Mba mahagaga ian. Asa hianao na mba miombn-kvt amiko

1. todisoa2 ( 27/08/2007 11:18)
Toa lasa mirona bebe kokoa any @ fampandrosoana ny karazam-piangonana sasantsasany eto amintsika. Mitombo tsy mijanona mila hihoatra ny isan'ny mpiangona ao aminy ny adidy eritreretina henjehina indraindray. Indraindray aza dia lasa ''resa-trosa" no heno ao am-piangonana. Dia mipetraka ny fanontaniana hoe: ''ny fiangonana ve no matory? sa lasa fanangonan-karena ny fiangonana?''. Ny tena henjana dia ity: lasa mpamonjivonjy ny olona manan-katao sy ambony ny mpitondra fiangonana, ary dia miafara any @ fanavakavahana izany: rehefa manana andraikitra ambony eo anivon'ny fiaraha-monina ohatra, avy hatrany dia tendrena ho izao na izao eo anivon'ny fiangonana (omena andraikitra ho fiohn'ny komitin'ny X ohatra). Ny tanjona hoy ilay Pastora niresaka tamiko izay, dia ny mba ''hampandrosoana ny fanjakan'Atra''. Ny ahiana anefa dia mety holasa bizina mahadeba haingana ny fiangonana. Bizna hoan'ny Pastora, ary koa, bizna hoan'ireo mpiasam-piangonana. Ny tena mampalahelo dia lasa tsy misy vidiny intsony ireo sahirankirana, sy tsy manan-katao eo anivon'ny Fiangonana.Ary lasa hadino tanterak aza indraindray ny fisiany.

Dia mampanontany tena ihany hoe:''aiza re ilay evangelisation '' e?.Toa lasa gestion de l'Eglise no manjaka?. Lasa ny rafitra no manan-danja nohon'ny fitoiana.

Nisy tamin'ireo Pastora sasany aza niteny mihintsy hoe : '' Asa ny maha Pastora, ka tsy maintsy tao izay hahitana fivelomana. Tsy hita izay asa tokony hatao, ka dia aleo manao Pastora, sitrany ahay''. Izany anefa dia manakona tanteraka an'ilay vocation. Ara la mpibizna i Pastora (na Pastera).
novalian'i fijo ny 29/08/2007 21:52
2. tsaramaso ( 27/08/2007 11:37)
maninenganony ny pastora raha manolana zaza tsy ampy taona raha izao !!!! tsy manana 600 millions dollars tsinona !!!
3. Mandefitra ( 27/08/2007 11:42)
Za mahita hoe otry ny olona rehetra rehefa mahazo fahefana sy fitondrana de manondrana.Na de antson'A/tra tokoa aza t@ voalohany, tsy maharitra ny fakampanahy rehefa eo ra Vola, sy Voninahitra ary V... indrisy
4. Jeankely ( 27/08/2007 13:21)
Ny fivavahana tsara ary hilaina saingy ny herin'ny demony mahery. Ety ambonin'ny tany tsy afaka manao inoninona raha tsy eo ny vola. Olon-kendry tsy manambola tsy voahaja noho ny mpivarotena manambola. Fianana an-tany izany. Tsy izany no jerenao fa ny ataonao. Rehefa mino sy mivavaka amin'ny fonao ianao na aiza na aiza tsy mahita ny ataon'ireo manao fitaovana ny fiangonana. Tena misy ny mihevitra fa asa ny fanaovana Pastora ary rehefa tsy afaka na lany session avy any @ fianarana ambony dia lasa manao Pastora. Sarotra io nefa tsy manana anjara ny hitsara ianao ka dia ny vavaky ny tenanao no ataovy izay hampety azy ary aza manenina amin'ny fanaovana ny tsara.
5. todisoa2 ( 27/08/2007 13:43)
Mandefitra:

Za mahita hoe otry ny olona rehetra rehefa mahazo fahefana sy fitondrana de manondrana.Na de antson'A/tra tokoa aza t@ voalohany, tsy maharitra ny fakampanahy rehefa eo ra Vola, sy Voninahitra ary V... indrisy



miombon-kvt tanteraka. :lol::lol:.
6. ikaretsaka ( 27/08/2007 14:18)
Azo atao fa ampiana fivavahana fotsiny na i pasitera, na ny olona tendreny, tsy hanondrana.
Misy izay hoe "demon du pouvoir" izay hoy ilay Rangahy Mpanoratra tao @ gazety lakroa izay
7. tywa68 ( 27/08/2007 15:21)
d an'ilay pasitera manao bizna no manazava rehefa ho tsaraina izy ry Todisoa2 a !

Ary tena marina ilay fiteny hoe : "bien mal acquis ne profite jamais !"
8. niryna ( 28/08/2007 06:05)
Na iza na iza na pasitera na monpera na isika izao aza dia samy manana ny kilemany avokoa.Raha nantsoin'Atra ny olona mba hitory ny teniny dia tokony anao izany amin'ny fony manontolo izy.Toy izany koa isika raha miasa ,tsy voatery hoe hijery ny mpampiasa dia anao asa tsara.Samy manana Tompo lehibe daholo isika tsirairay avy.Mivavaha mba tsy ho voatariky ny fakam-panahy.Ny tany eo akaikin'ny manodidina antsika no ahilika fa tsy hijery ny an'ny hafa.Manaova ny marina hatrany,mahaiza mitia ny manodidina sy ny fahavalo mandrakariva,mizara izay fahasoavana nomen'ny Tompo anao ary aza mitsahatra ny midera Azy mandrakariva.Raha fantatrao fa nanao ny tsy mety izany pasitera na iza na iza dia anjaranao no mivavaka azy.Tsy azontsika atao ny mitsaratsara olona satria tsy antsika izany,ny mivavaka ny manodidina no anjarantsika .Mahereza.
9. deratsiferana ( 28/08/2007 07:05)
Tsy fantatro r'ise na inona na inona ny finoana misy an'ise fa mba sendra nanaitra ahy fotsiny ny hevitr'ise dia nanoratra aho
Marina fa tsy manam-pahaizana momba ny fivavahana ny tenako manoratra,nefa hiteny fohy ihany

