ny zaza sy ny tahotra

1. miantra ( 06/08/2007 13:56)
Miarahaba antsika rehetra indray e!

Inona no mahatonga ny zaza ho sarotahotra ry ireto?

ny tiako holazaina eto ilay antsoina hoe:"peureux" na kanosa irony an.

Dia inona ny vahaolana ho an'izay mba afaka manoro.




novalian'i xxx ny 09/08/2007 04:04
2. ianao ( 06/08/2007 14:11)
- amporisihina: outskssssssssssssss

- omena ohatra: ny zaza dia maka tahaka ny RAD

Ny mahatonga ny zaza ho peureux dia ampitahorin'ny lehibe izy. Ampitahorina rehefa bedesina. Ohatra ny hoe: bediko ianao raha manao an'izao an. Dia tena voakapoka mandraingiraingy tokoa ilay zaza raha manao. Dia rehefa tsy manao an'iny intsony ilay zaza dia atao hoe hendry. Nefa tsy hendry akory fa matahotra. Gaga ny RAD avy eo hoe lasa kanosa ilay zaza. Dia rehefa sendra mahazo fahafahana dia manaonao foana.
3. miantra ( 06/08/2007 14:15)
hoy ianao:
amporisihina: outskssssssssssssss


:-D:-D:-D



4. ianao ( 06/08/2007 14:39)
nananihany aho :-D, fa rehefa lasa saritahotra tokoa ny zaza dia amporisihina ka.
5. fasaly ( 06/08/2007 14:53)
hahahaha! misy nièce kely izay tia film d'horreur na film hafahafa ireny fa refa hande wc izy de matahotra velona fa tsy maintsy endrasana....

fa ny tena natahorany taloha ilay manège ireny sy kotaba misy orakoraka ireny, tranokala koa faranzay hatahorany hatramzao.....
6. vale ( 06/08/2007 14:58)
Miantra: mba hampiala ny tahotry ny ankizikely hono dia ny ankizy vavy kely omena kilalaon'ny ankizy lahy; dia raha tiana ho sarim-bavy ny ankizy lahy kely dia omena saribakoly!:lol:
7. sakaizakely ( 06/08/2007 15:03)
Azonao omena ohatra vitsivitsy ve izany tahotra izany ? Firy taona ilay zaza ?

Raha raisina faobe dia tsy manana fahatokisana ny tenany (confiance en soi) ny zaza sarotahotra izany.

Saingy sarotra be ny anome antony marina, sy vahaolana anao, satria tsy dia tena fantatra marina ireo zavatra mampatahotra azy. Matahotra olona, matahotra hanao zavatra irery, matahotra maizina, matahotra ny hisaraka @ dada sy neny, matahotra dokotera sy fanafody sns...

Misy normal ny tahotra, toy ny tahotra maizina rehefa matory. Miala miandalana iny rehefa mihalehibe ilay zaza. Ankoatrizay indray dia mila omena fahatokisantena ilay zaza ary tsy misy afatsy ny RaD no afaka manome an'io @ voalohany.

Ny fahalalàna no voalohany mahafaka ny tahotra. On a souvent peur de l'inconnu, eny na dia efa olondehibe aza. Ilaina azavaina sy ampahafantarina ny ankizy daholo ny zavatra rehetra raha tsy tiana hatahotahopoana izy.

Ny andrompiainan'ny RaD manontolo dia manao izay hananan'ny zanany fahatokisantena. Amporisihina ny ankizy hanao zavatra, dokafana hatrany ny kely vitany, tsy bedesina rehefa misy tsy hainy fa omena fampaherezana hatrany izy "rahampitso io vitanao..."

