Hiran'i Dadah Rabel sy Inah

1. cookies ( 08/08/2007 13:37)
slt daolo,

Sao mba misy afaka manome ny tonon-kiran'lay hiran'i Dadah Rabel sy Inah , tsy haiko ny lohateniny fa misy toy izao ny refrain : " ... mety angamba raha dieny zao, dieny mbola tia ahy ianao, hoy aho hoe, ny mety atao ny mifandao ... "

Misaotra mialoha
novalian'i Belle ny 08/08/2007 18:32
2. Belle ( 08/08/2007 18:32)
http://www.dailymotion.com/relevance/search/dadah/video/x1sn84_manahy-aho_music
rohy mankamin'ilay hira

ary indro ny tonony

MANAHY AHO

Manahy aho
Ho ataonao toy ny sary indray mipika
Na koa toy irony fasika ho entin-driaka
Ny foko tia ka tsisy fiarovana
Manah’ny ho ataonao fandalovana
Ho zary fahatsiarovana (bis)

Fiv: (indroa)
Tsara angamba rah’dieny izao
Dieny mbola tia ahy ianao
Hoy aho hoe ny mety atao mifandao

Manahy aho
Ho ataonao toy ny aloka niserana
Na koa toa irony mamy tojo fahataperana
Ianao voky fitia fa natao tsara fahana
Izaho toy ny lovia avy nihinanana
Ho zary atosi-tànana (bis)

Tsy ho fahavalo
Fa hisaraka toy ny mpihavana
Ka ny tsar’ihany no hifanodiavana
Ka rah’ifankahita any aoriana any
Hiar’hitanis’ireo andro mamy
Toy ny fitia tsy mety lany
Toy ny fitia tsy mbola lany
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0449