Izay nisasarana hifaliana na mbola tsy ampy aza.
1. Jeankely
(
22/08/2007 04:26)
Ny mpanatsatso tsy mitsahatra fa manambany izay ezaka vita. Izay Medaly azon'ny Malagasy hifalianay Malagasy mihintsy fa izany akory tsy milaza fa vita eo ny ezaka. Na toka-maso manjaka amin'ny tanin'ny jamba aza izay no izy ary na ianao lasa andafy io ve mba nahazo "Champion du monde" tamin'ny inona no manatsatso lava? Raha ireo mpanao fanatanjahatena vahiny izay avobe no miteny dia mangina sy menatra ny tenanay saingy ny olona tsy nahavita inon'inona tamin'ny fanatanjahatena no manatsatso tsisy tokony hakarary fo. Tsy ny fanatsatsoana mihintsy no asiana toerana fa izay kely vitanao ezahinao hatsaraina hatrany ary mitombona amin'ny sehatra rehetra io. Aty @ resaka politika no nosarana ity satria misy fifandraisany @ politika fampandrosoana ny fanatanjahatena.
répondu par Jeankely le 24/08/2007 05:24
2. ranitse
(
23/08/2007 01:39)
Misy dingana isankarazany ny fandrosoana ary mandalo izany ny tsirairay sy ny firenena. Izay mihevitra ny tonga dia lasa avolenta avy hatrany dia midika fa olona tsy mahalala ny fiheretana na mangidy. Tsy mahagaga izany satria mety ho zanaky ny avolenta ka ny avolenta no hitany. Ho an'ny tany mahantra kosa na fianakaviana mahantra dia mahita ny fahasahiranana ary mitady ny hevitra rehetra vao mahita fiakarana dingana iray. Tsy tapitra eo ny ady fa mitohy ary manezaka ny dingana manaraka. Tsy hitovy amin'ilay avy hatrany dia eny ambovonana.
3. Jeankely
(
23/08/2007 01:55)
I Salopard sy ny tsy makasitra Malagasy ary mihevitena ho tapitroatra efa mba vaky vava, folaka tanana ary vizana ve ianao sa vitan'ny mijery sy mitsikera? Ireo mpanao KARATE Malagasy nahazo medaly maro ireo tsy azoazo foana ny medaliny ka inona no tsy hifaliany? Mba mandiniha tena hoe inona ny medaly mba azoko rehefa mandray ondana hatory fa tsy faly manambany ny ezaka vitan'ny hafa. Tsisy maharatsy ny mifaly amin'izay ezaka vita mihintsy fa ny mijanona eo tsisy fandrosoana no ratsy. Manaja tena rehefa mba mahita izany andafy izany fa aza mampiseho ny fahavendranana.
4. fijo
(
23/08/2007 20:20)
le izy koa,aza ampitahaina ny mpanao fanatanjahantena aty iveay sy ny any e.raha mihoatra amin'ny aola reunion fotsiny aza anie dia efa ezakabe no nataon'ny gasy e.mbola inona indray
5. Jeankely
(
24/08/2007 05:24)
Be ny mitanisa teny anaty BAIBOLY eto nefa avy eo tsy mahalala na ny dikan'izany hoe fankasitrahana aza. Raha ny fotompisainana Malagasy na koa ireo izay milaza Christian na Muslim dia mahalala misaotra an'ANDRIAMANITRA, DIEU, ALLAH amin'izay rehetra azo. Koa inona no tsy hifaliana amin'izay dingana vitanao? Raha milaza ianao hoe ampy ary vita hatreo ny fianarana rehefa manana CEPE ianao tsy izy fa kosa raha nahazo voalohany oh 18 na 19.5/20 inona no maha-ratsy raha faly ny Ray amndrenin'ilay zaza na ilay zaza. Avy eo mitohy miakatra hatrany @ PhD raha azo atao miakatra Professor. Izay azo mahay misaotra ary sotro ranon'akoho hoy ny Malagasy ny kely azo handraindraina.
