Mangataka tononkira
1. Mireille16
(
29/08/2007 16:44)
Manao ahoana e!
Izaho manoratra dia mba mangataka ny tonkiran'i Lalao Rabeson hoe: Izaho sy Ianao.
Dia manantena ny valiny tsy ho ela ny tenako.
Misaotra betsaka indrindra.
Izaho manoratra dia mba mangataka ny tonkiran'i Lalao Rabeson hoe: Izaho sy Ianao.
Dia manantena ny valiny tsy ho ela ny tenako.
Misaotra betsaka indrindra.
novalian'i emmy ny 31/08/2007 04:51
2. Fiffi
(
29/08/2007 17:34)
ato ve ? http://tononkira.serasera.org/index.php?rub=tononkira/hira&mpihiraid=117
raha tsy ao de omeo tonony kely hoe ? :)
raha tsy ao de omeo tonony kely hoe ? :)
4. Mimhie
(
30/08/2007 09:03)
fa aiza i mireille no mipetraka? za manana audio Lalao Rabeson tsara be raha hanao copie ianao,misy hira 21 ao anatiny
5. emmy
(
31/08/2007 04:51)
ty misy tonony fa ahitsio ihany raha henonao misy diso
Izaho sy ianao
Henoy izao hira izao
fa hira ho ahy sy ho anao
ka kaloy hamalifaly
izany saina fo sy fanahy
satria izany hira izany
no afaka mandray ny elanelan-tany
koa hirao izao hira izao
fa ho ahy sy ho anao
Ireo lalana nodiavintsika
dia mampatsiahy zava-maro
ireo hira nohenointsika
mitamberina, mifangaroharo
koa tsarovy isan'andro
f'aza avelanao hangina
f'izany fahatsiarovana izany
no ho ahy sy ho anao
N'inona hitranga, n'inona hanjo
rehefa zaraina zaka avokoa
koa hirao ho ahy zao hira izao
fa hokaloiko koa ho anao
hiram-pitia ho anao sy ho ahy
mandrakizay
Raha sendra mifamahofaho
izany alahelo ao an-tsaina
fa saraka,lavitra ny tany
ory tiana sy lalaina
dia banjino avy hatrany
iny lanitra iny dia ho hitanao
ireo fo, fo mifankatia
iray ho doria
Koa iriko izao raha sitrakao
hiaraka hihira izao hira izao
hoe tiako ianao, eny tena tiako
akaikinao izay no fifaliako
ho feo iray ny anao sy ny ahy
mandrakizay
Hoe tiako ianao, eny tena tiako
akaikinao izay no fifaliako
ho feo iray ny anao sy ny ahy
mandrakizay
Lalao Rabeson
Izaho sy ianao
Henoy izao hira izao
fa hira ho ahy sy ho anao
ka kaloy hamalifaly
izany saina fo sy fanahy
satria izany hira izany
no afaka mandray ny elanelan-tany
koa hirao izao hira izao
fa ho ahy sy ho anao
Ireo lalana nodiavintsika
dia mampatsiahy zava-maro
ireo hira nohenointsika
mitamberina, mifangaroharo
koa tsarovy isan'andro
f'aza avelanao hangina
f'izany fahatsiarovana izany
no ho ahy sy ho anao
N'inona hitranga, n'inona hanjo
rehefa zaraina zaka avokoa
koa hirao ho ahy zao hira izao
fa hokaloiko koa ho anao
hiram-pitia ho anao sy ho ahy
mandrakizay
Raha sendra mifamahofaho
izany alahelo ao an-tsaina
fa saraka,lavitra ny tany
ory tiana sy lalaina
dia banjino avy hatrany
iny lanitra iny dia ho hitanao
ireo fo, fo mifankatia
iray ho doria
Koa iriko izao raha sitrakao
hiaraka hihira izao hira izao
hoe tiako ianao, eny tena tiako
akaikinao izay no fifaliako
ho feo iray ny anao sy ny ahy
mandrakizay
Hoe tiako ianao, eny tena tiako
akaikinao izay no fifaliako
ho feo iray ny anao sy ny ahy
mandrakizay
Lalao Rabeson
