mbola fanontaniana manitikitika iany

1. ari.malala ( 14/08/2007 13:36)
hono hoa, inona no mahasamy hafa ny Katolika Romana sy ny Katolika Ortodoksa? Mitovy ve ny conception ny Eokaristia @ ireo? Ary ny Anglikana ve Katolika iany koa? misaotra mialoha!
novalian'i fijo ny 17/08/2007 23:33
2. ikaretsaka ( 14/08/2007 14:27)
Tantara lavabe fa tsotsoriko kely fotsiny:

Ara tantara aloha:

Rehefa nasain\'i Jesoa nitory teny ny Apostoly, dia nisy (ry Md Tomà sy ry Md Filipo) nandeha niantsinanana (Asia mineur) moa ny sasany (Md Piera, sns...) nandeha niakandrefana sy ny niverina: nijanona tany Roma. Avy eo tonga ny fanjakana Silamo (ny Ottoman Empire) teo ampovoany dia mazava ho azy fa tsy maintsy nisaraka ho azy , dia samy nanorona ny doctrine-ny avy.(jereo ny tantaran\'ny Croisades sns...)

Ny mampitovy sy maha samihafa azy

1)orthodoxe sy Katolika:
-Samy manaiky ilay fiekem-pinoana Nicea (ilay lava be atao rehefa lamesa iny... Andriamanitra avy amin\'Andriamanitra, fahazavana avy amin\'ny fahazavana...)

-Ny Trinite Masina dia mino izy hoe Ray zanaka Fanahy Masina dia samy andriamanitra fa ny azy hoe No generen\'Andriamanitra aby! ny azy tsy le hoe olona 3 no 1 fa hoe misy ny Ray dia maka endrika zanaka , dia maka endrika Fanahy Masina, ilay hoe Avy aminy ny azy no mifantoka be izany. Avy amin\'ny Ray ny Zanaka, dia avy amin\'ny Ray ny FM (mbola eo am-pandinihina ny Trinitology koa aho ka tsy afaka manome fanazavana lalindalina)

-Samy mino ny Evanjely sns, samy mino ny Eokaristia, fa samihafa ny fomba fanamasinana azy. (resaka litorjia)

-Vokatr\'ilay voatery nysaraka dia nanana ny karazan\'olona nitondra azy ohatran\'ny Papa (Patriarka) koa izy, ny azy mitovy lenta amin\'ny eveka daholo ireo...

-Ny fahotana t@ fototra no samihafa koa ny fijery: ny Ekar dia mino hoe avy amin\'ny ota nataon\'i Adama no nandimbiasan\'ny olombelona an\'io, fa ry zareo tsy mino izany fa heo pure ny olona tonga teto.

-Samy mino ny fiombonan\'ny olomasina. Indrindra i Masina Maria.

-Ny confirmation ny azy dia miaraka amin\'ny Batemy..vokatr\'io tsy finoany ny fahotana t@ fototra io

-ny sakramenta sasany dia mitovy, fa ny azy koa dia mila mandray komonio rehefa sakramentan\'ny fanosorana ny marary ny fanampiny, fa ny an\'ny Ekar, raha possible dia manao komonio, moa raha tsy possible dia ...

-Dia ny sary vongana sy ny sary Masina dia samy mino!

2) ny Anglikanina
-ny Anglikanina dia mitovy @ Katolika ihany @ ankapobeny ankoatran\'ny tsy fanekeny ny Papa, fa ny azy nosoloiny ny Reine d\'Angleterre , ny ankoatran\'izay, ataoko fa mitovy ihany, ankoatran\'ny Pretra manambady koa
3. ari.malala ( 16/08/2007 11:42)
Merci ika. Fa tsy mazava tsara amiko ilay hoe "mitovy ny komonio fa asmy hafa ny fanamasinana azy", izy ireo koa ve manaiky fa Jesoa velona no eo fa tsy mofo sy divay intsony refa vita ny teny fankamasinana? dia tsy fahatsiarovana fotsiny hoazy ireo ny fandraisana komonio?
4. ikaretsaka ( 16/08/2007 12:03)
Ny an'ny katolika Romana< normalement, mandeha ny Prefasy dia mandeha ny Sanctus (masina masina) dia Fankamasinana...
fa ny azy mitambatra amin'ny Fanolorana aby
5. fijo ( 16/08/2007 22:13)
izo ry ari an,
mitovy amin'ny hoe samy fitsarana ny misy any US sy aty frantsa,fa ny procedure no tsy mitovy.
6. ari.malala ( 17/08/2007 14:03)
OK misaotra e
7. fijo ( 17/08/2007 23:33)
kyy ny tsy mpino indray ve no manazava le.ouuf
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3635