mora ny miteny hoe areheto ny poteau

1. rasil ( 04/09/2007 14:26)
Tena mbola ela isika vao handroso, na atao hoe firenena mandroso.
Raha tsaroanareo vao haingana no nisy horohoron-tany tany Japon. Nitritra vokatr'izany ny reacteur nucleaire anakiray ka tsy maintsy nahato. Tsy ampy kely erin'aratra nandritra ny fotoana fohy. Dia faty antoka be fa voatery tsy maintsy najanona ny milina maro tao amin'ny toyota.
Nefa ny delai stage aty amin-tsika efa ho lava. Dia vahaolana angatahin'ny mpamatsy vola dia ny fampiroboroboana ny energie renouvelable. Dradradradraina ny global warming sy ny tontolo iainana. Kanefa inona amin'ireo energie renouvelable no hahazaka orinasa vaventy?
Aleo izahay ihany hoy ny mpamatsy vola no hanana izany orinasa vaventy izany. Fa ny anareo asa tanana sy fizahan-tany ihany. Tsinjovy tsara ny zava-boahary fa tsidihinay rehefa vacance. Dia rehefa simba ny fiaranay dia alefanay mankany fa aza mamboatra. Teneno anay ihany rehefa mahita harena an-kibon'ny tany ianareo, na solika na vatosoa, fa hotrandrahanay. Hampiditra vola ho anareo izahay. Fa ny SMIG aleo SMIG gasy ihany fa lany be izahay.
novalian'i Jeankely ny 16/09/2007 04:55
2. Solitikabe ( 05/09/2007 02:37)
Rasil
jereo ity loha-hevitra ity, fa somary manitatra io voalazanao io
http://forum.serasera.org/?rub=dinika/message&msgid=m46d47ccaf0876
Saingy ilay sikidy no tsy itiavan'ny olona azy angamba koa
3. Jeankely ( 05/09/2007 03:11)
Mifangaro voraka ilay resaka. Ny an'i rasil asa na ny fanjakana no tifiriny na ny mpamatsy vola na ny vahiny. Ny an'i Solitikabe moa dia izy no mahalala izay tifiriny. Ny resaka fanamboarana Fiara na SMIG sy ny resaka Energie samy hafa. Raha tsisy ny Jiro dia mazava fa sakana lehibe tsy misy afaka hiaro an'io na iray aza. Fa ity resaka SMIG lazainao kosa dia sahala ny miteniteny foana ny fahalalako azy satria isaky ny mba manodrotra kely sy bitika an'io ny fanjakana dia NY SEHATRA TSY MIANKINA NO MIMENOMENONA VOALOHANY ARY MILAZA FA SAROTRA AMINY NY HAMPIAKATRA. Jereo ny tantara sy ny voasoratra rehetra angazety. Ny resaka Fanamboarana fiara dia tsy manaiky hino aho fa ny mpamatsy vola no misakana an'i Madagasikara tsy hanao izany. Resaka FANDANIANA LAFO MIHOATRA NY TANY HAFA RAHA ANY MADAGASIKARA NY HANAMBOATRA FIARA. Miezaka aho ny tsy ampiasa teny vahiny satria efa nofafana ny laha-tsoratro ka tsy tia ahalala izay tsy mahay tenindrazana aho. Ny harena ankibon'ny tany tena ny fanjakana ve no faly amin'izy io tsisy fepetra sa ny sehatra tsy miankina? Aiza no maka ny safira ry zalahy fa tsy amin'ny olona tsy manana taratasy hivarotana izany? Rehefa manazava mba lazao ny marina fa ny SEHATRA TSY MIANKINA MALAGASY TSY MIVOATRA.
4. Solitikabe ( 05/09/2007 21:50)
"SEHATRA TSY MIANKINA MALAGASY TSY MIVOATRA" ? Sa iniana tsy ampivoarina mba anjakan'ny vahiny sy ny akaman'ny fanjakana?
5. Jeankely ( 06/09/2007 04:30)
I Solitikabe ve sehatra tsy miankina sa ahoana? Zatra ny moramora ny sehatra tsy miankina Malagasy ary izy samy izy no manimba azy fa tsy ny fanjakana ary tsy ny mapamatsy vola. Tsy fantatro raha nomen'ny mpamatsy vola vahana manokana ireo firenena hafa izay nahita fandrosoana. Sany nandalo mpamatsy vola saingy tsy mitovy ny zava-bita satria samy hafakely ary samy miseho mahay sy avolenta sahala anao misikidy sikidy io daholo. Olona mpiasampanjakana mangalatra, tsy miankina mangalatra.
