nampandova fahotana antsika marina ve i adama sy eva??

1. bosista ( 17/08/2007 12:57)
araka ny fampianarana misy amin'ny fivavahana ankehitriny de we nandova fahotana tamin'i adama sy eva isika ,((fahotana tamin'ny fototra no filaza azy))ary ny nahatonga antsika ho faty hono dia nohon'ny nataon'izy ireo roa , fa raha oh ka tsy nanonta ry zareo de tsy ho faty velively isika,nefa aiza ho aiza izay zavatra izay eo anatrehan'ny soratra:
ny ray tsy hatao maty amin'ny ataon'ny zanany ary ny zanaka tsy hatao maty amin'ny ataon'ny rainy fa samy fa samy hatao maty amin'ny fahotany avy ny olona (deot24/16)
fa ny olona dia samy ho fatin'ny helony avy,izay rehetra homana ny voaloboka dia izy ihany no hadilo nify(jeremia31/30)?????
novalian'i prime ny 04/09/2007 12:01
2. salmo1 ( 17/08/2007 14:44)
Raha tsy nanota ny olona voalohany dia tsy tahak'izao isika. Dia naniraka ny zanany Andriamanitra mba hamelana ny heloky ny olona. Ary maty i Jesosy nohony fahontantsika olom-belona.
3. todisoa2 ( 17/08/2007 15:15)
Eto dia misy karazany roa ny fahotana dia ny fahotana fototra (SIN) sy ny fahotana aterak'izany (OTA) (SINS). Isika dia nandova ota hatry ny ela. Raha mandinika ny @ Genesisy isika, arak'ilay hevitra efa napetrako any aloha, dia samy nandinika ny @ fiatombohan'izao tontolo izao ny olona, efa ho 2600 taona (mahery) lasa izay. Teo no niainga ny inspirations. Ka anisan'ny ''conclusion'' noraisina voalohany dia hoe nisy zavatra tsy mifanaraka @ tokony hoizy matoa misy fahafatesana. Izany hoe misy ny fahotana. Dia lasa tsanga-kevitra ilay hoe ''Adama ela '' izay fahotana t@ fototra.

Eto izany, araky ny Baiboly, dia ny fahotana fototra no miteraka ota (actions)eo amintsika. Io ilay hoe ''ny fahafatesana no tambin'ny ota''. Ny fahotana fototra, izay lovana dia tsy mahafaty raha miaik marina ny fahotantsika isika, ary tsy mahalala ota.
4. niryna ( 17/08/2007 20:19)
Misaotra an'i salmo1 sy todisoa2 aho.Hanampiko izany dia nomen'Atra ho tonga nofo i kristy ahita ny fiainana ara nofo.Ahita ny fijaliana mahazo ny olona ary nanaiky izy ny hanavotra ny rehetra satria tsy maitsy andoha trosa isika,izany hoe na inona no atao dia tsy maitsy misy valiny daholo.Mety mivaly aminao ary mety mivaly amin'ny taranaka mandimby.Eny fa na dia hoe ny heloky ny ray tsy heloky ny zanaka.
Atra efa nanome an'io teny io hoe hanome tso-drano an'ny taranaka mandimby ho an'ireo izay manaja Azy sy tia Azy ary miankohaka Azy izy.Ary hanozona ireo izay mankahala sy tsy mino Azy ny taranana ka ny fahafatesana no tambiny.
5. niryna ( 17/08/2007 20:30)
Ary hanozona ireo izay mankahala sy tsy mino Azy ny taranaka ka ny fahafatesana no tambiny.

Taranaka no tiako tenenina,miala-tsiny.

Niteny koa kristy fa tsy misy marina na iray aza,saingy nanome fampaherezana ho antsika rehetra Izy fa" na mena toy ny jaky aza ny fahotana dia ho fotsy toy oram-panalana" (a condition) ka mibebaka sy mahafantatra ary mihaiky izany hota izany.Na inona na inona tsy misy fanavahana.
Raha arahana ny hafany dia tsy ho kivy na hatahotra ny tsy hiaraka aminy intsony isika.Satria izay manankina ny fiainana iray manontolo Aminy dia hanana fiainana mandrakizay(fanahy ho velona hiaraka Aminy )
Nanota isika,nahafantatra izany,niaiky tokoa fa tsy hanao izany intsony ary dia nametraka ny fiainana eo anatrehan'Atra mba ho tantanany.
Mino,ary rehefa miditra lalindalina ny finoana azy dia manaiky atao batisa ,izany hoe ilay hendrika batisa izany izay tao anatin'ny rano jordana dia manadio ny fahotana.Ny anarantsika dia iny ihany saingy ny lalany ho diavintsika dia tsy iny taloha iny intsony satria efa manana mpanavotra dia i kristy.

