Mba mahagaga ahy ihany

1. piste ( 10/08/2007 22:09)
Mba mahagaga ahy ihany ity toetrantsika eto @ serasera ity. Marina fa na dia tsy mitonona ho Katolika mivantana ny mpandrindra an`ity Site ity dia betsaka ny mahafantatra fa Katolika izy. Manarak`izany betsaka ihany koa ny mpino katolika mandray anjara ato.Tsy midika anefa izany fa natao ho an`ny Katolik irery ihany izy ity.
Na izany na tsy izany dia mba mieritrereta ihany e. Voalohany indrindra, raha mba ianareo ohatra no teo @ toeran`ny mpandrindra mba tantinareo ve izao fanaratsiana be fahatany sady tsy am-piheverana izao. Isaorako manokana aloha ny tompon`andraikitra fa tsy sarotiny t@ izany. Fa raha finoana hafa angamba no tompon`ity dia efa voasivan efa hatry ny ela ireo hadalana ireo.
Faharoa, n adia @ maha-olombelona aza, dia tsy tokony hipetraka ve ny fifanajana. Ka indrindra @ maha-kristianina. Amiko manokana dia tsy tokony idirana lalina ny votoatim-pinoan`ny sasany satria ny fijerinao azy dia fijery avy any ivelany, ary tsy fijerin`ny te- hahalala fa te hitsikera.

Ka hoy aho hoe : mba asio minimum de respect ihany eny fa dia @ maha-olona fotsiny aza.
novalian'i fijo ny 16/08/2007 22:59
2. fijo ( 10/08/2007 22:19)
ekeko fa ilain aray mbola izay no nampaharitra antsika teto,dia ny fifanajana.
fa ny tsikera kosa avelao handeha raha manana porofo ny mpanatsikera e.izay le eto
3. piste ( 10/08/2007 22:24)
Ka raha domaine Doctrine izany no resahana eto dia Ady no iafarany. Efa voalazako eo ambony io ny antony. Sady tsy esprit chretien intsony ny hitondrana azy fa lasa Haine na fankahalana. Misy raika lahy izay moa ao nijoro `vavolombel` @ izay mihitsy.
4. fijo ( 10/08/2007 22:31)
hi hihi,aoka moa nama fa mamela ny helony an.izay no fahitany azy e ivelany io fahitana io an
5. ainga ( 10/08/2007 22:46)
izay no tsy maha andriamanitra latsaka antany azy na vavolombl aza
6. fijo ( 10/08/2007 22:49)
ka izy ani evavolombelona fotsiny ihany e
7. ikaretsaka ( 10/08/2007 23:16)
ny tsy azoko rehefa hoe resaka vavaka izay dia ny katolika sy ny kristianina foana no mifamely na matetika asiana.
izaho izaho mba te hahita resaka baha'i ato ohatra, na Tao na Zen na Budhisme na scientist na silamo
8. fijo ( 11/08/2007 04:48)
ka ny gasy anie letsy kristianina no maroanisa e,ary hatrany amboalohany io finoana io,fony vao nampidirina no efa nampianarina hifanenjika.ny frantsay nilaza fa ny finoana protestanta entin'ny anglisy io dia ratsy.ny anglisy moa namaly hoe ny mpanjaka aza mianatra aminay.de mbola izao ny tarazo.
raha be siite sy sunite isika de toa izao ihany koa no mbola nitranga.
hialao wa io finoana io fa ady lava.
9. mbaliana ( 11/08/2007 08:27)
fijo> hihihihi ao anatin'ny isavorovorana anie no ahitana ny filaminana e....
10. bosista ( 11/08/2007 19:31)
tsara aloha le souple fa raha tsy izany dia mety hanahirana, nefa mba tokony valiana amin'ny reponse marina biblika ilay resaka izay lazaina fa fanaratsiana sinon, lasa mody marina ilay izy! satria ny resaka tsy ahitambaliny manko de manaporofo ny fahamarinan'ny ankilany! ka mba ahatampina ny vavany rehefa manaratsy izy dia omena azy ny reponse marina amzay ho hita eo ny fanaratsiany, fa raha tsy valiana kosa ilay izy amiko de manahirana!
11. piste ( 11/08/2007 21:20)
Ataoko fa betsaka ihany izay niezaka nanazava izay kanefa nodian`ny sasany tsy fantatra izay fa ny azy ihany no asesiny. Amiko tsy any ny olana fa ilay fitsabahana @ finoan`ny sasany mihitsy. Io tsy ho azonao mihitsy raha tsy ao ianao. Ary rah mbola manana prejuge koa dia tsy tokony hanontany.
Ka aleo zavatra izay mba hiraisana no resahina fa tsy hifampitsikera ny finoan`ny olona.
12. Fiffi ( 11/08/2007 21:25)
piste:
Tsy midika anefa izany fa natao ho an`ny Katolik irery ihany izy ity.
Na izany na tsy izany dia mba mieritrereta ihany e. Voalohany indrindra, raha mba ianareo ohatra no teo @ toeran`ny mpandrindra mba tantinareo ve izao fanaratsiana be fahatany sady tsy am-piheverana izao.
ny hamaliako azy ftsn de zao: aleo zay mpitsara na manaratsy na mi-wawawa hanao an'zany fa....ry zareo ftsn no harary saina am-zany !

heu....tsy hampiova na inn na inn am finoana zany..hivavahana azy atao an'zareo.....zah kalou de kato eh ! manaja ny hafa zah...saingy zao ftsn an ! raha manaratsy ny masera , na ny mpitondra de tsy tantiko....satria samy manana ny azy ny tsirairay....

nefa raha hasiana resabe eto koh ny hafa de ...hitondra antsika ho aiza moh zany ? ny manahagaga anaha ftsn de le mpitsikera fanany milaza ary sahy mijoro ho kristiana....(miala tsiny raha toa ka somary masiaka zah)


13. fijo ( 15/08/2007 20:53)
za koa tsy mpino fa manaja anareo mpino.fa ianareo aloha mifanaja koa fa mahakamo be
14. ikaretsaka ( 16/08/2007 02:31)
ka misy ko ilay sarotra hazavaina lety e!
misy manontany izao hoe fa maninona na nahoana
dia omena azy hoe satria izao, araka ny voalaza ato!
fa ny azy ihany no asesiny

na mody mangina kely aloha izy..
dia iny fanontaniana iny tsy misy hafa no anontaniany indray!:-D
karaha Boloky
15. fijo ( 16/08/2007 22:59)
hi h hi ka io le hoe alaivo mora fa taora,
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0501