Ny ezaka no hialana @ Fahantrana fa tsy ny miventsoventso
1. Jeankely
(
16/08/2007 02:43)
Na iza hitondra na iza dia tsy maintsy ny ezaka no ahafahana amin'ny fahantrana. Ventsoventsoana foana hoe mahantra mafy ianareo Malagasy e, aty @nay no mangataka e sns nefa dia olona miteny Malagasy sy manana fianakaviana Malagasy ary mitsidika an'i Madagasikara. Na tafita lasa alavitra aza ianao tsy misy vahiny hidera anao miseho ho vazaha ary na izany na tsy izany koa tsy mangataka anao na hisolelaka anao hitia an'i Madagasikara mihintsy izahay fa anay io ary tianay hatramin'ny farany ry bazylou. Averimberinay hatrany fa tsy nisy firenena tafitafita ho azy izany fa nisy ezaka lehibe nataony ary ny sehatra rehetra samy mihezaka fa tsy misy mitazampotsiny. Na samy ankizy iray kilasy izao aza izay miezaka sy mianatra no mahay. Mila ezaka ary hampitomboina foana ny ezaka. Izay no fantatray fa tsy hanay ny manakivy olona amin'ny resaka fahantrana.
novalian'i Jeankely ny 17/08/2007 10:28
2. tsoraka
(
16/08/2007 02:48)
Bazylou mpanatsatso ve no heneonao ahavita inaona eo ianao. Marary mafy mihintsy ny fony isak'izay misy ezaka kely vitan'ny Malagasy. Miombo-kevitra mihintsy aho fa mila fiezahana ny rehetra. Na mafy aza io tsy misy mafy tsy laitran'ny zoto. Ny fanakiviana hodio tsy hita fa misakana anao tsy handroso io. bazylou sy ny tariny zarany ianao ho very ary mahafaly azy ny mitanisa ny fahantrana sy fahorian'ny Malagasy.
3. Jeankely
(
16/08/2007 02:57)
Misaotra anao tokoa manampy. Raha ny resaka fanatsatsoana araka ny teninao no avela hibahana sy hiseho be resaka eto dia hiraviravy tanana sy ho kivy tokoa ny olona. Hery sy tanjaka no entina miady amin'ny sarotra fa tsy ventsoventso mahantra e, ory e. Porofon'izany tsy misy milaza mihintsy fa rehefa mahantra dia tsy mahay inoninona ao andakilasy. Rehefa miezaka ianao na ny mpanana aza maka hevitra ary mangalatahaka ny ataonao. Ny mpanana sy mahantra tsy natao hiady akory fa mifanampy io ary mifameno. Manana izy nohon'ny ezaka vitany noho izany mila miezaka koa ianao. Mitombona amin'ny sehatra rehetra io. Madio ho azy eo ve ny lalana raha tsy ny tsirairay no miezaka tsy hanimpy loto eran'ny rehetra eny?
4. Jeankely
(
16/08/2007 04:47)
Tsy ny Malagasy rehetra no manana fahafahana mivoaka mianatra, na miasa ivelan'ny Nosy. Misy ny olana na izany aza ny ezaky ny Malagasy mivoatra rehefa samy tonga saina ny handroso. Dia tena misy mihintsy ny tsy mitsahatra fa mandefa resaka fahantrana sy fijaliana ary fahasahiranana mba hanampempoina ny sain'ny vahoaka tsy hivelatra. Tafita ianao any amin'ny misy anao sy ny andafinao fa aza pempoina ny toe-tsain'ny mpiray tanindrazana.
5. kanota
(
16/08/2007 04:57)
Rehefa manatsatso tapohy rano koa hatsatso ny hevitr'alikany. Raha miseho manapempo homentsika azy koa ny kanota ary mahazo mavesatra mihintsy na misy hitomany aza.
6. Jeankely
(
17/08/2007 10:28)
Ny sasany miezaka mitady hevitra hampivoatra fa tena mahagaga fa ny olona milaza mipetraka andafy sy mahita ny fandrosoana indray no manao resak'olona avy anaty ala mikitroka.
