Fomba Antambahoaka(Mananjary) momba ny zaza kambana

1. Lov ( 06/08/2007 10:12)
Mila fanampiana amintsika namana izay mba manana tahirin-kevitra na loharanon-kevitra (na sary...)momba ny zazakambana amin'ny fomba Antambahoaka...Ilaina amina "seminar" iray. Tsy mahita boky momba io firy aho toy izany koa amin'ny internet. Raha misy manana dia azo alefa mivantana amin'ity adiresy ity(serasera)atao (attachement)na amin'ny adiresy (leghona@yahoo.com). Dia misaotra mialoha e !
2. cutie ( 06/08/2007 16:05)
Za alou tsy manana fa ny haiko fotsiny de tsy maintsy sarahana izy reny refa teraka fa tsy azo tezaina miaraka.
De ny 15 aout no tena fety be any Mananjary, fankalazana an'io zaza kambana io.
3. ikaretsaka ( 06/08/2007 16:24)
marina.. tsy maintsy sarahana ny zaza kambana amin'iny faritra iny!

I mompera pedro toa manana (sa nanoratra) boky betsaka momba izany, fa tsy tadidiko aby ny titre-ny fa mba famakiko rehefa miandry azy aho.

dia ao ankatso (dep sociologie) koa feno boky sy memoire betsaka momba izany
4. cutie ( 07/08/2007 14:33)
diso kely za fa fankalazana ny "sambatra" kay le 15 aout:)
5. Vazimbatia ( 23/11/2008 18:36)
Mampalahelo ahy ny mbola ahitanana io fomba iray io hatramin'izao satria manohitra ny maha olombelona ilay izy. Raha sendra tany Mananjary aho dia ny nataoko voalohany dia nitsidika ilay akany andraisana ireo zaza kambana ary niezaka namantatra hoe inona marina ny antony. Ny fadifadin'ny tantara tany aloha sy ny fomban-drazana dia tokony hialana amin'izay re olona rehefa hita fa mifanohitra amin'ny fiainana maha olombelona sy ny fiainana ny Vaovao Mahafaly nentin'i Jesoa a! Misy ireo fomba malagasy mampivelatra ny maha olombelona sy mifandraika amin'ny fiainana maha kristianina izay tokony hotrandrahana sy hivelomana, fa ireo fomba manohitra ny maha olombelona kosa tokony hialana sy hibebahana amin'izay e! Ny olona dia mety hiteraka kambana, zavatra voajanahary izany. Misy avy amin'iny faritra iny ve mba afaka mitondra soso-kevitra momba izany eto? Misaotra indrindra!
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4668