Finoana tsy misy asa naman'ny maty.kanefa minoa fotsiny ??

21. niryna ( 20/08/2007 03:32)
Kwasi:


Minoa FOTSINY IHANY: ny fandraisanatsika an\\\'io teny hoe fotsiny io koa no mandiso fanantenana antsika. Satria toa mahatonga antsika hieritreritra fa tsy mila ezaka ny fahazoanjvatra. \\\"Izao fotsiny e...\\\", \\\"Anona fotsiny io...\\\" fotsiny fotsiny fotsiny., dia lasa fotsy ny iafarany. Mety ho hafa angamba ny fiantraikan\\\'ilay teny raha nadika zavatra hafa ilay izy.

Marina izany satria matetika dia io no ampiasain'ny olona.kanefa raha manao zavatra isika ka tsy misy ny finoana dia ho foana daholo izay nosasarana,mifanohitra izany kosa anefa ,na dia kely aza ny finoanao dia afaka manao zava-dehibe tokoa ianao noho ny fahatokiana anananao.:D

22. ikaretsaka ( 20/08/2007 23:05)
Io no maha-zavadoza an'ity verset tsaingotsaingohana isaky ny mihetsika ity.
Ohatra io "minoa fotsiny ihany io. Izay lasa niteraka sy nahatonga fahadisoam-panantenana bdb nefa zavatra tokony hanome hery sy finiavana ary famporisihina @ zavatra ataon\'ny tsirairay.
Miara-dalana hatrany ny finoana sy ny asa, ny asa sy ny finoana. Tsy afa-misaraka ireo.
Finoana + Asa = Fahatongavana @ tanjona
.

Mitovy hevitra...
"raha izay tianao ihany no tsimponinao sy inoanao fa izay tsy tianao sy tsy azoazonao loatra dia arianao, dia tsy Andriamanitra intsony no inoanao @ izay fa ny tenanao"

23. fijo ( 22/08/2007 21:55)
niryna an,rehefa tsy hiseo aminay izy dia avela hoany fa izahay tsy hino izay tsy hitanay

kwasi sy ika,marina izany fa raha io boky io no raisina araka izay hitiavana azy,dia fanina eo nareo
24. niryna ( 23/08/2007 17:47)
ikaretsaka:

Io no maha-zavadoza an'ity verset tsaingotsaingohana isaky ny mihetsika ity.
Ohatra io "minoa fotsiny ihany io. Izay lasa niteraka sy nahatonga fahadisoam-panantenana bdb nefa zavatra tokony hanome hery sy finiavana ary famporisihina @ zavatra ataon'ny tsirairay.
Miara-dalana hatrany ny finoana sy ny asa, ny asa sy ny finoana. Tsy afa-misaraka ireo.
Finoana + Asa = Fahatongavana @ tanjona
.

Mitovy hevitra...
"raha izay tianao ihany no tsimponinao sy inoanao fa izay tsy tianao sy tsy azoazonao loatra dia arianao, dia tsy Andriamanitra intsony no inoanao @ izay fa ny tenanao"





Tsy mba mitovy izany hevitrao izany aho,matoa ilay olona mitsaingoka verse dia namaky ny tenin'Atra izy izay,matoa tsy mahita verse ianao dia tsy mamaky ny teniny.Mazava be toy ny volan-tantely io.Anbeha hitsipona aho izao fa mbola misy akotry tokony alana ao.:roll::D:D Ataovy ao ambavanao mandrakariva ny teniko mba hanarahanao ny didiko.Vakio ny Salamo 119 fa lavabe(15mn mihoatra saingy mahazo fampaherezana ianao satria tsy vitan'ny miteniteny foana fa mijery izay teny nolazain'ny Tompo mba handresentsika lahatra ny tenantsika fa velona sy mahery ny teniny.^:^^:^
25. fijo ( 23/08/2007 21:55)
ny olana amin'ny le mitsimpona io anie ry niryna dia izao e,izay tiako ihany no raisiko mba hanatsarako ny ataoko.
ohatra.
mampirafy aho dia tratra. de avy dia hoy aho amin'ny sipako hoe izao no voalaza,"miteraha ka mamenoa ny tany"....itandry.avy dia mifanarak tsara amin'ilay zavatra io,fa tsy mifanaraka amin'ilay esprit nitondrana ilay soratra.izay no loza mananontanona.
asanareo mpino aloha fa izay no fahitak azy
amin'ny politika moa io tena ahitana vokany ratsy mihintsy fainy resaka hafa
26. niryna ( 24/08/2007 06:56)
fijo:

ny olana amin'ny le mitsimpona io anie ry niryna dia izao e,izay tiako ihany no raisiko mba hanatsarako ny ataoko.
ohatra.
mampirafy aho dia tratra. de avy dia hoy aho amin'ny sipako hoe izao no voalaza,"miteraha ka mamenoa ny tany"....itandry.avy dia mifanarak tsara amin'ilay zavatra io,fa tsy mifanaraka amin'ilay esprit nitondrana ilay soratra.izay no loza mananontanona.
asanareo mpino aloha fa izay no fahitak azy
amin'ny politika moa io tena ahitana vokany ratsy mihintsy fainy resaka hafa

Mety mitombona ny teninao satria inona moa no tsy mitranga ety an-tany? Fa raha tahaka ahy aloha tsy hampitohy resaka mihitsy aho raha tsy namaky baiboly ka raha nitsipona ilay teny aho dia mifanaraka ilay hevitra no noteneniko, matoa tsy mahita tenenina ao anaty baiboly dia tsy nitsipona satria tsy namaky baiboly.Mba fantatry i fijo moa fa misy fiangonana tsy mampianatra baiboly ny olon-dehibe? Ny dikany izany izay voalazan'izay mitarika eo dia iny no henoiny dia avy eo tsy manaiky ny marina ao anaty baiboly.
Zavatra roa na mihoatra no maha kristiana ny kristiana.
Manaraka ny tenin'Atra izay ao anaty baiboly satria kristy nampianatra ny mba hitovy Azy isika,izahay mantsy e ary mbola nomena mihoatra noho ny nataony aza(ny tenin'Atra mihely hatraiza hatraiza avy amin'ny alalan'ny internet sy ny radio ary ny TV ohatra ary tafiditra ny serasera:D .Ahoana no hitoviana Azy kanefa ny teniny aza tsy vakiana,tsy hianarana ,tsy atao tsianjery ary tsy ampiasaina amin'ny fiainana?
Raha mitovy ny fiainanao taloha(tsy nahalala an'i kristy) ihany ny fiainanao ankehitriny miaraka amin'ny kristy dia very maina fotsiny izay noeritreretinao hoe maha kristiana anao .Izay mino sy atao batisa no ho vonjena fa izay tsy mety mino no hoheloina.(Lk 16:16)
Dia aleo lavitra izany tonga dia tsy mino toy izay milaza mino kanefa mifanohitra ny tenin'i kristy no ataony.:cry:Sarotra fa samy mbola mihezaka daholo izahay mba ho tonga any am-paradisa ary hiara hihira sy hanandra-peo amin'ny feo mahery hoe Hosana,hosana any amin'ny avo indrindra.Ho an'ilay mahery ,mpanjakan'ny mpanjaka.


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0725