Mila manana fihetsika sy fiheverana positifa foana ny RaD tsy hahakivy ny ankizy. Omena responsabilité arakaraky ny taonany, na zaza mbola 1 taona aza, mampiakatra ny estime de soi sy ny fahatonkisantena izany. Rehefa hitan'ny ankizy fa eo anilany foana ny RaD manohana azy dia matoky azy ireo koa izy dia miala ho azy eny ny tahotra. Fihetsika sy fihevitra tsy maintsy ananana andavanandro koa anefa ireo.
8. Fiffi ( 06/08/2007 15:22)
vale:

Miantra: mba hampiala ny tahotry ny ankizikely hono dia ny ankizy vavy kely omena kilalaon'ny ankizy lahy; dia raha tiana ho sarim-bavy ny ankizy lahy kely dia omena saribakoly!:lol:
:?: :roll::roll:

marina io nolazain'i sakaizakely io.....tsy misy afatsy ny RAD-ny hiany no afaka manala an'zany tahotra zany.....

asa mety hoe fanalana le tahotra koh de raha azo atao .....fa miankina am hoe inn no mampatahotra azy ? de atao fanahiniana le zavatra mampatahotra azy en lui expliquant ny tokony tsy ahatahorany an'le izy ?


9. ikaretsaka ( 06/08/2007 16:16)
raha zarina bedesina sy ampitahorian aloha dia lasa katahotra e.
ianao lehibe io ary rehefa ampitahorin'ny sefonao tahaky ny inona?
10. diamondra27 ( 06/08/2007 17:14)
miantra:salu akia tonga soa ndray a!:-*

nisy zavatra hitany tao de matahotra izy(sao de nijery film izy tsy hitanareo de traumatisé t@iny)


ohatra indray: sao de nisy zavatra niseho t@ralité, nanao itony haloween na otran'izany tony de raiki-tapisaka le tahotra

sao de misy mampatahitra azy any ampianarana na eo @ fiaraha-monina

anontanio tsara akia izy fa ao anatiny ao ihany le tahotra fa tsy afaka fantarintsika raha tsy izy no mi-libéré azy a

fanontaniana: inona akia no ena atahorany biby sa olona? Miankina @io ny valiny
11. miantra ( 07/08/2007 08:02)
Misaotra betsaka amin\'ny valiteninareo rehetra fa hotrandrahako kely io fahatokisantena io fa tena mety ao ny vaha-olana.

Izao ary ny antsipirihiny azo zaraina: ilay zaza dia zaza valo taona,
1.Matahotra alika fadiran\'ovana izy: ny antony dia efa noenjehin\'ny alika izy vao 2 taona monja, hany ka lasa phobie mihintsy angamba .
2.Tonga dia angoissé (miala tsiny fa tsy haiko ny mandika io teny io) be foana raha vao fisehoan-javatra vaovao no hitany.
3.Ankoatr\'izay taorian\'ny niverenana avy any amin\'ny vacances dia mitombo ny fahatahorana( sao misy mpangalatra sao misy mpangala-jaza.....) raha ohatra izao hoe any ambony izahay dia tsy mety mijanona any ambany na any an-jaridaina toy ny fanaony taloha izy sns...

Raha vao tara kely ohatra izahay vao tonga ny hariva dia efa mi-téléphone hoe: mbola tsy tonga nareo fa maninona? sao dia tratran\'ny accident sns....

Tamin\'ny voalohany aho nieritreritra hoa normale izany fa toa hitako ho nitombo foana ilay tahotra izany no nahatonga ahy lasa saina.

Misaotra daholo e!:)
:-*

12. diamondra27 ( 07/08/2007 10:06)
miantra: misaotra t@ fanazavana

hitandry fa misy fiatraikany taminy ny zava-niseho t@ fiainanay sy ny zavatra hitany maso @ TV na PS ireny
zao an! za tena matahotra saka sy alika na de le caniche ireny aza, intelo za no lanin'alika t@ mbola kely de tsy te-hierika intsony, ny ahy indray zany hoe: za tia alika raha le olona no mikarakara azy lavitra ay fa raha vao hoe: eo akaikiko de e e e , efa mahina aho.
Ividiano le sifflet ultrason reny akia izy a! mi-repousser ny alika le izy, tsy henondry le sifflet fa nyalika ihany no maheno azy raha tsy diso za.
Ny saka indray detoraka izany ihany. Efa 18 ans ndray za t@zay de de nisafosafo le saka , de avy eo za nande hay za ty narahiny tonga de nofihininy ny tongoko de avy eo nokakeriny. Hay ty saka ty kay omen'ny tompony hena manta fa ty mba hena masaka ... denisy olona anakiray koa nokakerin'io saka io de farany aza nariana voatery tsy maintsy nariana ilay saka fa lasa dangereux...
De hatr@izao za mbola tsy sitran'ireo foana fa matahotra. Za koa moa tsy mivaky loha hoe: hi-surmonter an'ireo satria tsy de misy effet négatif mivantana @ fiainako ireo...

