fa maninona tokoa?

1. ikaretsaka ( 13/08/2007 05:46)
Sendra voamariko fotsiny ato @ ity resaka fivavahana sy finoana ity:
Maro amintsika no mahita fa misy namana manontany fanontaniana momban'ny finoana na fiheverana 1 momban'ny fombam-pinoana anankiray eto. dia voazava sy voavelabelatra tsara izao iny! sy anontanian'ny namany ny heviny momba iny fanontaniana iny izy avy eo, dia na tsy mamaly na mody fanina!

Dia telo herinandro aty aoriana (indraindray latsak'izany aza)! dia iny fanontaniana iny ihany no averina anontaniana anontaniana!
(Ohatra izao ny resaka Saints, mariology, Afo fandiovana, Limby, Saple , eokaristia, sns...)
azavaina tsara izao ny antony sns... dia andrasana ny feedback- tsy mamaly izy!

avy eo iny fanontaniana iny ihanyno averina?

Misy afaka manazava ny antony ve?:roll:
novalian'i fijo ny 16/08/2007 22:26
2. malalatinasoa ( 13/08/2007 09:39)
Zao fotsiny e:
Aza faly mila VOATSIARY sy MITSIKERA fotsiny ohatr'io fa reveo manja fotsiny.

Alefaso koa ny anao raha misy @ izay mivoatra isan'andro ny dinika. Fa raha tena tsy zakanao dia anontanio mivantana io namana resahinao io any @ mailakany, izy ngamba afaka manazava azy tsara aminao.
3. todisoa2 ( 13/08/2007 10:20)
reveo manja fotsiny.. Miombok'evitra
4. hery ( 13/08/2007 10:39)
Ka angamba HEVERINY hoe hiova ny valiny ho azo rehefa elaela :-)

Misy koa anie mpamafy fotsiny e. Mpametraka fanontaniana fotsiny fa tsy mamaky ny valiny akory. Tsy mamaly izay anontanian'ny olona azy akory.

Tsy mitsara olona aho (na dia mitsara ihany aza) fa ireny ilay olona mpametraka problemes fotsiny fa tsy mitady na mihaino solutions...

Atao ahoana e, arak'io lazain'i todisoa2 io hoe revena manja fotsiny fa efa tsy hita intsony ny hanaovana azy :-)
5. ikaretsaka ( 13/08/2007 13:26)
misaotra anareo namaly, fa tsetsatsetra fotsiny ny ahy iny!
dia hirevy manja izany, fa indraindray mba gaga ihany ny tena!

malalatinasoa>ka izay indrindra anie e... izay dinika mandeha eo raha ilaina fanazavana na fizarana hevitra dia mamaly aho na manitsy na mizara ny antony mahatonga ilay fiheverana, fa avy eo tsy vakian'ilay nametraka intsony
6. mignone ( 13/08/2007 14:56)
ny mampimé dia mbola misy ihany mamaly foana nefa izy aza efa dila eo amlé dinika ? aza valiana tsony ngé é !:-D:-D
7. Rasiligaoma ( 13/08/2007 15:12)
raha mipetraka eto kosa ilay fanontaniana dia tsy ho azy irery intsony anie ilay izy fa ho an'ny daholobe e!
8. xxx ( 13/08/2007 15:22)
Aza dia manao angaredona @ ikaretsaka kosa fa mitombona be ny resany,izay no mahavariana @ity dinika ato ity,ohatry ny misy firaisankina hafahafa izany...Tohizo e.
9. ikaretsaka ( 13/08/2007 19:18)
ka izao anie e.. raha misy miteny hoe fa maninona no tsy izao ?
dia raha misy maro miteny hoe satria izao ny antony, manao angaredona ve izany sa manao firaisankina hafahafa sa filazana ny marina sy fampianarana ilay namana?
tsy hitsara an'iza aho fa aoka ho an'ny tsirairay ny fahatsapan-tenany
10. cutie ( 13/08/2007 23:33)
tsy hitsara an'iza aho fa aoka ho an'ny tsirairay ny fahatsapan-tenany

samia mandini-tena :-D
Tsy zay moa le teny filamatra ry Ika :wink:
11. ikaretsaka ( 14/08/2007 02:09)
marina!:wink:
12. niryna ( 14/08/2007 22:44)
hery:

Ka angamba HEVERINY hoe hiova ny valiny ho azo rehefa elaela :-)

Misy koa anie mpamafy fotsiny e. Mpametraka fanontaniana fotsiny fa tsy mamaky ny valiny akory. Tsy mamaly izay anontanian'ny olona azy akory.

Tsy mitsara olona aho (na dia mitsara ihany aza) fa ireny ilay olona mpametraka problemes fotsiny fa tsy mitady na mihaino solutions...

Atao ahoana e, arak'io lazain'i todisoa2 io hoe revena manja fotsiny fa efa tsy hita intsony ny hanaovana azy :-)



Toy ny fampianarana ihany io ,toy ny ankizy manontany miverimberina ihany io,raha manome fanontaniana izy dia anjaran'ny rehetra no mijery sy manome ny valiny,lany andro eo raha hitsikera foana.Misy ronono no omena azy fa mbola tsy azo omena vetin-kanina ka raha mamerina iny fanontaniana iny im-polo aza izy dia tsy maninona fa valiana ihany rehefa tratra,raha tsy mahavaly ilay olona dia maro isika no miara-mirona rehefa misy tian-tsika ho valiana miaraka ato.Mitranga foana izany dia izay koa atao fa mahavaha ny olana.Miara mirona daholo fa tsy hoe rehefa misy resaka toy izao dia iny daholo izahay mianakavy amin'ny angady sy ny harona,lasa mivoana ilay fivavahana,dia tsy mahazo mofon'aina ny olona.
13. fijo ( 14/08/2007 23:01)
ô ry ika an,gagao manja fotsiny e.hi hi i
14. ikaretsaka ( 14/08/2007 23:03)
dia izay no vao mainka tsy azoko.miara mirona daholo isika manome ilay valiny !

efa voavaly daholo izy rehetra ary efa voalaza sy voazava t@ ilay fanontaniana lasa iny aby!
dia iny no averina im-100 eo.

Ataoko metaphore indray ary:
Raha misy zaza manontany ve hoe maninona i mama no vadin'i dada dia efa nazavainao ny antony ilay zaza. dia mbola manontany ihany izy afaka kelikely...
dia tsy ilay antony ihany ve no miverina eo?
karaha diska loaka
15. fijo ( 14/08/2007 23:12)
hi hi i ka sao dia hoe "fa naninona i mama no lasa vadin'i dada"no tiany holazaina indray avy eo.
16. ikaretsaka ( 14/08/2007 23:15)
dia izay indray tantara hafa... hi hi hi
17. fijo ( 15/08/2007 20:16)
misy letsy te ampiditra resaka fotsiny an,tsy mihaino izay valiny izy fa hoe lasa iny dia izay.
18. ikaretsaka ( 16/08/2007 02:34)
dia izay ange le hoe tsy azoko e..
raha anontaniana ve ialahy hoe ahoana ny momba izao? dia eo am-pamaliana ialahy dia iny ilay mpanontany no lasa?

dia avy eo iny ihany no anontaniana?

Sovazy izany le!
19. fijo ( 16/08/2007 22:26)
bedy eo ialahy fa moramora,tsy sovazy izy fa maika lava ngamba
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8214