Vavaka ho an'ny namana...

1. Mandefitra ( 17/08/2007 12:23)
Andriamanitra o
ny namana rehetra zay miserasera,
tsy mahalala Anao, na koa tsy te hahalala
Bitsiho ny fanahy, f'efa mandeha ny lera
Ampidiro anaty vala.

Ny tananao mahery, nivimbina azy hatrany
aza mbola avotsitra
Tantano tsy ho very fa raha eto antany
mbola be ny fositra.

Toroy lala-marina tsy mikitaontaona
Tolory fitiavana
Fa raha zahay mpanompo mantsy no mitaona,
tsy mino le rahavana!

Dia tonga ondry iray, miaraka midera
samy ho voavonjy
ny namana rehetra zay miserasera
Misaotra ry Mpamonjy.

AMEN
novalian'i fijo ny 22/08/2007 22:24
2. Fiffi ( 17/08/2007 12:38)
misaotra anao ry Mandefitra....^:^^:^
3. mbaliana ( 17/08/2007 19:42)
miombom-bavaka amin'i mandefitra
4. ratonga ( 17/08/2007 20:02)
http://www.dailymotion.com/relevance/search/dadah-francia-rija+/video/x1eeri_andriamanitra-dadah-rija-francia
5. cutie ( 17/08/2007 20:23)
merci ratonga :lol:
6. ratonga ( 17/08/2007 20:26)
:wink::lol:
7. niryna ( 17/08/2007 20:48)
Misaotra mandefitra:*
8. fijo ( 17/08/2007 22:31)
hibitsika ahy amin'ny teny inona nefa lery????ngaha mahay teny gasy hono izy izany????ar vala aiza io hitondrany ahy io????sao valan'omby
9. ratonga ( 18/08/2007 08:45)
fijo :-D:-D:-D
10. paris10 ( 18/08/2007 14:03)
ato koa dia tsy hatsikana sy lalao ka mba hajao ny fivavahan'ny namana ho an'ny namana!
11. niryna ( 20/08/2007 03:56)
fijo:

hibitsika ahy amin'ny teny inona nefa lery????ngaha mahay teny gasy hono izy izany????ar vala aiza io hitondrany ahy io????sao valan'omby

Teny tsy fantatra aza ampitenenany ny olona koa na inona na inona teny ataontsika dia hainy daholo:roll:.Teny iray no nomeny ny olona saingy iny teny iray iny no noentin'ny olombelona hanaovana zavatra fankahalana ary dia nomen'Atra teny maro izy ireo mba tsy hiara-hisain-dratsy.Izay no antony iray nahatonga ny fiteny maro,ao anaty baiboly io fijo a

12. Mandefitra ( 20/08/2007 05:38)
Hoy i fijo:
hibitsika ahy amin'ny teny inona nefa lery????ngaha mahay teny gasy hono izy izany????

Ny teny rehetra hainy ka, satria Izy no Mpamorona.
ar vala aiza io hitondrany ahy io????sao valan'omby

Fanjakan'ny lanitra :)
13. fijo ( 22/08/2007 22:24)
ahoana no hinoako fa hainy ny teny rehetra???sa hoe izay fotsiny indray dia mino.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0493