6. rasil ( 06/09/2007 13:52)
O ry Jeankely ah. Fa anagaha moa tsy maintsy mitifitra foana rehefa miteny. Tsindro-paingotra ka izay voa aza tezitra ireny. Tsy hitako izay mampifangaro voraka amin'izany.
Ary raha ilay miteny gasy indray. Aza matahotra fa mahay daholo ny eto ka. Tsy hitako ny antony nanaovanao lahatsoratra tamin'ny teny vahiny izany taloha.
----
Izaho miteny hoe tsy misy jiro. Maninona ny fanjakana tsy miezaka hampisy herinaratra ao Madagasikara? Satria tsy misy vola... enga anie ka izay no antony.
Maninona no tsy mindram-bola? Satria tsy misy mpampindrana...
Fa maninona no tsy misy mpampindrana? Io amin'izay no novelabelariko raha tsy arak'i Jeankely.
Izany angovo izany no tena kitron'ny famokarana. Ka raha tsy misy io dia tsy afaka hamokatra hafa tsy amin'ny alalan'ny vatany sy ny biby ary ny zavamaniry ny olona: asa tanana, jono, mamboly, mively vy amin'ny tafoforana...
Ohatra ny noraisiko tamin'ny fanamboarana fiara. Fandaniana lafo loatra hoy Jeankely. Nahoana no lafo? mba lazao, BMW amboarina any Brezil izao maninona no tsy lafo loatra. Izany lafo ny aty amintsika satria lafo ny angovo.
7. Solitikabe ( 07/09/2007 00:48)
Efa resaka lava teto ny toetr'ireo mpamatsy vola ireo> Ary mitombina ilay heritreritrao, satria ny mpamatsy vola matetika no sakana amin'ny fampandrosoana ny tany mahantra. Misy ireo niiteny tamin'ny taona 1990 hoe " Raha mitovy amin'ny fampiasana angovo any Amerika Avaratra sy ao Eraopa daholo ny fampiasan'izao tontolo izao angovo dia tsy ampy 30 taona akory dia lany ny ankamaroan'ny angovo mineraly misy eto an-tany" Dia toa io no mampatahotra ny mpamatsy vola sy ny G8 amin'ny fandrosoan'i Sina sy India. Dia mety izay koa no tsy nahataitra ny mpamatsy vola amin'ny herinaratra aty Afrika, raha tsy efa nivoatra ny herinaratra azo avy amin'ny masoandro, ny rivotra sy ny sisa.
Ny mahavariana kely aza dia toa miverina amin'ny fampiasana ny kitay sy ny afom-bozaka indray ny Amerikanina amin'izao fotoana izao, noho ny fahatsapany fa tena tsy tana intsony ny fifaninana amin'ireo firenena Asianina
8. Jeankely ( 07/09/2007 05:13)
Ka inona no tian' rasil be lazaina ary hoe ny fanjakana no hitondra ny BMW sa ny tsy miankina fa mifangaro voraka araka ny teniko. Iza no anontanianao raha tsy miditra ny vahiny. Ny resaka angovo samy mahalala io fa tsy izaho no atoronao izany. Ohatra fahan'izay tsotra na trano lehibe rehetra aza maizina raha tsisy jiro. Iza no miaro izay olona tsy mahavaha olana fa ny teniko hoe hamaha olana ianareo sa mpametraka olana?
9. nanas ( 08/09/2007 01:50)
8-)
10. nanas ( 08/09/2007 01:52)
Mba hoatran ny ahoana ary ny pozin ny Jeankely ty rehefa miresaka! Toa hotrany tezitra lava zany
Jeankely jereo anie ty e!8-)8-)8-)
11. Jeankely ( 08/09/2007 03:50)
Tsy izaho no tezitra fa ny mpandray voadona no mahatsiaro tezitra satria mihantra amin'ny ainy=))=))=)). Anisany mahatanty saoka mihintsy ny aty ary sahala ny rano atonao anaty koveta mivelatra, ataonao anaty tavoangy manaraka ny bikan'ny tavoahangy. Tsy izahay mihintsy no hitomany na mitady amely mafy aza ianao samy manana hevitra. Ny soratra etsy amin'ny lohateny dia hoe "mora ny miteny hoe areheto ny poteau"nefa tsy hitako mifanaraka amin'izany ilay resaka.
