izy m'raL

1. ronaldo09 ( 17/08/2007 19:06)
Fa hono ho aho ry Jeankely sy bazylou fa ahoana raha tsy manangatsandry hoatrio ?Mba mpamaky ary mpandray anjara mahafatra-po ihany ny tenanay ka aleo ny marina no lazaina .
Miady mareo nefa le olona arovana sy toherina migalabona amina volabe tsy aleo manao toa ahy mijery baolina fotsiny?Sady ny baolina maty no ifampitsarana(BMI)
répondu par Jeankely le 18/08/2007 04:22
2. menalamba ( 17/08/2007 20:30)
Raha misy ny mpijery baolina dia misy koa izany ny mpitsara afovoany sy mpitsara anjorony ,dia misy koa ny mpanazatra,ho@ mpilalao andaniny roa,dia misy koa mpiloka,dia misy koa mpigirôbaka etc ,etc..samy mandray anjara araka izay tandrify azy izany ,fa tsy hoe tokony ho mpijery baolina fotsiny daholo ny olona rehetra ;dia inona sisa no hojerena eo izany:^):^):-D:-D
3. Jeankely ( 18/08/2007 04:22)
Ok menalamba. Ny teniko aminao ronaldo09 dia ity. Izaho tsy miaro ny mpitondra ary tsy mahafantatra ahy akory na iray amin'ny mpitondra aza. Izaho koa tsy any Madagasikara amin'izao fotoana izao. Izaho tia an'i Madagasikara ary hiverina any aho. Noho izany resaka Malagasy sy Madagasikara no resahiko fa tsy fiarovana mpitondra. Amiko ary efa nolazaiko izany fa sahala ny hazakazaka mifampitohy io ka ny mpitondra eo aloha manezaka mafy ary manolotra andehanan'ny mpitondra manaraka satria hifandimbiasana io. Aminao mpijery baolina dia izay hiafarany eo fa milamina ny fiainanao. Tsy mitovy ny fomba fijery. Ho ahy rehefa mamafy resaka alika dia valiana resaka alika ary homena ny zavatra mitombona. Izaho tsy afaka hanafosafo ny mandaka ahy fa asiako totohondry sy daka mandrivorivo koa.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0575