Ny fisaraham-panambadiana ilàko ny hevitrao !

21. fefy ( 17/09/2007 16:53)
ravakamalala:

"rehefa nandinika ny fitsaràna dia tsy ampy sady tsy misy ny porofo ahafahana mandidy ny fisaraham-panambadiana, noho izany dia didina ny hiverenan'i ranona sy ranona mivady"


mateti-pitranga ve io?



Tsy mateti-pitranga fa saingy misy, efa nahita aho fa tena mifampimonjomonjo be ilay mpivady nivoaka ny trano fitsaràna.
22. Taniko ( 22/09/2007 20:28)
fefy:

Mba hanzava aho:
ny concubinage dia tsy mitovy @ hoe union libre aloha satria ny concubinage dia mifampitondra toy ny mpivady ao an-tokantrano (resaka didy,dépenses sns...) fa saingy tsy vita sora-panambadiana, ny union libre kosa dia hoe miara-mitoetra fa samy manana ny azy...
Ny hoe autorisation de séparation de corps indray: étape provisoire ao anatin'ny procédure de divorce io , izany hoe misy ny procédure voalohany izay atao hoe conciliation, hiantsoan'ny fitsaràna ny Mpivady , ka raha misy ny marimaritra iraisan'ny mpivady na koa hitan'ny fitsaràna fa tsy misy porofo mitombina na koa hoe entim-po amin'ny ady madinika any an-trano no antony angatahana fisaram-panambadiana dia mamoaka ordonnace d'ajournement ny fitaràna ary mandidy ny mpivady hiverina hiara-mitoetra indray, afaka manome fe-potoana hieritreretan'ny mpivady koa anefa ny fitsaràna raha toa ka ny anankiray tsy manaiky ny divorce ary ny anankiray mangataka , io fe-potoana io raha tsy diso aho dia tsy mihoatra ny 06 mois, raha mahita fa tsy mety mihitsy ny fiarah-mitoetra dia afaka miverina mangataka ny hanohizana ny procédure ilay nangataka fisarahana
Raha toa kosa anefa ka hitan'ny fitsaràna ary misy ny porofo ara-taratasy fa efa tsy misy intsony ny fiaraha-mitoetra sy ny marimaritra iraisana dia manome ny atao hoe ordonnance de non -conciliation ny fitsaràna :ary ao anatin'io no ilazan'ny fitsaràna fa afaka misara-toerana "provisoirement" ny mpivady mandram-piandry ny tena didim-pitsarana ary hamerany ihany koa mbola provisoirement ny fizaram-pananana, sy ny mikasika ny hoe aiza ny ankizy no mipetraka.
manome daty ny fitsaràna hanohizana ny procedure de divorce dia izay vao mandeha any @ tranoben'ny fitsaràna ny tohiny raha mbola tany @ biraon'ny Mpitsara fotsiny ny teo aloha, amin'io ami'izay no misy ny échanges-na fehin-teny , samy mitondra ny porofo ny mpivady hiampangana ny anakiray.

Rehefa tapitra tsy misy mifanakalo fehin-teny intsony dia manome daty ny fitsaràna hamoahana ny didy.
Matetika dia manamafy izay voalazan'ny ordonnance de non-conciliation ny jugement de divorce fa saingy miampy hoe an'iza ny tsiny sy ny fondro, indraindray moa dia samy diso.

Tandremo anefa fa ny ordonnance de non -conciliation izay mamela ny mpivady hisara-toerana dia tsy manome alalana velively ny Mpivady hiara-mitoetra @ sakaiza hafa satria mbola heverina ho toy ny Mpivady izy ireo mandram-piandry ny fitsaràna handidy sy hanapaka.Ka raha sendra amin'iny no miara-mitoetra amin'olon-kafa dia tratran'ny état d'adultère izy ary mampigadra azy izany raha hitory ady heloka bevava ilay ankilany vadiny.
tandremo koa fa ny fitsaràna ndraindray afaka manao hoe manome ordonnance de non-conciliation fa rehefa hamoaka didy izy dia manao hoe "rehefa nandinika ny fitsaràna dia tsy ampy sady tsy misy ny porofo ahafahana mandidy ny fisaraham-panambadiana, noho izany dia didina ny hiverenan'i ranona sy ranona mivady"

