Misy ny laharam-pahamehana ary tsy miara-vita ny rehetra
1. Jeankely
(
18/08/2007 04:36)
Ny filazana fa ankosombolamena ny zava-bita ary tsisy fiantraikany amin'ny vahoaka dia lainga sy fanatsatsoana. Manampahaizana ianao ary manaova fanadihadihana fa ilain'ny olona izay zava-bita na mbola tsy ampy aza. Ny filazana fa betsaka ny olana dia loza raha ny olona andafy no tsy mahay fa tsy miaraka voavaha ny olana rehetra. Misy lahara-pahamehana ary izay no henjehina. Ny fanjakana manana ny adidiny ary ny tsirairay manao koa. Dia mbola gaga ihany aho fa ilay bazylou mipetraka Europe no tsy mahafantatra fa manana ny andraikiny lehibe ny Secteur Privé amin'ny fanarenana ny firenena sy famahana ny olana rehetra. Asa mba nianatra Economie ve io bazylou io sa inona fa tsy misy izany paradisa sy volabe izany ary safidy ny fanapaha-kevitra hanao zavatra iray. Rehefa manao iray dia mijanona ny iray ary misy vidiny mitambesatra tokoa iny mijanona iny. Misy akony ny zava-bita na mivantana na ankolaka. Madagasikara mbola sahirana fa ny ezak ataony no hampandroso azy ary mifandrombaka mampandroso daholo ny sehatra rehetra. Ny loza anefa dia misy ny mpanimba, mpamotika ny vita, mpanapaka, mpamafy tsao, mpandainga, mpifaninana amin'ny kolikoly, mpandrendrika ary tsy mahafantatra afatsy nytombontsoany sns. Na mpitondra izy na iza izay ahasoa ny firenena no hifamdrombahana fa tsy ny zava-dratsy no hifampisehoana ny fahaizana.
répondu par Jeankely le 19/08/2007 04:56
2. kanota
(
18/08/2007 04:48)
Ny an'i bazylou mahazo vehivavy vazaha, manaratsy Malagasy ary hatramin'ny Raiamdreniny aza lazainy manasola azy rehefa mandalo Madagasikara izy. Izany no lahara-pahamehany. Jereo fa nosoratany ireo. Aza gaga amin'i bazylou GIDRO
3. Jeankely
(
18/08/2007 05:29)
Be resaka fa tsy misy miara-vita izany. Iza no tsy mahalala fa ilaina ny angovo saingy ny lova napetraky ny dadatoan'i bazylou tsy dinihany vao miteny izy. Na any ambany tany aza mila mirehatra 24/24 ny jiro ary ireny trano be ireny maizina raha tsisy jiro. Mazava fa tena manahirana io ary misakana zavatra maro. Ny lesona omena anefa izay vita potehina na dorana. Ny etsy tsy vita ny ery potehina ary korontana ambony ambany. Izay hampandroso no afafy ho an'ny rehetra fa tsy ny miverin-dalana. Mila miezaka ny Malagasy tsirairay ary ao amin'ny sehatra rehetra raha tia hisongadina. Ny fanatsatsoana sy fitaritana miverina ezahina potehina fa mamotika ny ho avin'ny firenena.
4. tsoraka
(
18/08/2007 07:15)
Tsy misy vita indray maka izany e. Na ny ataonao sy asanao aza tsy vita indray mijery. Resaka firenena io. Misy ny miady mafy ary misy ny mpamingana sy mampitambotsottra fotsiny. Ny fahavoazana aza hifalian'ny sasany sy hireharehany erany rehetra satria izy manana. Ny Malagasy no mahatafita an'i Madagasikara rehefa samy miezaka.
5. Jeankely
(
18/08/2007 07:24)
Mazava fa misy ny firenena mihazakazaka ary misy taraiky. Inona no mahataraiky azy satria variana miady antrano, mifandrombaka politika, mifampiaro kolikoly. Tsy lesona io fa hiainana. Fa ahoana ao anaty 10 taona ny sasany mahavita zavatra mivangaina? Satria ny vahoaka rehetra samy vonona handroso ary miaro ny fandrosoana sy ny zavatra vitany. Ny zatra mijapy machine avy niala tamin'ny fiainana Madagasikara rehefa mahita ny zavatra avobe isan-karazany andafy dia mihevitra fa vita mora sy nanonofy fotsiny ny olona dia nipetraka daholo ny rehetra. Ady io ary asa mafy fa tsy vita mora izany. Ny olona koa mitetika ny hifehy anao noho izany tsy misy afatsy ny manamafy ny ezaka rehetra izay hatao.
6. kanota
(
18/08/2007 07:28)
bazylou GIDRO nivoaka ny ala ka lazainy voajanahary daholo ny rehetra fa tsy nisy ezaka hany ka mitsambikimbikana eran'izao resaka rehetra izao no antony.
7. rahiratra
(
18/08/2007 07:43)
Hahahaha ampidiro laharampahamehana koa ny fidarofana bazylou miteniteny foana. Tena mitady fon'ny pokona mihintsy ry zalahy. Maina eo fa tsy tafavoaka. Iza no hiverina aminao eo na hijaly tahakan'ny inona aza. Aza manantena intsony ry bazylou ooo=))=))=)).
8. Ragadona
(
18/08/2007 12:08)
les deux extremes ont tous tort....... satria samy tsy afaka manao autocritique fa andevozin ny fironany...raha samy mandinika i bazylou sy ny firongony ary jeankely sy ny ps isan karazany dia hahitam-bokatra ny lohahevitra sokafan izy ireo eto, raha tsy izany dia toy ny adi hevitry ny jamba....
10. Jeankely
(
19/08/2007 04:56)
Raha ady hevitry ny jamba io azo atao ahoana moa. Fa ny nahagaga dia ianao niditra @'ny resaka jamba. Ny anay na ahoana na ahoana dia Madagasikara Tanindrazanay ary tsy mahafaly anay mihintsy ny mihirahira sy mitanisa ny fahavoazany. Raha mahay izahay dia izay hampandroso azy no zahavinay. Manaiky izay fa tsy mahavoa raha mbola gisitra ary ny tenanay no jerenay voalohany hoe mahavoa sa tsia fa tsy ny hafa. Ianao mipetraka andafy mahavoa sady mpanana koa tsisy azo ambara fa mamporisika hatrany izahay fa miezaka vao tafita. Na faly ianao na tsy faly izany no resahinay.
