namana

1. fijo ( 16/08/2007 23:00)
azafady ,fa nisy dinika nalefako teto omaly momba ny namana,ary efa nisy namaly,"fasaly ngamba izy izay,nefa dia tsy tazako intsony????
sao nisy namindra le izy?
novalian'i fijo ny 21/08/2007 22:21
2. cutie ( 16/08/2007 23:17)
lasa ary @forum vavolombelona
3. ftma ( 17/08/2007 06:38)
Ato ihany mahatamana an'i fijo dia tsy hitany hoe nafindra ary ilay dinika :wink: http://forum.serasera.org/?rub=dinika/message&msgid=m46c36607435d2
4. Fiffi ( 17/08/2007 12:44)
Mpandefa : fijo [ Valio ] 15-08-2007 22:45:59
Lohateny : tena namana
nisy resaka vao novaliako teo momba ny fandaizan'ny olona akaiky anao.
za kosa eto hiresaka ny momba ny namana.
misy namana ato izay tena lasa namako be.nifampizara zavatra be tamiko.tsy mbola nifankahita(vatana) izahay roalahy fa efanifankahita sary.
narary io namana io,ary tena tsy mbola natahotra hovery namana toa izany aho.ny hafatra azoko momba azy koa tamin'izany somary ratsy matetika.ary tena nampanahy ahy.soa fa tsy naninona izy izao.
ny tiako lazaina eto dia izao,ny namana rehefa tena mifandray dia lasa olona akaiky be koa,ary mampahangotsika ny maeno vaovao ratsy momba azy.ka ny namana toa izay dia lasa olona tsy hofaty mihintsy ko,fa tavela foana .
5. ftma ( 17/08/2007 14:38)
fa maninona naverina ato ilay soratan'i fijo? nga tsy ny dinika iray manontolo no tiany ho hita fa io soratany io ihany? lasa tsy mifanaraka @ ilay fivavahana sy finoana io loha-hevitra io raha ato no tohizana
6. cutie ( 17/08/2007 14:40)
:-D:-D:-D:-D
7. niryna ( 17/08/2007 21:15)
Ny tena namana dia afaka mizara ny fahoriana sy ny milaza ny marina na mankarary aza ilay teny,tsy mba mandatsa na manao teny manafintohina na manao tena tsy voahevitra satria fantany fa hiteraka ady izany ary ho very namana izy.Tsy mba manao teny tsy voahevitra na manao izay mankarary fo fa mitandrina vao miteny.Izany no atao hoe tena namana,tsy manary na amin'ny inona na amin'inona.
8. fijo ( 17/08/2007 23:07)
efa itako ka,marina fa tsy resaka finoana le izy ,fa nynanaovako azy tato dia misy ilay resaka olona nandao.
9. paris10 ( 18/08/2007 16:56)
"ftma":
fa maninona naverina ato ilay soratan'i fijo? nga tsy ny dinika iray manontolo no tiany ho hita fa io soratany io ihany?
"fijo":
efa itako ka,marina fa tsy resaka finoana le izy ,fa nynanaovako azy tato dia misy ilay resaka olona nandao.
io ny valiny.
10. fijo ( 21/08/2007 22:21)
misaotra an'i paris marseille e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.21