Hisaorana betsaka i Hery fa teny Malagasy izany no hiasa
1. Jeankely
(
09/08/2007 06:18)
Tena mifandray amin'ny ho avin'ny firenena tokoa ny resaka politika ka hisaorana ianareo mpandrindra nanapa-kevitra ny famafana izay manao teny hafa fa tsy ny tenin-drazana. Na voafafa aza ny ahy dia mamporisika ny hanohizana izany hatramin'ny farany aho ary tena mankasitraka ny fampiasana ny tenindrazana ho fampandrosoana ny Tanindrazana.
novalian'i Jeankely ny 13/08/2007 06:36
2. hery
(
09/08/2007 06:55)
Efa hatramin'ny niandohan'ny serasera teto mihitsy dia efa napetraka io fitsipika io kah. Fa tahaka ny fitsipika rehetra dia misy hatrany ny tsy manaraka.
http://forum.serasera.org/index.php?rub=dinika/policy
http://forum.serasera.org/index.php?rub=dinika/policy
fitsipika:
Mba hisian'ny fifampitaizana amin'ny Teny malagasy dia ezahina ho teny Malagasy ranoray no ifandraisana ao amin'ny forum.serasera.org. Azon'ny mpandrindra ny lohahevitra esorina ny hafatra tsy mifandraika amin'izany. Azo leferina kosa ireo vaovao nalaina tamin'ny loharano hafa ka tsy voadika amin'ny teny malagasy.
4. Jeankely
(
09/08/2007 08:07)
Tsy nahita ny niantombohany moa izahay fa nijapy masinina ka dia nanaraka ny tsy nety. na izany aza tsara ny mampatsiahy hatrany satria misy foana ny namana vaovao miditra. Ny hampandrosoana ny firenena moa no tanjona ary ny ahitana hevitra ahasoa. Misy dia misy tokoa ny mitarika any amin'ny fiverenandalana ary tsy mba mitarika ny mpiray tanindrazana hiasa sy hilofo fa finaritra mijanona eo amin'ny sehatry ny fitsikerana. Ilaina ny tsikera saingy tsikera tsy manamboatra fa tsikera manimba na mitarika hanao tandrevaka. Ny halatra no entina hanamarinana halatra. Izany ve dia mba mety?
5. kanota
(
09/08/2007 08:13)
Chine OUST avec Ra.... mbola tsy voafafa ooo. Aoka hitovy ny rehetra Hery oooo
6. Jeankely
(
09/08/2007 08:55)
Toa mbola ao marina ilay manao OUST sa ahoana io? Tsy ankanavaka sa misy avo toerana?
7. hery
(
09/08/2007 10:23)
Ianareo koa ireto manao ohatra an'ilay mpangalatra tratra niteny hoe Maninona no tsy samborinareo koa i ranona sy ranona kanefa nangalatra?
8. Jeankely
(
09/08/2007 13:18)
Tsy mitovy mihintsy izany. Izahay manaiky fa tsy mety ny manoratra teny hafa akoatran'ny Malagasy ary manaiky fa diso satria tafala ny vala. Tsy mitovy amin'ny mpangalatra mitady lalana mba tsy ho meloina satria mangalatra kely. Rehefa samy diso dia samy miala. Izay ilay hoe lalana. Tsy misy ankanavaka.
9. kanota
(
09/08/2007 13:31)
Samy hita mazava ireo fa tsy hoe ny iray tratra mangalatra ary ny iray honohono. Rehefa hoe aleo eo aloha io fa tsara ny mandroaka ny Filoha, manao OUST dia izay hamarinina angamba dia tsy mamerina iny intsony izahay satria mazava ny lalana mipetraka.
10. Jeankely
(
09/08/2007 13:39)
Sa mpandrindra amin'ny fanaovana OUST marina ireny ho fantarin'ny be sy ny maro. Izay tsy mety esorina daholo fa aza misy hamelana. Izay no atao hoe manadio fa tsy ny eo akaikiky eo fotsiny. Omeo ny lesona mety.
11. bazylou
(
12/08/2007 23:52)
tsy zakan'ny sasny indray dia hesorina hono e!!! tsss andana manompo an'ilay 8 aloha ry jk and co
12. Jeankely
(
13/08/2007 06:36)
Tsy izahay no tsy nahazaka fa ny fitsipika no harahina. Rehefa tsy takatry ny sainay ny teny pararantsay be afaka tsy vakianay. Manaraka ny fitsika izahay. Aleo samy ho hita eo ny tsy mahay ny tenindrazanay. Tsy izahay no mila mpandika teny Malagasy Ra-basy rano