12. menalamba ( 08/09/2007 20:56)
Ny tian'i rasil lazaina raha tsy azonao dia ny fanjakana no tokony manokatra ny lalana avy @ fampidirana ny angovo hoentina miasa izay vao afaka miditra ny mpandraharaha tsy miankina raha tsy mazava aminao.Izany hoe tsy anjaran'ny tsy miankina no mampiditra izany fa @ fanjakana foibe.Tsy misy mpandraharana afaka manao izany raha tsy mahazo alalana @ fanjakana.Ny tiany lazaina izany dia ny fanjakana no tokony hanao ny asany,satria any aminy ny baolina.Raha mila fanazavana fanampiny ianao dia apetraho ihany ,fa fiangaviana kely fotsiny ny ahy raha tsy mety moa tsy maninona ,aza avoana re ny resaka fa tonga mahamonamonaina be .Misaotra:-/
13. Jeankely ( 10/09/2007 03:16)
Na monamonaina ianao na faly tsy dia misy hamakiako loha. Miseho favy ary mipetraka ivelany ianareo fa tsy mijery mihintsy fa tsy ny fanjakana no nampandroso ny firenena sahalan'i Singapore, Hong Kong, sns amin'ny fijerinay vendrana. Izaho tsy milaza fa efa avobe sahalan'ny toerana misy anao ireo fa milaza ny fomba nahitany fandrosoana aho. Pararantsa tsy haiko fa amiko ny afaka hampiarina any Madagasikara mihintsy ny fomba fiasa Pararantsay ary izany no mahavizana azy. Terena nefa ny haavon'ny sain'ny olona tsy mitovy.
14. Solitikabe ( 11/09/2007 00:54)
NY tsy haiko ho'a hoe maninona ianao no mandositra any Indonesie any fa tsy mba maka andraikitra eto Mada aloha mba jerena kely fotsiny. Sady nilay aloha le ompa eh
Nareo marina moa havan'ny mpianadraikitra dia afaka manomapa oh
15. Jeankely ( 11/09/2007 01:14)
Aza ampidirina amin'izay adalana ataon'ny mpanoratra ny mpiandraikitra. Havan'ny mpiandraikitra daholo ve aminao ireo manaratsy finoan'ny sasany milaza fa manompo sampy ny katolika ohatra, na ny manoratra sy mivoy ny resaka vetaveta sahala anao ary dia mankafy ny resaka traikefa amin'ny filalaovana firaisana ara-nofo, na ny fanaovana ela ny mpitondra miampy ny fitsongolohana izay rehetra miseho ao Madagasikara. Mandefa mpianatra handrato fianarana any U.S. lazaina fa University tsy misy dikany no andefasan'ny fanjakana ny zaza Malagasy. Mandefa mpianatra any China lazaina fa alefa any @ fiangonana ambanin'ny tany ny zaza Malagasy. Hatsaraina ny resaka taxi lazaina fa tsy ho hita intsony izany ny 2CV nefa ireny mbola tsara miasa. Asaina manao fehikobo ny Chauffeur lazaina fa tsy afa-mitsoaka raha tonga ny mpanendaka. Ireo olona rehetra manoratra hafahafa sy mitarika miverindalana ireo ve havan'ny tompon'andraikitra avokoa aminao. Raha tsy azoazonao ny fomba fanoratro dia izaho no tokony ho dominao fa tsy ny tompon'andraikitra. Ny tenako izaho mba tia haneho hevitra ary nanoratra teny vahiny nofafan'ny tompon'andraikitra ary fitsipika ilay izy tsy misy azoko ambara. Na izany na tsy izany samy hafapo ary manohy mandray anjara hatrany. Noho izany fisaorana no omena ny tompon'andraikitra.
16. rasil ( 14/09/2007 15:30)
Jeankely:
Ny soratra etsy amin'ny lohateny dia hoe "mora ny miteny hoe areheto ny poteau"nefa tsy hitako mifanaraka amin'izany ilay resaka.



