Ezahan'ny sasany pempoina mihintsy ny toe-tsaina Malagasy
1. Jeankely
(
16/08/2007 04:46)
Tsy ny Malagasy rehetra no manana fahafahana mivoaka mianatra, na miasa ivelan'ny Nosy. Misy ny olana na izany aza ny ezaky ny Malagasy mivoatra rehefa samy tonga saina ny handroso. Dia tena misy mihintsy ny tsy mitsahatra fa mandefa resaka fahantrana sy fijaliana ary fahasahiranana mba hanampempoina ny sain'ny vahoaka tsy hivelatra. Tafita ianao any amin'ny misy anao sy ny andafinao fa aza pempoina ny toe-tsain'ny mpiray tanindrazana.
novalian'i Jeankely ny 21/09/2007 11:26
3. Jeankely
(
16/08/2007 06:39)
Izay indrindra no handraisan anjara miteny sy manoratra eto. Rehefa ry zareo tsy mitsahatra manaratsy Madagasikara no mahazo laka tsy misy milaza leo sy hitomany fa rehefa azo amin'ny saina bontolony ry zareo milaza fa leo ary tia hitomany. Mbola aiza?
5. Jeankely
(
16/08/2007 08:44)
Ilaina manana tanjona sy mijery lavitra ny tsirairay. Raha ny asa atao anio no jerena fa tsy ny vokatra ampitso dia tsy hiasa ve? Ny fijaliana anio mivaly soa amin'ny manaraka. Tena ny hafa ve no mampijaly anao sa ny tenanao? Aza mba manaiky pempoin'ny olona izany ry havana fa miezaka hatrany ary misy vokany io amin'ny farany.
8. Jeankely
(
16/08/2007 13:51)
Kay ve efa nadalo DADA-bazy? Tena tsy mahampempo anay marina ianao ry ilay io an.=))=))=)). Mandroso io na aninona ialahy na aninona. Izahay Malagasy avy ao Madagasikara.
9. kanota
(
16/08/2007 13:54)
Allo Ra-JK. Aza taitra @ bazylou zanaka makorel. Rehefa mahazo vola dia faly =))=))=))
10. Jeankely
(
17/08/2007 10:48)
Hatrany @ resaka Filoham-pokotany avy hidirandreo lalina sy hanampempoina. Nefa mitady ny fon'olona hanaraka azy. Taloha hoy ny ankizy.
11. niainalynx
(
21/09/2007 11:09)
Tena marina zany ry reto a ! Aza mety hambanian'olona avy any andafy zany ! Gasy isika dia malagasy hatram farany fa aleo ry zareo mipetraka any no hivadika tsy ho gasy tsony ! Za aloha dia malagasy hatrany anaty fanahiko lalina any e ! Ary tsy soloiko ny mahamalagasy ahy ! Sambatra aho fa malagasy ary eto madagasikara ! Any andafy anie ry zalahy ka mandry andriran'antsy isanandro e !
Matahotra an'i Ben laden sy ny alkaïda sy ny fampihorohorona isaky ny segondra e!
Ny any frantsa aloha ny gasy dia matahotra zao sao dia voaroaka !
Na dia nationalité frantsay aza ianareo any ampita any dia tsarovy fa rà malagasy no mikoriana ao anatinareo ! Sa efa nosoloina rà frantsay koa?
Ny gasy gasy ihany ary malagasy hatramin'ny farany e !
Matahotra an'i Ben laden sy ny alkaïda sy ny fampihorohorona isaky ny segondra e!
Ny any frantsa aloha ny gasy dia matahotra zao sao dia voaroaka !
Na dia nationalité frantsay aza ianareo any ampita any dia tsarovy fa rà malagasy no mikoriana ao anatinareo ! Sa efa nosoloina rà frantsay koa?
Ny gasy gasy ihany ary malagasy hatramin'ny farany e !
12. Jeankely
(
21/09/2007 11:26)
Tsy ny lasa andafy rehetra no manao anio ry NAMAKO o! Betsaka ny favy lasa andafy ary miezaka ny hitady hevitra ny hanampy ny Malagasy koa aza afangaro amin'ireo be resaka nefa tsy izy ny MANJA. Malagasy mila manao hevitra manja raha tia fandrosoana. Ny sasatry ny miarina hay ihany.
