Ho an'i Bazilou - Tsy tia gasy

1. xxx ( 17/08/2007 21:55)
Atletisma. Nanjakazaka ny Malagasy
16-08-2007 / 13:41
Nanjakan’ny atleta malagasy tanteraka ny andro voalohany amin’ny fifaninanana Lalaon’ny Nosy andiany faha-7, tetsy amin’ny kianjan’Alarobia, eo amin’ny taranja atletisma.

Medaly 18 be izao no norombahin’izy ireo nandritra izany ka ny 9 tamin’izany no volamena, 7 volafotsy ary 2 alimo. Tsahivina fa famaranana 13 avy hatrany no natao ka ny efatra tamin’ireo ihany no tsy azontsika, dia ny teo amin’ny halavirana 10.000 marche Lehilahy, 100m Lehilahy, Hauteur Lehilahy ary ny Poids Lehilahy. Marihina fa tonga teny omaly ny Filoham-pirenena malagasy, Atoa Marc Ravalomanana. Hitohy anio ny fifaninanana ka antenaina fa mbola handrombaka medaly maro ny Malagasy.

Toy izao no vokatra nandritra ny andro voalohany: 400m Haies (V): 1- Razanamalala Hanitra Olga (Mada). 100m (jamba Vehivavy): 1- Roseline Masindrazana (Mada). Marteau (V): 1- Doris Ratsimbazafy (Mada). Triple saut (V): 1- Rapitsaravolazandry (Mada). 200m (V): 1- Embony Elodie Vanessa. 200m (jamba lehilahy): 1- Tsimazava Clément (Mada). 800m (L): 1- Andrianjafy Mahefa (Mada). 1500m (V): Saholinirina Marie Eliane (Mada). 10.000m (V): 1- Fulgence Rakotondrasoa (Mada).

2. xxx ( 17/08/2007 22:01)
Bazil milaza fa tsy mahay ny gasy ka ahona io ambony io lety a????
3. bazylou ( 18/08/2007 01:34)
raha atotaly ny medaille azo dia faharoa nygasy fa tsy prem;; ka inn, nefa eoa min'ny taniny no anaovana ny zedezily!!:-P:-P
4. Jeankely ( 18/08/2007 04:43)
Ny medaly azonao mba lazao raha misy bazylou fa aza be resaka a. Ianao no tena tsy mbola niravaka medaly. Ny anay na kely io na tsia dia efa niravaka izahay. Izaho manokana dia nanao fanatanjahatena ary efa niravaka saingy tsy lazaiko anao hoe iza aho.
5. niainalynx ( 21/09/2007 11:21)
aleo ny anaran'ny bazylou atao hoe "gasy taloha" e:lol::lol::lol::lol::lol::lol:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.358