Taona maro nifanesy mpanao politika midika be vinany
1. Jeankely
(
27/08/2007 03:10)
Ny vahaoaka dia mihevitra fa ny mpanao politika dia olona be vinany ary saika fetsifetsy sy mpanao risoriso ny akamaroany. Izay no antony maha-vitsy mpifidy ary na eny amin'ny sehatra Fokontany aza tsy misy olona firy hitanao mivory izany. Tokony hampiseho amin'ny asa vita ny mpanao Politika ankehitriny fa hanasoa ny firenena no tena andraisany andraikitra. Ny fiarovana olon-dratsy vao mainka mampisaraka ny vahoaka sy mpitondra. Mpitondra miaradia amin'ny vahoaka no ahitana fandrosoana haingana. Aza atao ambany ny LANJAN'ny VAHOAKA. Mataoa miala ny teo aloha ny vahoaka dia satria hitany ny zava-dratsy vita noho izany mitady ny tsaratsara ny vahaoka. Manaraka ny fitondrana ny vahoaka rehefa sahy manala ny ratsy ny fitondrana.
novalian'i Fatsorali ny 29/10/2007 11:17
2. rahiratra
(
27/08/2007 05:53)
Rehefa malama vava, fetsifetsy ary mahay mijery akama dia izay no heverina mahay politika ka izay tokoa no mahaleo ny vahoaka. Rehefa tsy ao anaty atoko dia tsy izy. Vinany izany sa tsy vinany?
3. tsoraka
(
27/08/2007 06:08)
Sady fetsifetsy no mbola mampiasa fahaizana tenin'ny soratra masina avy ao anaty baiboly. Simba hatramin'ny finoana raha tsy mahay mijery ireo panao politika ratsy toetra ireo. Alahady mitory teny Alatsinainy manao risoriso ny fananambahoaka.
4. Jeankely
(
27/08/2007 06:15)
Raha miteny soratra masina dia jereo ny ataony sy ny fombany. Misy ny olona tena vonona ny hampandroso an'i Madagasikara saingy maro loatra ny mpanao politika ratsy fanahy hany ka lasa izay miresaka hampandroso indray no lasa tsisy hinoan'ny olona. Ny fomba fijery sy ny fahaizan'ny olona hanadihady dia zava-dehibe mitondra amin'ny fampandrosoana ka aza dia mihevitra fa taritiny havia sy havanana fotsiny ny olona.
5. Fatsorali
(
29/10/2007 11:17)
misy mpanao politika anga ety dago? na ny tena antoko politika aza tsy misy fa "groupes d'intérêt" daôly ireo milaza azy ho antoko ireo. ka iza no lazaintsika fa mpanao politika?