Amiko r'ise dia izao ihany ah!
Ny baiboly dia tenin'Andriamanitra nomena antsika olombelona.Izany hoe raha misy zavatra ataontsika dia iny no fitaratra ijerentsika na mety na tsy mety ny ataontsika
Aminao mamaky io ary:"METY VE IZANY SA TSIA?"
Aoka anefa ho fantatrao fa ny marina amin'ny finoana no ho velona
Ireny rakitra atao ireny koa raha ny marina dia fanatitra atao ho fankasitrahana an'Andriamanitra,ary ny levita dia voalaza fa tsy mba manana anjara lova fa amin'ireny nyfivelomany
HITSARANA AZY ANY AM-PARANY ANEFA IRENY
Satria nahoana?
Vitany ve,hoy Jesosy,ny asa nankinina taminy sa tsy mifanaraka amin'ny vidiny ny sarany?

Asa fa tsy fantatro aloha
10. Mandefitra ( 28/08/2007 09:56)
Ny vola no hozatry ny fiainana hoy ny fitenenana.
Tsy maintsy mila vola ny fiangonana mba hahafahany mandroso sy mitory. Ary tsy maintsy hoe ny zanaky ny fiangonana ihany no mandrotsaka arakarak zay fanomezam-pahasoavana azony.
IKorintiana 14:12 Ary toy izany ihany koa hianareo: raha fatra-paniry ny zava-panahy, dia izay hampandroso ny fiangonana no tadiavo indrindra

Tsy tokony ho azon'ny fahalemena ny mpitandrina manoloana ny fakam-panahy entin-dRavola.Izy no modely.
Etsy andaniny,ny mpino ko tsy tokony ho variana hijery olona fa hanao ny adidy tandrify azy.Jereo ny tantaran-dry Petera ao @ Jaona 21:
Jaona 21:22 Hoy Jesosy taminy: Raha tiako hitoetra izy mandra-pihaviko, ahoanao izany? fa manaraha ahy hianao

11. fijo ( 28/08/2007 22:21)
aza hadino fa niaraka taloha ny fiangonana sy ny fitondraa.ar izao di amiverina miaraka indray ireo.

bizina ko any fiangonana ka,tsimaintsy manao izay ahazoany kil izy.raha lasa'ny sekta aby ny olona voatery hitady asa papasy sy damopa.

ka varotra io,izay tratranyao voa
12. ikaretsaka ( 29/08/2007 00:04)
ka izay mihitsy ilay izy ry fijo, miaraka sy nanao influence politika foana ny fiangonana hatr@ izay.
na teo imason'ny jiosy sy ny romanina (2000 taona lasa izay) na croisades, na ny anglikanina, protestanta sy katolika, sns...

"tsy fahafahana mivoana any anivon-danitra any fa santarina eto an-tany ...hampiadana ny olona rehetra"
"Fa i jesoa tompo filohantsika, nanafitohina ireo vahoaka satria sahy nanadratra ireo ambany voahosihosin'ny mpiara belona"

hoy ny hira katolika
13. xxx ( 29/08/2007 07:52)
Tena marina mitsy oe ho ratsy izao tontolo izao e......ny mety atao dia ny manao ny marina hatrany.Efa ho tapitra ané ry reto e, efa akaiky sisa dia ho avy ny Tompotsika.Manivana izay hiakatra sy tsia izy izao ka na hatrany ampiangonana masina aza tratra avokoa.Asa ianareo fa izaho tsy manaiky ho azon'ny devoly amin'izany rehefa mino aho sy manao ny asan'Atra @ fahamarinana dia izay ihany.Tsy aiko na azonareo natsia fa misy fandrika avokoa ny zvt rehetra mmba hihozongozona ny finoantsika ka tsy hanana anjara @ fampakarana farany isika.
Aza variana mijuger ny zvt mitranga ry reto fa tsy aleo ve miandrandra ny fanjakan'ny lanitra!!!! lany fotoana eo fotsiny ianareo satri_a tsy mijanona fa hiha ratsy izao tontolo izao fa izay maharitra h@ farany no hovonjena
14. ikaretsaka ( 29/08/2007 14:48)

Nisy fiainana ve talohan'ny fahafatesana?---izany no tokony fanontaniana tokony hapetraka voalohany! niaina tsara ve ianao talohan'ny hahafatesanao?

My experience is that it's precisely the ones who don't know what to do with this life who are all hot and bothered about what they are going to do with another life.
Raha ny fahitako azy dia ireo Olona izay tsy mahalala akory ny zavatra tokony ho ataony eto amin'ity fiainana ity no mitabataba sy mikorotan-tsaina ary miahiahy @ ny tokony hataony any @ fiainana hafa!~
15. fijo ( 29/08/2007 21:52)
xxx resaka no eto ka aza matahotra fa misehoa;ary tomponareo fa tsy tompoko.

izay mihintsy ry ika.misy manda mafy fa tsy manao politika ny fiangonana,matoa izy manana departementa misahana an'io dia manao politika izy.ary manana fandresendahatra be ao izy
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1522