Fanasoavana firenena ve midika fisolelahana @ mpitondra?
1. Jeankely
(
20/08/2007 06:59)
Rehefa miresaka eto momban'ny fandraisan'ny rehetra andraikitra, na ny tsy fankatoavana ny resaka politika mandany andro ary mamporisika ny rehetra ny hilofo ho an'ny tenany dia midika ve izay fa fisolelahana ny mpitondra? Aminay betsaka ny olona manao soa ary tsy mihevitra ny hanantona na hisolelaka amin'ny mpitondra fanjakana. Ny fanasoavanao ny tenanao ary fanampianao ny hafa na ara-toro-hevitra na hafa tsy midika mihintsy fa fankatoavana na fisolelahana @ mpitondra. Ny olona efa nandeha nanantona ny mpitondra ary tsy manao soa raha tsy ao anaty fanjakana izany angamba no mpisolelaka. Na aiza na aiza misy anao ary na inona na inona sehatra misy anao samy afaka mandray anjara amin'ny fanasoavana ny firenena amin'izay tandrify azy ary tsy misy filana dera amin'ny mpitondra mihintsy.
novalian'i Jeankely ny 24/08/2007 05:32
2. rahiratra
(
20/08/2007 07:31)
Manana anjara ny rehetra ary ny fanaovanao tandrevaka ny manandrify anao miverina aminao ihany. Samy tompon'andraikitra ary tsy an'ny fanjakana ihany ny ezaka. Ny vokatra ho anao noho izany mila mihezaka ianao. Ny fizahavana dera ho an'ireo mpanao politika ihany angamba. Rehefa tsisy seza dia mandrodana na manasoaso rehefa mahazo laka.
3. Jeankely
(
20/08/2007 08:17)
Misy manatsatso manko amin'ity hoe Extremiste e sns. Izahay tsy mbola nandingana indray mandeha izay misy ny mpitondra ary tsy mitady ho fatany mihintsy. Aminay ny fitiavana ny firenena ary fanasoavana azy miverina aminay ihany fa tsisy resaka mpanohana fitondrana izany. Ho an'ny mpanohatra kosa raha hevitra mitondra any amin'ny fandrosoana no ataony tsy misy handa fa manaraka ho azy. Ny sasany anefa toa resaka hafa sady miverindalana no asesika eto. Hafa no tondroin'ny molotra ary hafa no halehan'ny tanana.
4. kanota
(
20/08/2007 12:26)
Tsy misy tia firenena izany eo ry JK fa rehefa tsy misy makany ampaosiny dia owaowawa foana io.
5. Jeankely
(
20/08/2007 12:56)
Dia owawaowa eo foana marina izany. Ny mampalahelo nefa dia manontany indray izy hoe aiza no laharana misy. F'angaha miakatra ho azy eo ny laharana raha tsy miezaka mafy. Ny Firenena sasay mihazakazaka ianao variana miowawaowa marina koa azo atao ahoana raha sahirana. Samy hanontanian'ny taranaka eo daholo.
6. ranitse
(
20/08/2007 13:01)
Izay mahasoa tohizo ry nama fa aza mifaninana amin'ny ratsy saina izany. Olona avy nanao vinany ve tsy izay anaovana vinany ihany no ao andohany?
8. Jeankely
(
24/08/2007 05:32)
Marina izany ry "fijo" fa ny anampiako kely ny namana angamba dia ireo manao soa tsy dia miresaka fa manohy ny fanaovany soa. Ny zatra ny manao tsy mety kosa dia mivazavaza tsisy farany ary miezaka hameno ny soratra sy ny sehatra rehetra ka lasa sahalan'izireo no betsaka. Ny manao soa maro saingy ny poizina na kely aza mahafaty. Aretina kely manimba ny vatana iray manontolo raha tsy voatsabo. Ny toetra tsy mendrika vitan'ny tompon'andraikitra iray ny firenena iray manontolo no mijinja azy.
