraharaha intsony izy roa satria samy manao izay tiany atao fa tsy mifampifehy intsony
18. ravakamalala ( 15/09/2007 21:16)
"rehefa nandinika ny fitsaràna dia tsy ampy sady tsy misy ny porofo ahafahana mandidy ny fisaraham-panambadiana, noho izany dia didina ny hiverenan'i ranona sy ranona mivady"

mateti-pitranga ve io?
19. andry08 ( 16/09/2007 12:16)
fijo:

io dia fitsarana any mada.procedure any madagasikara io eto ambony io.fa aty efa malefaka ny fampihantra azy.
fa ny valin'ny fanontanian aeto no mitovy.ny tena tian'ny mpanoratra hanontanian amantsy dia hoe raha misaratoerana ve,hafaka miaraka amina olona hafa izy.valiny "miaraha fa aza miray trano ary aza miteraka."

manaiky fa io no aty aminay!
20. andry08 ( 16/09/2007 12:19)
notron:

Raha tenenina tsotra (Araka ny fahalalako azy an!) ny separation de corps dia divorce en crayon ary miankina @ lay fitarainana apetraky ny iray no hisiany na ny tsy hisiany.
Ny antony ihany koa dia noho ny divorce mbola tsy prononcé ka mety ho adika ho abandon ny fialana @ trano fonenana. Ary theorique be an,ge io fa mety hiara-mipetraka ihany ry zareo e!
Ny olombelona anefa maina fa tsy lena ary manana ny filany ihany koa, indrindra ara-batana. Ka eo no ahitana fa samy tsy mifampiraharaha intsony izy roa satria samy manao izay tiany atao fa tsy mifampifehy intsony

Mila mandeha mankany @ pôlisy na gendarmerie manao taratasy fa miala ao @ domicile conjugal dia afaka miova toerana hafa.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.6769