Kanosa nefa tehanao

1. rabaradaka ( 20/08/2007 07:05)
Izay hakanosana izay no hita amin'ingahy Razoharimihaja Solofonantenaina Filohan'ny TIM amin'izy izao hilatsaka izao nefa dia laharana faharoa. taiza nama no nisy ka filohan'ny antoko eo amin'ny fitondrana no hanao deuxième liste an'ny antokony, taiza ? Ny tête de liste dia ingahy Ministre Donat Andriamahefamparany ary dia Razoarimihaja no manarala mitaingina azy. Ity ilay hoe politikan'ny dondrona sy dindery ary kanosa. Fa raha lehilahy naninona no tsy tany Ambatondrazaka no nilatsaka e ? Satria mazava any tsy tian'ny olona intsony io razoky io.
Aza mifidy olona gaigy sy manao politikan'ny fisa-doha rangahy a
novalian'i Jeankely ny 21/09/2007 11:12
2. rahiratra ( 20/08/2007 07:27)
Dia mba manaova hoe ianao laharana voalohany raha mba misy mitsiky aminao rabaradaka. Izay tsy fahaizany miverina aminy ary manafaingana ny fianjerany. Ny fahaizanao kosa asehoy ho hita fa afaka mampiseho tetika tsy mbola hitanao n'aiza n'aiza ny olona. Rehefa midoboka izy dia azy koa aiza no tianao hatao hanadaboka sa hanintsy sa hiorakoraka?
3. Jeankely ( 20/08/2007 08:26)
Efa hoe aleo hidoboka dia raiso raha mahay ko mbola mibaradaka ihany=))=))=))rabaradaka=))=))=))
4. madera2 ( 20/08/2007 18:19)
zay ny safidiny ka ho hitaeo ny tohiny
5. Jeankely ( 21/08/2007 06:32)
Raha manana antoko ianao hasoavy. Aza miditra amin'ny olan'ny hafa. Raha antoko tokana an'ny Malagasy iray manontolo dia mety azonao atao ihany ny miresaka ny zavatra hikambanana. Ny fahadisoany sahala izay rehetra nifandimby izy no hanarina sy hizaka azy. Ny fahaizanao asehoy dia ento ny firenena raha mahazaka koa ianao. Ny resaka firenena amiko tsy resaka baradaka fa fandraisana andraikitra. Raha kanosa izy maninona no mibaradaka fa tsy aseho fa mafy ianao?
6. nanas ( 21/08/2007 16:45)
Misy fanotaniana maitikitika kely misy olona iray efa 4 ve eto? Toa mh mh
7. nanas ( 21/08/2007 16:45)
Misy fanotaniana manitikitika kely misy olona iray zay 4 ve eto? Toa mh mh
8. Jeankely ( 23/08/2007 01:59)
Inona hono ry nanas no tsy anaovany xxx sa inona koa no dikan'ilay xxx aminao?
9. fijo ( 23/08/2007 20:24)
mila hafetsena sy tetika ny politika ry namana,ka tsy enti po fotsny hoe za izao dia hanao ity.tsy any mada irey no ahitana mpanao politika mipetraka ary nefa milatsaka aty.raha izay no tsaraina dia tsy mahay politika ilay mitsara.
aza hadino fa ny holany no tanjona,raha efa hainao ve fa tsy holany enao dia hiditra ao.tsy asaina milatsaka ao tana i reboza jerena azy.?
10. xxx ( 24/08/2007 17:10)
Hi hi!
Mampihomehy koa Fijo!
Tena d'ac aminao tanteraka aho!
Kanosa izy hoy ianao? eeeeee! Dia nandaitra sahady izany ny paikany. Sao gaga anefa ianao fa afaka volana vitsivitsy dia ho izy no anisan'ny mpitarika ny A.N. ao. Mba alefaso lalindalina moa ny fandinihana eh!
Ahoana hoy ianao izany?
Andao fa samy ho eto ihany isika.
Tsy fanao moa ny mifanamby!
11. Jeankely ( 27/08/2007 02:18)
Tsy misy zavatra mahagaga mihintsy ny zavatra miseho. Ny vahoaka ataon'ny mpanao politika tohatra fiakarana ary ampiasaina hafetsena ny fahazoana toerana. Ny mpitondra sy mpanao politika nifanesy hatramin'izay tsy tia ahalala ny LANJAN'ny vahaoka fa faly mahazo toerana. Ny Vahoaka nefa no manao ny fampandrosoana koa na katrakatraka tahaka inona aza ny TETIKA entina hampandroso raha tsy mahazo ary tsy misento amin'izany ny vahoaka dia miodikodina eo foana ary mitana laharana gisitra eo ihany ny firenena. Ny vahoaka ambony ary tokony ahafantatra sy hifanaraka amin'ny tetiky ny mpitondra izireo. Rehefa samy maka ho azy dia arak'izany samy mihaino fa laharana aoriana no misy ny firenena. Samy diso fa ny mpanao politika mangorona ihany.
12. niainalynx ( 21/09/2007 10:48)
zao fotsiny e : samy manana ny stratégie hitondrany ny antokony !
Ny anjaran'ny tsirairay dia ny manao izay hahasoa ny tenany dia rehefa tafa dia mba manampy ny hafa ! Zany no tena politika ry akama a !
13. Jeankely ( 21/09/2007 11:12)
Ny ahy ny tena tiako havoitra izany dia tsy tokony ho leo politika ny vahoaka Malagasy ka hitazam-potsiny izay ataon'ny mpanao politika. Na tsy hifidy aza ianao miverina aminao ihany ny fahavoazana noho izany raha ny hevitro dia hirotsahana mihintsy ary arahana hatramin'ny atsipirihany fa miala maina raha sendra vahoaka misy loha sy manaraka tsara. Dia tena misy mihintsy ny faly misoavaly ka ampitomboy ny fahaizana manadihady sy mampitombo izay hevitra hampandroso ny firenena. Ankoatr'izay dia faly ny hidabohan'i Madakasikara. Fijeriko iny
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.1749