Efa novolavolaina t@ risoriso ny Malagasy ka mifampiaro

1. Jeankely ( 28/08/2007 02:31)
Rehefa misy ny tratra dia arovana. Lazaina ambava sy antsoratra fa ratsy ny risoriso nefa atao ihany. Io angamba no nitaizana ary lasa lalimpaka. Ho anay izay tratra mendrika azy ny alaina hatramin'ny fananany ho an'ny fanjakana. Ankoatr'izay samy fiarovana ny mpanao risoriso. Manontania tena ary jereo ny havanao ka sahy ve ny hanafoana ny risoriso sa ho an'ny hafa no hitenenana io?
novalian'i Jeankely ny 28/08/2007 12:01
2. tsoraka ( 28/08/2007 06:09)
Ny voadona amin'ny risoriso aza tsy dia miteny fa ny mpanao risoriso no tena be resaka. Izy nefa no tena rangory fototry ny afo. Aza amelana raha tia hiroso.
3. Jeankely ( 28/08/2007 06:15)
Mody mivazavaza sy mivoy resaka risoriso nefa izy indrindra no matahotra raha tena enjanina. Izahay tsy tia ahalala na havana na rahalahy fa sahy izahay ary mahatoky ny tenanay ka arosoy ny fanenjanana izay mpanao risoriso. Tsy manana alahelo amin'ny mpanao ratsy amin'ny firenena izahay tompoko. Ambava hafa avy eo miaro any ambadika.
4. tenagasy ( 28/08/2007 11:48)
MARIN'INY!
5. Jeankely ( 28/08/2007 12:01)
Resaka hafa ny izay tsy nanota aoka hitorabato azy sy ny Risoriso mambotry firenena. Madagasikara voalaza fa mitana laharana aoriana koa ahoana no avela ny manao vinany. Tsy mivavaka amin'izany izahay fa ataovy ny vavak'areo dia arovy eo fa tsy hirasana iny.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0595