Tsy haiko na diso manam-pahaizana loatra Jeankely fa tena tsy hitako izay mifangaro voraka amin'ny resako.

Fa izao no izy e, aleo mba realiste kely. Handroso ve isika raha tsy misy angovo? Tsy mikiana aho amin'izany fa mitarika dinika. Tsy mandraharaha aho na manam-pahaizana ny mpamaly na tsia.
Raha taloha mantsy, dia tsy azo atao ny mamokatra angovo ho an'ny tanàna kely iray ao Madagasikara. Mbola communiste isika tamin'izany ary ny JIRAMA no mifehy ny angovo rehetra.
Ankehitriny, efa vita ny privatisation. Dia lasa any amin'ny energie renouvelable no mirotoroto.
Efa nampiditra centrale thermique ao Mandroseza ka. Gasoil sisa tsy ampy.
17. menalamba ( 14/09/2007 17:23)
rasil>Aoka aloha mba asiako fanazavana kely ny @ io "centrale thermique" ao Mandroseza io,raha tsy diso ny fitadidiako dia nihindrana vola tany @ banky mondialy ny firenena Malagasy t@ andron'ingahy Ratsiraka t@ io ,ary "centrale hydro-electrique " no nifanarahana ,rehefa nivoaka anefa ny vola dia ny zanany vavy no nahazo izany "marché" izany tampotampoka teo ,niaraka t@ vazaha iray mpiara -miombon'asa aminy!!!!Rehefa nidaraboka moa izy dia izay vao vaky bantsilana daholo izany rehetra izany ;ilay vazaha rifatra nandositra,ny firenena Malagasy tsy maintsy manonitra ny vola nindramina.Asa raha mahatadidy ianareo fa nisy fitoriana nataon'ny fanjakana Malagasy momba io raharaha io fa tsy dia heno intsony izay tohiny,ary izany aza no naha-rendrika ny jirama satria niniana natao izay aha-banky azy ahafahan'iretsy mibahana...:-/
18. Jeankely ( 15/09/2007 05:50)
Tafiditra tsara iny baolina iray iny aloha.
19. menalamba ( 15/09/2007 13:42)
Eto ry Jeankely no mipetraka tsara ny teninao hoe "ny lasa tsy momba ny lasa"satria hibaby @ io famerenam-bola io ny vahoaka mandritry ny 25 taona,ary zavatra tsy ahitany tombony na kely vary iray venty aza;ary izany no tena fototry ny "delestage",satria tsy mety hampindram-bola intsony ny mpampindrana satria ny eo aza tsy voaloha.Ny tokony hataon'ny mpitondra amiko aloha dia ny fampahalalana ny vahoaka ao anatin'ny mangarahara ,hoe aiza ho aiza ny fanenjehana ireo nanodina volam-bahoaka ,fa tsy hatao tompon-trano mihono fotsiny anefa mibaby ny tsy heran'ny aina.fa raha tsy mitoy kosa ny fanenjehana @ io raharaha io dia misy raha tsy mazava ao izany...:-/
20. Jeankely ( 16/09/2007 04:55)
Tsy misy hiadivankevitra fa marina ny anao. Ny fambotriana firenena ary fanodinana ny vola tokony hanaovana foto-drafitrasa hampandrosoana ny firenena dia tsy mendrika ny avela hipetraka. Ny hany tsy nitovizako hevitra tamin'ny sasany fotsiny dia ny filazana sy fanehoana fa ny fanaovan'ny mpitondra amin'izao fotoana izao izany koa no tokony hanadinoana ny vitan'ny teo aloha. Ny nanao enjeho ary ny matanjaka eo amin'ny fitondrana tsy afaka ny hanidina any andanitra fa ho avy ny anjarany. Manangona ny porofo no hatao satria sarotra ny mifandona amin'ny tompon'ny fahefana. Ny filazana ny zava-misy ho an'ny vahoaka dia tena ilaina satria samy miaritra ny fiainana tsisy fivoarana haingana. Ny faharoa tsipihiko koa dia ny tokony hiresahana mazava fa tsy misy izany volabe tsy hita izay andaniana azy izany. Ny vola tsy ampy ary ny fahaizana mifidy izay laharampahamehana no izy. Rehefa samy mahalala dia samy miezaka amin'izay manadrify azy. Tena tsy rariny raha iny vola tsy ampy iny indray no mbola havily lalana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1248