Miàla tsiny fa lava be fa izay no izy.Ataoko angamba fa mazava daholo izy izay


:arrow: Tsy tafaverina matetika noho fitadiavana saingy faly tokoa satria manome famenom-panazavana teo amin'ireo namana rehetra samy nanome ary naneho ny heviny.
:idea: Feno ny fanazavana sy ny haingon'ny literatioran'ny mpahay lalàna rehetra. Fa fiala-nenina ny an'ny tribonaly izany ? Sa tsy tiany ny hisarahan'ny mpivady @ maha-lalànan'ny fiaraha-monina azy saingy teraka ao anatin'io lalàn'ny fanambadiana io ihany koa ny fisarahana ! Manahirana ilay izy, amiko. Tsy hita ihany intsony satria ny tribonaly tsy mety hanamora ny fisarahan'ny olona 2 fantatra fa tsy hifanaraka intsony. Izay izany no tena atao hoe fiaraha-monina ? Lalàna natao hiaro ny tombon-tsoantsika olombelona natao hanelingelina io tombon-tsoantsika io indray ! Mahery ny lalàn'ny fiaraha-monina nefa ny tena olombelona fehezin'izany ao anatiny. Dia tsy maintsy hanaiky izay izany ny olona ?
23. Taniko ( 22/09/2007 20:45)
fijo:

io dia fitsarana any mada.procedure any madagasikara io eto ambony io.fa aty efa malefaka ny fampihantra azy.
fa ny valin'ny fanontanian aeto no mitovy.ny tena tian'ny mpanoratra hanontanian amantsy dia hoe raha misaratoerana ve,hafaka miaraka amina olona hafa izy.valiny "miaraha fa aza miray trano ary aza miteraka."

:arrow: Raha io valin-teny io ry fijo, dia tena heveriko fa mipetraka ho azy ary ekeko tokoa fa ilay logique "tsy ampy" eo @ ilay hoe ordonance de non-conciliation manaiky ny fisaraha-toerana sy ny tsy haneken'ny lalàna ny hiara-mitoetra @ olona safidiny à. Any foana ny olana !Na ny zana-bady avy @ andaniny sy ny an-kilany aza ve efa mifandray ary mifampiditra lalina dia hitono tena toa lolo fotsy ka hanamelo-tena anatrehan'ny tribonaly izany raha raha fantatry ny ilany fa miaraka @ olona tena dia tsy ho vita mandrakizay ny tribonaly :?: "Tsy ny vavan'ny olona intsony no fady fa ny fiaraha-monina" :!:

24. Taniko ( 22/09/2007 20:52)
andry08:

notron:

Raha tenenina tsotra (Araka ny fahalalako azy an!) ny separation de corps dia divorce en crayon ary miankina @ lay fitarainana apetraky ny iray no hisiany na ny tsy hisiany.
Ny antony ihany koa dia noho ny divorce mbola tsy prononcé ka mety ho adika ho abandon ny fialana @ trano fonenana. Ary theorique be an,ge io fa mety hiara-mipetraka ihany ry zareo e!
Ny olombelona anefa maina fa tsy lena ary manana ny filany ihany koa, indrindra ara-batana. Ka eo no ahitana fa samy tsy mifampiraharaha intsony izy roa satria samy manao izay tiany atao fa tsy mifampifehy intsony


Mila mandeha mankany @ pôlisy na gendarmerie manao taratasy fa miala ao @ domicile conjugal dia afaka miova toerana hafa.


:arrow: Tsotra be tahak'izany ve ? Toa tsotra loatra indray anefa !

