Lova tsy mifindra

1. Jeankely ( 08/09/2007 04:27)
Ny nahatonga ny olona taloha nivady mpihavana dia samy mahalala fa lova tsy tiana hifindra. Na fiarovana ny firazanana tsy hikorosy. Ankehitriny na avy ao Comore aza afaka maka vady Malagasy nefa tsy nisy manaiky vadina mavoranjo izany taloha na ny farany sahirana aza.
Tsy nifankatia mialoha koa ireo lasa mpivady fa namboarin'ny Raiamandreniny. Ny resaka ankehitriny kosa dia mifankatia mialoha ny cousin sy cousine ary efa vitandreo mialoha daholo ny rehetra fanaon'ny mpivady. Rehefa tia hivady izireo dia misy ny manakana. Tsy mitovy amin'ilay resaka teo aloha mihintsy izany. Tsy nifampikasoka sy nifanao fitiavana mialoha mihintsy ireo nanao lova tsy mifindra ireo.
répondu par Jeankely le 12/09/2007 12:18
2. tsoraka ( 08/09/2007 04:35)
Efa mifindra erantany izao ka.
3. bossy ( 08/09/2007 06:32)
marina ny anao, fa ny hevitro momba ny fitiavan'ny cousin sy cousine @ zao fotoan'andro izao de tsy mikasika lova tsy mifindra fa tena misy fitiavana ao @ izy 2,tsy fanainina le izy fa tonga o azy, anjara sa lahatra no dikan'izany????:?:
4. fasaly ( 08/09/2007 06:38)
fa inona aloha ilay hoe lova tsy mifindra e!
resaka fanana tsy tiana afindra ve izany????

fa ilay resaka cousin sy cousine mivady aloha ry ireto dia otran'ny tsy eken'ny saiko miitsy ah!
tsy haiko fa otran'ny manelingelina be ahy....
ho ahy manokana aloha dia tokony ho fady e!...
nefa asa tokotrany refa tojo ilay tranga angamba vao ho tsapa izany....
5. tsaramaso ( 08/09/2007 07:07)
lova tsy mifindra = fanitsahana zon'olombelona = akama niara-dia t@ fanandevozana !!!!!

mpihavana mifanambady = OMPA !!!!! hahahaaa !!!!
6. kiadi ( 08/09/2007 14:37)
ka zay angamba le oe "mondialisation" :lol::lol::lol:
7. sakaizakely ( 08/09/2007 16:40)
dia inn anefa no tena tian'i Jeannekely lazaina ? Inn no tena manahirana anao , toa tsy hita ze fanontaniana fa tonga de wawawa fotsiny

Mitsikera ny zavamisy ankehitriny, malahelo ny fombandrazana taloha ? Sa ahoana ?

samy tsy hita izay handraisana ny resakao sy tsaramaso 8O8O8O8O
8. menalamba ( 08/09/2007 19:57)
sakaizakely>Ka izay ilay atao hoe resaka katsaka tsaramaso....raha tsy hainao ka! lasa rivotra mipôpôka fa tsisy ventiny mandeha.Resak'ééé..ê!!!:^):-D
9. tsaramaso ( 08/09/2007 20:53)
Saika hiseho milay mizesita be mahavaly ze fanontaniana nga ??!!! kanjo tsy nisy fanontaniana !!!!! hahahahaaaaa
10. menalamba ( 08/09/2007 21:33)
Kabary tsy valiana ve izany izy ity?:^)
11. Jeankely ( 10/09/2007 02:57)
Tsy maniry ny hamerenana ny lasa taloha mihintsy aho fa milaza ny mahasamihafa ny mpihavana mivady taloha sy ankehitriny. Nilaza ireo fa mifankatia nefa resabe izany. Minia mifankatia izy ary ny fifandraisan'ny iray ra hangaina dia miafankahazo resaka saingy avadiny ho fitiavana. Tsy taranaka mpivady mpihavana izahay ary tena ompa aminay ny ampanambadiana havana. Olona fady aminay ny havana. Izay mitia ny havany tsy misy azo ambara na maery azy tsy hanambady havana fa fanehoana ny hevitray fotsiny no ataonay. Azonao vadina ny havanao raha tianao=))=))=)).
12. zaagasse ( 12/09/2007 11:42)
ny ahy ndray de any @science no itondrako azy.maro be ny aretina ateraky ny mitovy gène iaingana de lasa betsaka ny sampona samy hafa mihitsy @andro taloha toy ny ao @ baiboly,ny cousin sy cousine no mivady ohatra i isaac sy rebecca i jakob sy léa,rachel. Io fomba ao amin'ny bible io angamba no nalain'ny malagasy tahaka.Nefa jereo ny any angleterre fa lasa hémophilie daholo ny ao @ taranaky ny mpanjaka noho ny lova tsy mifindra.
13. Jeankely ( 12/09/2007 12:18)
Tsy fantatra na izany koa no tsy mampandroso haingana satria ny andriana nitondra sy tompn'ny fahefana taranaka nanao lova tsy mifindra. Taona mbola nisy mpanjaka ohatra Andrianampoinimerina tapitra 1810 efa lasa lavitra be ny tany hafa. Miala monfondro fa mba resaka iny.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0461