Novonoin’izy telo lahy ilay namany dia nataony tsaky toaka
1. ari.malala
(
10/09/2007 13:51)
http://www.wanadoo.mg/factu.php?articleId=323765
Voaheloka mandra-pahafatiny. Novonoin’izy telo lahy ilay namany dia nataony tsaky toaka
10-09-2007 / 14:28
Niaiky ny heloka vitany izy telo lahy teo anatrehan’ny Fitsaràna ary mbola nolazainy aza fa tsara ilay hena.
Mampivarahontsana tokoa raha ity tranga iray ity ary tena tsy mampino hoe misy olombelona mahavita toy izao. Raha niara-nisotrosotro izy efa-dahy ireto dia efa samy nahazoazo ka nandeha ny resaka kivalavala. Tamin’izany indrindra no nitenenan’ny iray hoe mety ho tsara ve ny henan’olona raha hohanina. Tsy taitra ilay iray namaly hoe raha te hihinana ialahy isany dia ny ravim-pitombenany no hanalana. Inona tokoa fa avy hatrany dia notolomin’ireo telo lahy namany izy ary tsy namelany raha tsy maty. Rehefa izany dia notetitetehany ary natonony tamin’ny afo avy eo. Io no nataon’izy telo lahy tsaky toaka. Mbola nitondra nody koa aza izy ireo ary saika homeny hatramin’ny vady aman-janany saingy tsy nety nihinana ireto farany.
Azo ihany
Asa na efa nentin’ny hamamoana loatra izy ireo tamin’io na ahoana fa dia izao nahavita zavatra tsy nampoizina izao. Resaka hanihany no niandohany kanefa dia izao niafara tamin’ny vono olona mahatsiravina izao. Tany ambanivohitr’Andapa no nitrangan’izany. Natao ny fikarohana dia voasambotra avokoa izy telo lahy. Natolotra ny Fitsaràna ary niaiky ny heloka vitany tokoa izy ireo ary mbola nilaza aza fa tsara tokoa ilay hena. Noho izany dia samy voaheloka higadra mandra-pahafatiny izy telo lahy.
R.C/Mamy Augustin
©Gazetiko

novalian'i Lantoer ny 05/12/2007 00:17
3. tywa68
(
10/09/2007 14:35)
tsy vô zao no nahenoako an'io ! loza tokoa : sady any amponja no tsy hisy fety intsony :?
4. Samoana
(
10/09/2007 15:00)
tsy ho afa-bela izany 3là izany any am-ponja fa mety hanombinan'ny gadra hanaovana lasopy soukril:-D
7. piste
(
10/09/2007 17:45)
Sao dia toaka mifangaro rongony no nohanin-dry zalahy. Tsy normal ilay action !!!
8. piste

9. Herimiafina
(
10/09/2007 19:50)
.......Raha niara-nisotrosotro izy efa-dahy ireto dia efa samy nahazoazo ka nandeha ny resaka kivalavala. Tamin’izany indrindra no nitenenan’ny iray hoe mety ho tsara ve ny henan’olona raha hohanina. Tsy taitra ilay iray namaly hoe raha te hihinana ialahy isany dia ny ravim-pitombenany no hanalana.
Nosangian'izy telolahy izy avy eo hoe "ialahy no andao handramana", sady feno tsiky izy rehetra, no indro no tonga ny tsy nampoizina. Nodimandry teo ampisangisangiana ilay ranamana ary torakovitra izy telolahy namany, nitady hevitra ny hanafenana ny faty.
Kinanjo niteny ny iray hoe, "aleo lahy hohanina dia tsy asiana sisa amin'izay tsy hisy afaka hahafantatra ny zavatra nataontsika". Niombo-kevitra ny roa ka dia niaraka nanantanteraka.
Io no nataon’izy telo lahy tsaky toaka. Mbola nitondra nody koa aza izy ireo ary saika homeny hatramin’ny vady aman-janany saingy tsy nety nihinana ireto farany.....

11. menalamba
(
10/09/2007 21:33)
Ny voay aza tsy mifampihinana ,ka dia inona re ity nataon'ireto tsy mifaditr'ovana e?Tena lasa ny saiko hoe ahoana no nahavitan'izy telolahy izany?Olana niara-nivanivany t@ nao teo dia niara nihinan-kanina sy nisotro dia najedaka hohanina avy eo..:roll:Fa tena marina ve izany aloha sa akory fa tena tsy mampino an..raha henon'ny vahiny izao izany dia ho lazain'izy ireo fa mpinan'olona daholo indray isika fa tsy ampy sôsy...:roll::-/