Mitady clavier

1. latina ( 28/08/2007 06:39)
Mba mila fanampiana aminareo namana; Inona kay ny marika clavier tsara, dia eo @ ohatrinona eo no vidiny? dia aiza no misy mpivarotra azy ireo eto Tana?
Misaotra betsaka indrindra.
répondu par latina le 28/08/2007 09:13
2. ikaretsaka ( 28/08/2007 07:35)
Tahakan'ny fitaovana (Ordi, fakantsary, sns...) ihany instruments de musiques rehetra :

Miankina @'ilay zavatra tadiavinao aminy sy ny antony ilavanao ilay clavier no ahafantarana an'io.

Raha ho tendritendrena na hoe ianarana fotsiny dia moramora kokoa ny vidiny mazava ho azy,
moa raha ilay sarotiny @ feo sy sy ny mozika sy ny flirony isan-karazany ireny dia mitady ireny efa misy features gravy be ireny, dia lafolafo kokoa ny vidiny. na hoe ampiasaina mandehandeha @ concert

dia ny Marques koa dia arakarak'izay ilavanao azy izay ihany.
Ilay tery akaikin'ny fitsarana tomobil ery Alarobia no misy mpivarotra "mba" tsara
3. latina ( 28/08/2007 09:13)
Hianarana ka! Ny tena marina piano no ianarana fa lafo be dia soloina clavier ozy ny mpampianatra dia efa mety. 5 octaves fara faha keliny, dia mba mahatanty tendrena koa fa tsy ireny touche mora maty kely ireny. Hainao ihany izany hoe mianatra kou! mety hiverimberina im-10 kely vao mety ny morceau 1.
Ilay tsy dia lafo loatra izany @ izao vao miatomboka izao.

Misaotra betsaka @ ilay sopapa eny Alarobia fa hojereko eny raha vao misy fotoana. Raha mbola misy dia mba omeo sopapa ihany. Ary ireny eny @ Bao Lai atao Pub be ireny ve mba tsara?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1032