6. niryna ( 17/08/2007 20:33)
Dia lasa manana fiainana vaovao.Ahoana koa izany kanefa izaho ihany no izaho?
Manomboka miova sy mitandrina izay fihetsika,fiteny,manana fitiavana ny rehetra na tia anao na tsy tia anao ilay olona,hivavahana rehefa manome fahatezerana anao,mampiseho modely ny mpiara-monina,mpiara-miasa,ary manampy ireo izay mbola tsy mahalala izany fahasoavana nomen'Atra izany sy mbola tsy nahita experience fa tena misy Izy.
Matetika anefa ny mpaminany tsy masina an-taniny ka ny anjara atao dia ny mivavaka azy ireny mba hanatonany sy hanany fo mitady an'i Kristy.
7. niryna ( 17/08/2007 20:42)
Mpandova fahotana isika saingy afaka mivoatra ary mivoaka ao anaty vovo satria efa notorina ny tenin'Atra ,ary mandalo fisedrana maro kanefa tsy ahatao ahakivy izany ka dia miezaka ny hiala ao anatin'ny figadrana.
Ohatra vehivavy miteraka ary hijaly no nataon'Atra ohatra an'i Eva.
Hiasa mandra-pahafatiny ary ny hatsembohan'ny tavany no ihinany no ohatra nomeny an'i Adama.
Olona daholo ireo ary isika koa dia hijaly tanteraka raha tsy manankina sy manantena an'Atra ny fiainantsika,raha miantehatra ny fahaizana sy ny saim-patantsika fotsiny fa tsy mivavaka Aminy .
"omeo anay anio ny hanina sahaza ho anay",mila mitady sy mampiasa ny tenin'Atra isan'andro isika satria iny no mofon'aina.Mahafantatra fa Izy no miharo sy manampy ny ampitso ka tsy hanana ahiahy ny ampitso.
Na inona na inona ny fahotana eny fa na dia ny fankahalana olona fotsiny ihany aza no ataoko ohatra raha tsy mamela ilay olona mankahala anao iny ianao dia tsy ho afaka mihitsy ny gadranao.
Dia ireo fijaliana mahazo an'i adama sy eva ireo izany no mbola mahazo antsika raha tsy nisy an'i Kristy nampianatra ny lalany isika.8)
8. fijo ( 17/08/2007 22:26)
ny zaza vao teraka nefa dia maty koa ve izany efa nanota?????
ny olona maty anie dia satria tsy miasa tsara intsony ny taovany e,fa tsy hoe nanota i adama dia za no hofaty.tsy misy idirako ny oany tany raha nanota tokoa izy
9. Kwasi ( 18/08/2007 17:19)
Raha ny voalazan'ny baiboly aloha dia hoe "fa fahafatesana no tambin'ny ota" [otan' Adama sy Eva]. Ka io fahafatesana io ilay lova avy t@n-dry zareo.
Alaivo an-tsaina hoe misy olona iray nanana fiara tena raitra, dia au lieu de hoe essence no nataony tao anaty reservoir dia gasoil no narotsany. Dia simba ilay fiara ary tsy avotra intsony (ho tahaka ny t@ voalohany). Maty ilay tompony dia nandova ny zanany. Ka na hoe sitrapon'ny zanany na tsia dia nandova fiara tsy norma intsony ry zareo, noho ny hadalan'ny rainy, na zazakely io mpandova io na olondehibe na antitra efa mangozohozo.

==> Lova avy @ i Adama sy Eva = Fahafatesana. Izay ihany. On n'a pas le choix.

Soa fa tao ilay hoe fitiavan'Andriamanitra, ka nanirahany an'i JK, hanarina ny degat. Ary vitany soa aman-tsara ny mission: resiny ny fahafatesana.