25. a.josealain ( 25/08/2014 12:38)
Manahoana daholo, misy tantara iray ity somary lava le izy,
Izaho dia vehivavy 24 taona, manambady lehilahy 34 taona ; vita fanambadiana ara-dalana,
Niady faona nefa izahay nandritra ny fotoana nivadinay satria tsy nety nahazo taranaka mitsy, nanilikilika ahy daholo na ny fianakavian’ny vadiko aza, fa oe vehivavy janga sady momba hono aho, miampy ny latsa sy heso, hamafisiko etoana fa rehefa miady izahay dia miampy vono ny azy, ary matetika aho no roahiny hiala ao an-trano fa tsy misy hampidirany ny vehivaviny hono.
Fanampin’izany dia tsy navelany niasa intsony aho, ny tsenanay nomeny ny anabaviny, nindram-bola tamin’ny microcred izy ary dia ny entanay tao an-trano no nataony antoka, tsy niteny tamiko anefa izy fa taty aoriana vao fantatro izany, ireo vola nindraminy anefa tsy nomeny ahy fa nampirimy fa nomeny ny anabaviny sy nividianany moto; Rehefa mba miteny azy aho na manontany dia fandrahonana sy fandroahana hivoaka ny trano no azoko, miampy taim-bava hoe “ aza manatena ny hitondra na tapa-panjaitra iray akory raha mivoaka eto fa tsy misy anao ato na dia iray aza”
Ary izy koa efa niteny tamiko fa tsy asiany dikany na misaraka any aza izahay, sady nampiany hoe ampiakaro ny divorce-anao fa tsy raharahako, sady manelingelina azy hono ny fisiako ao an-trano.
Nohon’ireo fanenjehana lava isan’andro mihatra amiko ireo ny hoe momba sy ny sisa dia nanao sipa aho ary dia bevoka, tao anatin’ny fotoana nitondrako vohoka anefa dia mbola niharam-bono foana aho, ka dia torana matetika, ary tsy vitan’izany fa mbola noroahiny hiala ny trano aho. sady izy tsy miteraka ary efa fantany izany saingy izaho tsy nahalala raha tsy taty aorina, vao haingana.
Angamba tsy ho tsiniko raha toa ka tazoniko ho ahy ny momba io rain-janako io, ny antony dia efa namoaka vava io vadiko io fa ataony potika hono ny fiainako sy izay lehilahy miaraka amiko, ary efa ataony izany ankehitriny satria dia isaky ny miditra ny trano aho dia miady foana izahay.
Ka noho ireo antony maromaro voatanisa ireo toy ny hoe: fandrahonana, ny fanaovana didy jadona ny amin’ny fananay, ny fandrahana ary indrindra ny famonona no hanaovako izao tatitra sy fitarainana ary fangatahana fisarahana na divorce izao.

Koa mety ve raha zah no mangataka io divorce io, inona no mety ho vokany raha sanatria ka tsy tonteraka ny faniriko?

26. hery ( 25/08/2014 14:00)
Tsy haiko raha hisy hamaly ity hafatrao ity satria nataonao valin'ny hafatra hafa.

Raha izaho ianao dia mamorona hafatra vaovao dia ao ny olona no mamaly.

Mandehana eto: http://forum.serasera.org/forum/message/new
27. a.josealain ( 26/08/2014 08:07)

hery:

Tsy haiko raha hisy hamaly ity hafatrao ity satria nataonao valin'ny hafatra hafa.

Raha izaho ianao dia mamorona hafatra vaovao dia ao ny olona no mamaly.

Mandehana eto: http://forum.serasera.org/forum/message/new

Misaotra zoky hery a, efa nafindrako
28. Mevatsiky ( 10/09/2015 07:56)
Izaho dia hatao mariage @ 17 octobre ny grosse (jugement definitif divorce) an'ilay fiancéko mbola tsy nivoka fa @ 18 octobre vao mivoka ny didy saingy mbola miandry 1 mois vao mahazo lay certificat de non appel. Izany hoe any @ faran'ny volana Novembre indray izany izahay vao afaka misoratra. Ny tiako hanotaniana dia hoe tsy ampy hanovana ny livret de famille hoe divorcé ve ilay didy nivoka fa ts maints miandry lay certificat de non appel? Ary raha tsy maintsy ilaina ilay certificat de non appel azo alaina mialoha ve izy io dia aiza no hakana azy ?
29. tsouta15 ( 24/11/2015 07:54)
salama! inona ny avokoa ireo dingana atao rehefa anao fisaraham-panambadiana indrindra ny lehilahy? ary marina ve fa sarotra na tsy tafa voaka mihintsy aza ny fikarakarana izany rehefa ny lehilahy no manao izany?
30. eugenie2016 ( 30/03/2016 13:26)

tsouta15:

salama! inona ny avokoa ireo dingana atao rehefa anao fisaraham-panambadiana indrindra ny lehilahy? ary marina ve fa sarotra na tsy tafa voaka mihintsy aza ny fikarakarana izany rehefa ny lehilahy no manao izany?


31. eugenie2016 ( 30/03/2016 13:29)


tsouta15:

salama! inona ny avokoa ireo dingana atao rehefa anao fisaraham-panambadiana indrindra ny lehilahy? ary marina ve fa sarotra na tsy tafa voaka mihintsy aza ny fikarakarana izany rehefa ny lehilahy no manao izany?


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3992