mahagaga ahy ka mba mila valiny

1. miou ( 16/08/2007 18:05)
manin kay ny resaka mekanika no atao sport nefa misy fanatanjahan'tena mbola enjana noho io tsy mba raisina ho sport sy ananganana federation sns eh,
mba sendra niserarana le eritreritr'eh, ka mba mila valiny
novalian'i tenagasy ny 18/08/2007 16:53
2. toovs ( 17/08/2007 13:13)
miou:

manin kay ny resaka mekanika no atao sport nefa misy fanatanjahan'tena mbola enjana noho io tsy mba raisina ho sport sy ananganana federation sns eh,
mba sendra niserarana le eritreritr'eh, ka mba mila valiny



mekanika zany ve tsy vasita be. mekanika indostriela sa mekanika fiarakodia?
3. ronaldo09 ( 17/08/2007 20:01)
fiarakodia:lol:
4. miou ( 18/08/2007 08:42)
ie fiarakodia, (raly,moto,f1,...) de nefa misy mbola mandreraka no io tsy mba anaovana compet, akana medaly
5. tenagasy ( 18/08/2007 14:02)
Mankamamy be ô!
Ho tsorina angamba ny famaliana ny resaka araka ny fahafantarako azy (amim-panetren-tena: mpikaroka momba an'io, fa tsy hoe mafy be akory! hi hi hi):
Ny famaritana ny atao hoe "Sport = Fanatanjahantena" aloha dia "lalao ara-batana anaovana fifaninanana" izany hoe na manao KARATE aza ohatra ianao ka tsy manao fifaninanana tokony tsy ho azo antsoina hoe manao Sport...fa manao fitaizam-batana (ny fitaizam-batana dia anisan'ny soatoavina voizina ao anatin'ny SPORT).
Noho izany, izay rehetra lalao mampiasa vatana ka anaovana fifaninanana dia azo antsoina hoe sport avokoa. Saingy mba hahatonga ny sport iray ho azo lalaovina sy ifaninanana ao anatin' ireny lalao iraisampirenena ireny dia maro ny singa tsy maintsy voamarina, ohatra hoe lalaovin'ny ankamaroan'ny firenena mandray anjara amin'ilay lalao izay hiaraha-manao. Dia misy arak'izany ireo antsoina hoe: SPORT OLYMPIQUE! Izany hoe ireo fanatanjahantena izay eken'ny be sy ny maro (maneran-tany) fa iraisam-pirenena (lalaovin'ny ankamaroany).
Ka Raha ny fiarakodia manokana no hasianteny, tsy hiditra lalina isika fa ohatra fotsiny: vitsy ny olona mahavita ny accrobatie vitan'iny Fernando Alonso iny (asa raha efa hitanareo, fa ohatra iray ihany iny) matoa tahaka an'iny izy; ny tiana ho lazaina dia hoe: aza diso fihevitra fa olona mipetraka fotsiny dia mikitikitika sy kinga tanana sy tongotra ireny mpanamory fiara kalaza ireny (ary na ireo ihany aza dia efa mila fikoloana sy fitaizàna vatana matotra be) fa tena mila vatana sy saina ... voakoja sy voakolo tanteraka tokoa ireo.
Tena tsy afa-po amin'ito valin-teniko ito aho nefa tsy ho vita eto raha hovelarina ka dia noezahina notsorina araka izay vita satria amiko aleo manao izay vita na tsy ho faran'izay mety aza toy izay tsy manao mihitsy!
Mirary soa eh!
6. miou ( 18/08/2007 16:40)
ka misy sport tsisy zay tsy manao azy anie eh, ary tsisy tsy mpakafi, tsy mendrika atao oe sport ve izany sport izany ?
7. tenagasy ( 18/08/2007 16:53)
Mankamamy!
I Miou kosa rangah manao méou méou toy ny piso ah! Tsy mba manome rehefa mahazo tsonjo!:roll:
Vazivazy iray andalana ny ahy an! Fa omeo ohatra ny Sport tianao hambara!
Mirary soa!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3406