RUGBY CAN 2007 atao eto Madagasikara ny lalao famaranana

1. ravatorano ( 24/08/2007 10:58)
Raikitra ary izao fa dia hatao eto Madagasikara ny lalao famaranana ny RUGBY CAN 2007 ny 26 sy 29 Septembre 2007 ho avy izao etsy Mahamasina.
Ireto avy ireo firenena mandray anjara amin'izany :
Kenya;Côte d'Ivoire,Ouganda ary ny Maki de Madagascar
Ny 26/09/07 no atao ny manasa-dalana anakiroa izay hifampikatrohan'i Kenya sy Ouganda ary Côte d'Ivoire sy ny Malagasy izany.
Ny andron'ny 29 sept 2007 kosa no hanaovana ny lalao famaranana izay samy hatao eo amin'ny kianjan'i Mahamasina daholo izany.
Araky ny fanambaran'Ingahy Noé Mboazafy mpanazatra ny ekipan'i Maki dia azotsika andrandraina ny fahazahona ny CAN 2007 amin ity satria ireo firenena ireo dia efa resitsika avokoa.
Mba ho fanomanana ireo lalao ireo dia handeha ho any Frantsa ny Maki ka hifampitsapa amin 'izany ekipan'ny séléction de Rugby de Provence izany izay tompon-dakan'i Eropa na champion d'Europe des Régions ao amin'ny kianjan'i La Plaine Sportive de Sorgues ny andron'ny 5 septambra 2007 ho avy izao.
Ianareo izay any na akaiky an'io toerana io dia entanina mba hanampy tosika ny mpilalao malagasy fa hery lehibe ho azy ireo ny mahita malagasy tonga maro hanohana azy na dia match d'entrainement ihany aza io.

novalian'i Balack ny 24/09/2007 15:10
2. menalamba ( 24/08/2007 13:21)
Dé mba ahita mivantana @ nety ve hono ny olona sa dia hilenda fotsiny toy ny teo aloha??:roll:
3. miou ( 27/08/2007 17:41)
mendrika kosa zany, fa tsika anie enjana ra mbola eto dago eh
4. totty ( 28/08/2007 11:27)
ravatorano
5. ravatorano ( 04/09/2007 20:06)
totty
6. Balack ( 24/09/2007 15:10)
Milay doly isika refa manohana ny antsika ,zahay aty dago koa de vonona ny hanohana sy hijery ny Maki e!
De tohano hatrany ny antsika fa sambany vo mbo nisy an-zao teto @ tanana e! Lasan-tsika io e!(l)tsika Maki
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.249