Ho fanampin'ireo voalazako ireo de tandremo ihany zany le zaza mba tsy hahita zavatra violent @ tv sy kilalao PS, wii sy otran'izany fa toa sensible be ny fahalalako azy.

Ny olona angoissé de mila rassurer-na foana; raha sanatria ka tara nareo de antsoy izy mba tsy hampitebiteby azy sy hampitombo ny angoisse-ny

De raha hitandry fa nanao effort- izy de féliciter-o @iny effort-ny iny fa ho hitandry fa hiala tsikelikely izany, de ampio vavaka ihany koa.

Ny ahy aloha tsy hoe tahotra alika rehetra fa misy moment zany de tsy manana confianceza fa mitambverina ao an-tsaiko le événement de iny za no lasa matahotra le alika


Jereo ato @ internet ny resaka angoisse fa be de be ny toro-hevitra mety ho azonao

Mahereza akia a :-*:-*
13. diamondra27 ( 07/08/2007 10:14)
Nisy le resaka mpangala-jaza iny zao t@ info, hitany iny sa tsia? Mety zay no mampi-angoissé azy bebe kokoa

tsy ary voaambina daholo moa zany fa zany we ze azondry atao de ataovy

Raha misy moyen afahandry manao demonstration de asehoy azy we jereo fa tsy maninona ty alika ty , tsy ny alika rehetra no masiaka fa ny sasany natao hiambina: berger allemand etc ny sasany animaux de compagnie manampy ireny olona jamba ireny , de hieritreritra izy sy hahita ny côté positif ny alika

bon courage fa mila faharetana io an! raha tsy vitandry io de mandehana manantona dokotera de lazao azy ireo de asainy maka specialiste nareo.
Metyasainy mande any @ireny SPA reny ngamba nareo na lemisy zanak'alika mafatifaty reny...
Ny but de mba hahazoana vision hafa ilay alika na zavatra hafa manoloana azy.

Mankanesa ao @ doctissimo sy ny forum ao momba ny angoisse
14. miantra ( 07/08/2007 11:22)
vale::-D:-D:-D:-D


Diam's: merci
15. diamondra27 ( 07/08/2007 11:41)
aza atao sarimbavy zany fa sao de misy consequence-ny any aoriana vao manenina eo nareo.

ampaherezo fotsiny izy, de rassurer-o

16. ikaretsaka ( 07/08/2007 11:56)
miantra:

Misaotra betsaka amin\'ny valiteninareo rehetra fa hotrandrahako kely io fahatokisantena io fa tena mety ao ny vaha-olana.

Izao ary ny antsipirihiny azo zaraina: ilay zaza dia zaza valo taona,
1.Matahotra alika fadiran\'ovana izy: ny antony dia efa noenjehin\'ny alika izy vao 2 taona monja, hany ka lasa phobie mihintsy angamba .


za kao dia tratran'io ..dia ny naha afaka anahy dia nihinana alika.
toy izany koa ny voay sy ny atsantsa

17. xxx ( 09/08/2007 04:04)
miantra:

Miarahaba antsika rehetra indray e!

Inona no mahatonga ny zaza ho sarotahotra ry ireto?

ny tiako holazaina eto ilay antsoina hoe:"peureux" na kanosa irony an.

Dia inona ny vahaolana ho an'izay mba afaka manoro.

Zarina hiaraka ny lehibe ao anaty maizina izy,aza hanaovana tantara mampatahotra na mijery boky na TV mampatahotra ireny.Esory ilay dadabe sola sy ny dadabe noely sy ny angano angano tsy marina fa heverino ho izy daholo ireny.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6171