==> Lova avy @ i Kristy, ho an'izay mandray azy = fiainana mandrakizay. Mais ici on a le choix: a prendre ou a laisser.
10. bosista ( 20/08/2007 14:27)
raha izany no izy,
- rariny ve isika no ampizakain'Andriamnitra ny acte n'i adam sy eva?
aiza le justice amzany?
- fahotana no tambin'ny ota= fomba ahoana no ahafahan'tsika milaza fa otan'ny adam io?
-jesosy anefa tsy nanota nefa maty izy de ahoana?
ny biby rehetra koa tsy nanota nefa maty izy ireny de ahoana?
11. ikaretsaka ( 20/08/2007 22:54)
ny fahafatesan'i Jesoa dia fahafatesana hafa mihitsy ka.. voalaza ao io
ie: "rariny aminy hono"
12. Kwasi ( 21/08/2007 02:26)
bosista:

raha izany no izy,
- rariny ve isika no ampizakain'Andriamnitra ny acte n'i adam sy eva?
aiza le justice amzany?
- fahotana no tambin'ny ota= fomba ahoana no ahafahan'tsika milaza fa otan'ny adam io?
-jesosy anefa tsy nanota nefa maty izy de ahoana?
ny biby rehetra koa tsy nanota nefa maty izy ireny de ahoana?


Tsy misy hoe rariny sy tsy rariny io. Aleo raisina hoe izay no lozikan'Andriamanitra izay tsy mitovy @ lozikantsika.

Fa angaha moa isika no milaza fa hoe vokatry ny otan'i Adama io fahafatesana io fa tsy ny baiboly?

Ny fahafatesan'i Jesosy dia tsy vokatry ny fahotana, fa mission efa nomen'A/Tra azy ny hoe reseo ny fahafatesana. Tsy nanota izy fa maty noho ny ota.

Ny momba ny biby indray aloha toa tsy misy firesahana azy ao anaty baiboly raha ny hitako hatr@ izao, ka tsy hitako izay havaly.

Ary bosista mampibosy an!:)

13. fijo ( 21/08/2007 22:14)
ka lery izany tsy maty namafa ny fahotan'ny mpino indray no mbola voasazy hofaty ny olona?????

aiza ihany ary ity fivavahana ity????toa izay voalaza ery aloha dikaina eto aoriana
14. Kwasi ( 22/08/2007 02:58)
Maty vao velona ka. Tsisy mandika mihitsy eo.
Ho an.ny mpino le fiainana mbola hitohy ho @ fiainana mandrakizay.
15. fijo ( 22/08/2007 21:46)
ny gasy koa ry akama mino fa ny maty mbola mitohy ny fiainany an,izay no hanajana ny razana
16. prime ( 04/09/2007 12:01)
Miarahaba antsika rehetra ato...
bosista:
rariny ve isika no ampizakain'Andriamnitra ny acte n'i adam sy eva?
aiza le justice amzany?

[List=1]
  • taranak'iza moa isika ry bosista?
  • moa va Andriamanitra no te-hampizaka ny nataon'i Adama sy Eva sa vokatry ny ataon'ny olona no maha-mpanota azy?
  • d iza isika nohariana no afaka hitsara ny rariny sy tsy rariny amin'ny fanapahan-kevitr'Andriamanitra?
  • [/List]
    bosista:
    fahotana no tambin'ny ota= fomba ahoana no ahafahan'tsika milaza fa otan'ny adam io?
    ... "Fa fahafatesana no tambin'ny ota; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika." [b]Romana 6:23 io no texte tena izy r'ise a... ka mila avahana ny ota fototra sy ny otan'ny zanak'olombelona rehetra tsirairay avy... fa na ilay ota fototra nataon'i Adama sy Eva, na ilay ota miseho andavanandro ataon'ny tsirairay noho ny filàn'ny nofo, dia samy fahafatesana avokoa no tambiny rehefa tanteraka ireo...
    bosista:
    jesosy anefa tsy nanota nefa maty izy de ahoana?
    ... Jesosy tokoa tsy nanota fa nitondra ny fahotàn'izao tontolo izao mba ho famonjena an'izao tontolo izao... raha ny tena marina dia izaho sy ianao no tokony nohomboana teo amin'ny hazofijaliana ary novonoina noho ny ota rehetra vitako sy vitanao izany hoe mendrika mihitsy izany isika satria nanao heloka tsy tambo isaina, nefa dia Jesosy Kristy no nanaiky hisolo ahy sy ianao ho faty teo mba ho velona sy ho voavonjy izaho sy ianao... tia ahy Izy, tia anao koa ary izany no nanekeny izany asa goavana izany mba hahafan-keloka ahy sy ianao raha mino Azy tokoa isika...

    Fa ny tena herin'i Kristy dia tsy ny nahafatesany ihany ho famelàna ny helotsika fa indrindra indrindra ny nitsanganany tamin'ny maty ho taratry ny fiainana ho avy, maneho ny fandresena ny fahavalo sarotra indrindra dia io fahafatesana io...
    © Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 1.9064