Vavaka Bodo

1. ari.malala ( 07/08/2007 14:00)
Miarahaba ny rehetra, mba mangataka ny tonon'io hiran'i Bodo io izay manana azafady, dia misaotra mialoha. ari.malala
2. sitlo ( 07/08/2007 14:49)
http://forum.serasera.org/index.php?rub=dinika/message&msgid=m46b87afde5650
3. Fiffi ( 08/08/2007 05:52)
:roll:
4. Fiffi ( 08/08/2007 06:07)
ari.malala: mba nitady hiany akia zah fa tsy nahita an ! bdb ireo hira "vavaka" hitako fa ny an'i Bodo no tsy hitako.....
5. ari.malala ( 08/08/2007 06:47)
ka zay mantsy no nangatahako azy eto! efa nitady za maly fa ts naita! misaotra betsaka an'i Fiffi sy sitlo alo e! fa ny tonony mitsy ilay hoe

"Ndao hiaraka hifampitantana
Hitady ny Tompo mpanome Fitiavana
Fitahiana no azonao any
Rehefa miaraka @ Tompo avy hatrany"

Dia mbola mamerina ny fisaorana mialoha ireo tsara sitrapo hanome ani'o eto e!
6. Fiffi ( 08/08/2007 09:13)
ari.malala: i ny an'i poopy zao no hitako akia an ! heu...vavaka koh ny titra....
7. Amazone ( 12/08/2007 07:53)
Ari.malala,

Ankino no lohatenin'io hira io fa tsy vavaka kah!

Ity ilay izy ary e!


Misy olona mitomany
Hitanao any ho any
Mahatsiaro ho resin’ny fiainana
Ka velona ny taraina
Mahatsiaro ho potraka tokoa
Nefa atao ahoana moa
Izay angamba no anjaranao
Sa ny vintana no tsy tao
Iza no ahalala ny ratsy vitanao ety an-tany
Misafidy foana ianao
Ho velona sa ho faty
Mahatsiaro ho potraka tokoa
Nefa atao ahoana moa
K’aza kivy toa izao
Andriamanitra anie homba anao

Ankino tanteraka
Fa aza manaiky ho reraka
Ho tafita foana ianao
Rehefa ao ilay Tompo Andriamanitrao
F’Izy no manampy anao
Rehefa manatona Azy ianao
Satria ny Ray, Ray, Ray
Mahavitra ny tsirairay


Auteur: Bodo
Compositeur: Dôsa


8. mamzelkely ( 13/08/2007 07:07)
amazone an an an tena vavaka ny hira tedavin ari io ka samy hafa reo hira roa reo :D
9. ari.malala ( 14/08/2007 14:04)
Amazone, :-D:-D:-Dotran'ny hoe mitady chocolat za d menao biriky:-D:-D:-D:-D zavatra tsisy ifandraisany mints reo hira roa ireo:-D:-D:-D:-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2017